< Kutoka 12 >

1 Yahweh akasema na Musa na Aruni katika nchi ya Misri. Alisema,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona teo amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 “Kwako wewe, mwezi huu utakuwa mwanzo wa miezi, mwezi wa kwanza wa mwaka kwako.
Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ ny taona ho anareo izy.
3 Liambie kusanyiko la Israeli, 'Siku ya kumi mwezi huu kila mtu lazima achukuwe mwana kondoo au mbuzi mdogo wa kwake, kila familia ifanye hivi, mwana kondoo kwa kila nyumba.
Mitenena ianareo amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ ny andro fahafolo amin’ ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ ondry iray avy no ho an’ ny isan-trano;
4 Kama hiyo nyumba ni ndogo sana kwa mwana kondoo, mwanaume na jirani yake wachukuwe mwana kondoo au nyama ya mbuzi mdogo ambayo itatosha watu. Lazima iwe yatosha kwa kila mtu kula, kwaiyo lazima wachukuwe nyama ya kutosha kulisha wote.
ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ ondry.
5 Mwana kondoo wako au mbuzi wako mdogo lazima asiwe na upungufu, dume mwenye mwaka mmoja. Unaweza kuchukuwa mmoja wa kondoo au mbuzi.
Zanak’ ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ ny ondry na amin’ ny osy izy;
6 Lazima umtunze mpaka siku ya kumi na nne ya huo mwezi. Kisha kusanyiko lote la Israeli lazima liwaue hawa wanyama jioni.
ary hotehirizinareo izy hatramin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity; dia hamono azy amin’ ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
7 Lazima uchukuwe baadhi ya damu na uweke kwenye sehemu mbili za mihimili ya milango na juu ya fremu za milango ambapo utalia hizo nyama.
Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ ny tolam-baravarana roa sy amin’ ny tataom-baravaran’ ny trano izay hihinanany azy.
8 Lazima ule hizo nyama usiku, baada ya kuchoma kwenye moto. Kula na mkate ulio andaliwa kwa hamira, pamoja na mimea michungu.
Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ ny afo no hihinanany azy mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ ny anana mangidy.
9 Usiile mbichi au imechemshwa kwenye maji. Badala yake, choma kwenye moto na kichwa chake, miguu na sehemu za ndani.
Aza hanina manta na voahandro amin’ ny rano izy, fa atsatsiho amin’ ny afo mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
10 Usiache ata kidogo kubaki mpaka asubui. Lazima uchome chochote kilicho baki asubui.
Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ ny afo.
11 Hivi ndivyo wa paswa kula: ukiwa umefunga mkanda wako, umevaa viatu vyako, na gongo lako mkononi mwako. Lazima ule kwa haraka. Ni Pasaka ya Yahweh.
Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah.
12 Yahweh anasema hili: Nitaenda katika nchi ya Misri usiku na kushambulia wazaliwa wote wa kwanza wa wanadamu na wanyama katika nchi ya Misri. Nitaleta pigo kwa miungu yote ya Misri. Mimi ni Yahweh.
Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
13 Damu itakuwa ishara kwenye nyumba zenu ya kuja kwangu. Nitakapo ona damu, nitapita nitakapo shambulia nchi ya Misri. Ili pigo halitawajia na kuwaharibu.
Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
14 Hii siku itakuwa kumbukumbu kwenu, ambayo lazima muadhimishe kama sherehe ya Yahweh. Itakuwa sheria kwenu pia, kwenye vizazi vyote vya watu wenu, ambayo mwapaswa kuadhimisha leo.
Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
15 Utakula mkate bila hamira wakati wa siku saba. Siku ya kwanza utaondoa hamira kwenye nyumba zenu. Yeyote atakaye kula mkate uliyotiwa chachu kwanzia siku ya kwanza mpaka siku ya saba, huyo mtu lazima akatwe kutoka Israeli.
Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
16 Siku ya kwanza kutakuwa na kusanyiko lililo tengwa kwa ajili yangu, na siku ya saba kutakuwa na kusanyiko kama hilo. Hakuna kazi itakayo fanywa hizi siku, zaidi ya kupika kila mmoja ale. Hiyo ndio kazi pekee itakayo fanywa na wewe.
Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo ary amin’ ny andro fahafito koa hisy fivoriana masìna; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
17 Lazima uadhimishe hii Sherehe ya Mkate Usiotiwa Chachu kwasababu ni siku hii ambayo nitawaleta watu wako, makundi yaliyo na silaha, kwa makundi yaliyo na silaha, kutoka nchi ya Misri. Lazima uadhimishe hii siku kwa vizazi vyote vya watu wako. Hii itakuwa sheria kwako.
Ary hitandrina ny andron’ ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
18 Lazima ule mkate usiotiwa chachu kuanzia jioni ya siku ya kumi na nne ya mwezi wa kwanza wa mwaka, mpaka jioni ya siku ya ishirini na moja ya mwezi.
Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ ny volana.
19 Wakati wa hizi siku, nyumbani mwenu kusipatikane na hamira. Yeyote atakaye kula mkate ulio andaliwa na hamira lazima akatwe kutoka jamii ya Israeli, huyo mtu awe ni mgeni au mtu aliye zaliwa nchini mwenu.
Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonan’ ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
20 Hautakula chochote kilicho andaliwa na hamira. Popote utapo ishi, lazima ule mkate usio na hamira.”'
Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’ izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
21 Kisha Musa akawaita viongozi wote wa Israeli na kuwaambia, “Nendeni na mchague mwana kondoo au mbuzi watakao tosha kulisha familia zenu na muue mwana kondoo wa pasaka.
Dia nampanalain’ i Mosesy ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
22 Kisha chukua jani la hisopu na uchovye kwenye damu itakayo kuwa kwenye beseni. Paka damu iliyo kwenye beseni juu ya fremu ya mlango na kwenye mihimili miwili ya mlango. Hakuna ata mmoja atakaye toka nje ya mlango wake mpaka asubui.
Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro.
23 Kwa kuwa Yahweh atapita kushambulia Wamisri. Atakapo ona damu juu ya fremu ya mlango na kwenye mihimili miwili ya mlango, atapita mlango wako na ata ruhusu mharibifu kuja nyumbani kwenu kuwashambulia.
Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
24 Lazima uadhimishe hili tukio. Hili litakuwa daima sheria kwako na kwa uzao wenu.
Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an’ ny taranakareo mandrakizay.
25 Utakapo ingia nchi Yahweh atakayo kupa, kama alivyo ahidi kufanya, lazima uadhimishe hili tendo la ibada.
Ary rehefa tonga any amin’ ny tany izay homen’ i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
26 Watoto wako watakapo kuuliza, 'Hili tendo la ibada lina maana gani?'
Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’ izao fanompoana ataonareo izao?
27 kisha lazima useme, 'Ni sadaka ya Pasaka ya Yahweh, kwasababu Yahweh kapita nyumba za Waisraeli Misri alipo washambulia Wamisri. Aliweka nyumba zetu huru.”' Kisha watu wakamsujudia Yahweh.
dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’ i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
28 Waisraeli wakaenda na kufanya kama Yahweh alivyo waamuru Musa na Aruni.
Ary dia nandeha ny Zanak’ Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
29 Ikawa usiku wa manane kuwa Yahweh akawashambulia wazaliwa wote wa kwanza wa nchi ya Misri, kuanzia mzaliwa wa kwanza wa Farao, aliye keti kiti chake cha enzi, mzaliwa wa kwanza wa mtu aliye gerezani na wazaliwa wote wa kwanza wa mifugo.
Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
30 Farao akaamka usiku - yeye, watumishi wake, na Wamisri. Palikuwa na kelele za maombolezo Misri, kwa kuwa hakukuwa na nyumba ambayo hamna mtu hakufa.
Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
31 Farao akamuita Musa na Aruni usiku na kusema, “Inuka, tokeni miongoni mwa watu wangu, nyie pamoja na Waisraeli. Nenda, mmuabudu Yahweh, kama mlivyo sema mnataka kufanya.
Dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’ Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo.
32 Chukuweni ng'ombe zenu na kondoo zenu, kama mlivyo sema, na muende, na pia mnibariki.”
Ary ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
33 Wamisri walikuwa na haraka ya kuwa ondoa nchini, kwa kuwa walisema, “Sisi ni watu tuliokufa.”
Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin’ ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
34 Watu wakachukuwa ngano yao pasipo kuongeza hamira yeyote. Bakuli zao zakukandia ngano zilifungiwa kwenye nguo zao na kwenye mabega yao.
Dia nentin’ ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin’ ny lambany teny an-tsorony.
35 Watu Waisraeli walifanya kama Musa alivyo waambia. Waliwaomba Wamisri vitu vya fedha, vitu vya dhahabu, na nguo.
Ary ny Zanak’ Isiraely nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ ny Egyptiana.
36 Yahweh aliwafanya Wamisri na shauku ya kuwapendeza Waisraeli. Hivyo Wamisri waliwapa chochote walicho waomba. Katika hili, Waisraeli waliwachukulia vingi Wamisri.
Ary nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
37 Waisraeli wakasafiri kutoka Ramesi kwenda Sakothi. Walikuwa na idadi ya wanaume 600, 000 kwa miguu, kuongezea kwa wanawake na watoto.
Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
38 Mchanganyiko wa kundi la wasio Waisraeli pia walienda nao, pamoja na ng'ombe na kondoo, idadi kumbwa ya mifugo.
Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’ osy sy omby, dia fananana be indrindra.
39 Walioka mikate na unga wa ngano wenye hamira walio utoa Misri. Ulikuwa hauna hamira kwasababu waliondolewa Misri na hawakuweza chelewa kuandaa chakula.
Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
40 Waisraeli waliishi Misri kwa miaka 430.
Ary ny andro nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
41 Baada ya miaka 430, siku hiyo hiyo, majeshi yote ya Yahweh yalio jiami waliondoka kutoka nchi ya Misri.
Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta.
42 Huu ulikuwa usiku wakuwa macho, ili Yahweh awatoe kutoka nchi ya Misri. Huu ulikuwa usiku wa Yahweh wa kuadhimishwa na Waisraeli wote na watu wa vizazi vyao vyote.
Alina notandreman’ i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’ i Jehovah ka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely rehetra hatramin’ ny taranany fara mandimby.
43 Yahweh akamwambia Musa na Aruni, “Hii ni sheria ya Pasaka: hakuna mgeni anaye ruhusiwa kuila.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
44 Walakini, kila mtumwa wa Misraeli, aliye nunuliwa kwa pesa, anaeza kula baada ya kutahiriwa.
Ary ny andevolahin’ ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
45 Wageni na watumishi waajiriwa hawapaswi kula chakula chochote.
Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
46 Chakula chapaswa kuliwa ndani ya nyumba moja. Hauruhusiwi kubeba nyama yeyote nje ya nyumba, na hauruhusiwi kuvunja mfumba wowote.
Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
47 Jamii zote za Israeli za paswa kuadhimisha sherehe.
Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
48 Kama mgeni anaishi na wewe na anataka kuadhimisha Pasaka kwa Yahweh, ndugu zake wote wa kiume wapaswa kutahiriwa. Kisha anaeza kuja na kuadhimisha. Atakuwa kama watu walio zaliwa kwenye nchi. Walakini, hakuna mtu asiye tahiriwa anaruhusiwa kula chakula chochote.
Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
49 Sheria hii hii itahusika kwa mzaliwa wa asili na mgeni anayeishi miongoni mwenu.”
Lalàna iray no ho amin’ ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
50 Waisraeli wote walifanya kama Yahweh alivyo waamuru Musa na Aruni.
Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
51 Ikaja kuwa siku hiyo Yahweh akawaleta Israeli kutoka nchi ya Misri kwa makundi yalio jiami.
Ary tamin’ izany andro izany indrindra no nitondran’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.

< Kutoka 12 >