< Isaya 65 >

1 Nilikuwa tayari kuchaguliwa na wale ambao hawakuniomba; Nilikuwa tayari kupatikana kwa wale ambao hawakunitafuta. Nilisema, ''Niko hapa!' kwa taifa ambalo halikuita jina langu.
Notadiavin’ zay tsy naniry Aho sy hitan’ izay tsy nitady; hoy Izaho tamin’ ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
2 Nimetawanya mikono yangu siku zote kuwasumbua watu wangu, wanao tembea katika njia isiyopasa, wanaotembea kwa kufuata mawazo yao wenyewe na mipango yao.
Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin’ ny firenena miodina, izay mandeha amin’ ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
3 Kuna watu wanoendelea kunipinga mimi, wanatoa sadaka zao katika bustani, na kuchoma ubani juu ya matofali.
Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin’ ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ ny tanimanga,
4 Wamekaa miongoni mwa makaburi na kuangalia usiku kucha, na hula nyama ya nguruwe na mchuzi mchafu wa nyama katika vyombo vyao.
Dia izay mipetraka any amin’ ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron’ ny hena fahavetavetana no ao amin’ ny loviany,
5 Wanasema, 'Simama mbali, usisogee karibu na mimi, maana mimi ni mtakatifu zaidi yako.' Vitu hivi ni moshi katika pua zangu, moto uwakao mchana kutwa.
Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masìna, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
6 Tazama, imeandikwa mbele yangu: Sitanyamaza, Maana nitawalipa wao tena; nitafanya malipo yao katika miguu yao,
Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo
7 kwa sababu ya dhambi zao na dhambi za baba zao kwa pamoja.'' asema Yahwe. ''Nitawajibu wao kwa kuchoma ubani juu ya milima na kunifanyia mimi juu ya vilima. Hivyo basi nitapima juu ya matendo yao ya kale katika miguu yao.''
Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin’ ny havoana; eny, hamatra ny valin’ ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
8 Yahwe asema hivi, ''Ikiwa kama juisi itapatikana katika nguzo ya zabibu, wakati mmoja ataposema, 'Usihiaribu hiyo, maa kuna uzuri ndani yake; hichi ndicho nitakachokifanya kwa niaba ya watumishi wangu: Sitawaribu wao wote.
Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon’ ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin’ ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
9 Nitazileta koo kutoka kwa Yakobo, na kutoka Yuda wao ambao watairithi milima yangu. Niliowachagua watairithi aridhi, na watumishi wangu wataishi pale.
Hahatonga taranaka avy amin’ i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin’ i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
10 Sharoni itakuwa malisho ya makundi, na bonde la Akori itakuwa sehemu ya kupumzikia ya makundi yangu, kwa watu wangu wanaonitafuta mimi.
Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian’ omby, ho an’ ny oloko izay nitady Ahy.
11 Lakini yeye aliyeachana na Yehwe, anayeusahau mlima wangu mtakatifu, anayeandaa meza kwa bahati ya mungu, na kujaza kikombe cha mvinyo uliochanganywa na miungu inayoitwa Hatama.
Fa ny aminareo izay mahafoy an’ i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masìna, sady mamelatra latabatra ho an’ i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’ i Meny,
12 Nitaufikisha mwisho wenu kwa upanga, na wato mtainama chini kwa kuchinjwa, Kwa sababu nilipokuita wewe, haukuitikia; nilipozungumza haukunisikliza. lakini mlifanya yaliyo mabaya katika macho yangu na kuchagua kufanya yasiyo nipendeza mimi.''
Dia hotendreko ho voan’ ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13 Bwana Yahwe asema hivi, ''Tazama, mtumishi atakula, lakini atashikwa na njaa; tazama mtumishi wangu atakunywa lakini atakuwa na kiu; tazama mtumishi wangu atashangilia, lakini atatiwa katika aibu.
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
14 Tazama, mtumishi wangu atapiga kelele za furaha kwa sababu ya furaha ya moyo, lakini utalia kwa sababu ya maumivu ya moyo, na mtapiga kelele kwa sababu ya kusagwa kwa roho zenu.
Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.
15 Nanyi mtaliacha jina lenu nyuma kama laana kwa watu niliowachagua wazungumze; Mimi Bwana Yahwe, Nitakuwa wewe; Nitawaita watumishi wangu kwa jina lingine.
Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin’ ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
16 Yeyote atakaye tamka baraka juu ya nchi atabarikiwa na mimi, Mungu wa kweli. Yeyote achukuae kiapo juu ya nchi anaapa na mimi, Mungu wa kweli, kwa sababu matatizo ya nyuma yatasaulika, maana yatafichwa machoni pangu.
Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin’ ny tany dia hanao izany amin’ ny anaran’ Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin’ ny tany dia hianiana amin’ Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan’ ny masoko.
17 Maana tazama, Ninakaribia kuumba mbingu mpya na nchi mpya; na mambo ya kale hayatakumbukwa tena wala kufikiriwa katika akili.
Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18 Lakini mtakuwa na furaha na kushangilia daima kwa nitakachokiumba. Tazama, Ninakaribia kuumba Yerusalemu mpya kama furaha na watu wake wenye furaha.
Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’ i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
19 Nitafurahia juu ya Yerusalemu watu wangu; kuomboleza na kilio cha dhiki akitasikika tena ndani yake.
Dia ho faly amin’ i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
20 Hakuna tena mtoto atakayeishi pale japo kwa siku chache; wala mzee kufa kabla ya mda wake. Yule atakayekufa katika umri wa miaka mia moja atachukuliwa kama mtu mdogo. Yeyote ambaye atashindwa kufikia umri wa miaka mia moja atachukuliwa kama laana.
Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.
21 Watazijenga nyumba na kukaa huko, na watapanda mizabibu na kula matunda yake.
Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
22 Hawatajenga nyumba na wengine waishi humo; hawatapanda, na wengine wale; maana kama siku za miti zitakuwa siku za watu wangu. Watu wangu wataishi kikamilifu kwa kazi ya mikono yao.
Tsy hanao trano hitoeran’ olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin’ olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron’ ny hazo ny andron’ ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ ny asan’ ny tanany.
23 Hawatafanya kazi bure, wala kuzaa kwa kusikitishwa. Maana ni watoto wa waliobarikiwa na Yahwe, pamoj na koo zao.
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak’ izay notahin’ i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.
24 Kabla hawajaita, nitaitika; na wakati wanaendele kuzungumza, ntisikia. Mbwa mwitu na kondoo watachungwa pamoja, na simba atakula majani kama ng'ombe; lakini udongo utakuwa chakula cha nyoka.
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
25 Hawataumiza tena wala kuharibujuu ya mlima wangu mtakatifu,'' asema Yahwe.
Ny amboadia sy ny zanak’ ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy, hoy Jehovah.

< Isaya 65 >