< Zekaria 13 >

1 Katika siku hiyo kijito kitafunguliwa kwa ajili ya nyumba ya Daudi na wenyeji wa Yerusalemu, kwa ajili ya dhambi na uchafu wao.
Amin’ izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ ny taranak’ i Davida sy ho an’ ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
2 Katika siku hiyo - asema Yahwe wa majeshi - kwamba nitaondoa majina ya sanamu katika nchi ili kwamba yasikumbukwe tena. Nitawaondoa pia katika nchi manabii wa uongo na roho wao mchafu
Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
3 Ikiwa mtu yeyote ataendelea kutoa unabii, baba yake na mama yake waliomzaa watamwambia, 'Hautaishi, kwa kuwa umenena uongo kwa jina la Yahwe! Ndipo baba na mama waliomzaa watakapomchoma wakati akitabiri.
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ ny anaran’ i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
4 Katika siku hiyo kila nabii ataonea aibu maono yake aelekeapo kutoa unabii. Manabii hawa hawatavaa tena vazi la singa, ili kuwadanganya watu.
Ary amin’ izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,
5 Kwa maana kila mmoja atasema, 'Mimi siyo nabii! mimi ni mkulima, kwa maana ardhi ndiyo kazi yangu tangu ujana wangu!
fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo ahy, fony aho mbola kely.
6 Lakini mtu mwingine atamwambia, 'Majeraha haya kati ya mikono yako ni ya nini?' naye atajibu, nilijeruhiwa na waliokuwa katika nyumba ya rafiki zangu.”
Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon’ ny sakaizako ireny.
7 Upanga! inuka mwenyewe dhidi ya mchungaji wangu, mtu asimamaye karibu nami - hivi ndivyo asemavyo Yahwe wa majeshi. Mpige mchungaji, na kondoo watatawanyika! Kwa maana nitageuza mkono wangu dhidi ya wadogo.
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ ny madinika Aho.
8 Kisha itakuwa kwamba katika nchi yote - hivi ndivyo asemavyo Yahwe - kwamba theluthi mbili yake itaondolewa! Watu hao wataangamia; theluthi moja tu ndiyo itakayosalia.
Ary amin’ ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
9 Nitaipitisha hiyo ya tatu motoni na kuwasafisha kama fedha isafishwavyo; nitawajaribu kama dhahabu ijaribiwavyo. Wataliitia jina langu nami nitawajibu na kusema, 'Hawa ni watu wangu!' nao watasema, Yahwe ndiye Mungu wangu!”
Ary ho entiko miditra amin’ ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.

< Zekaria 13 >