< Torati 29 >

1 Haya ni maneno ambayo Yahwe alimuamuru Musa kuwaambia watu wa Israeli katika nchi ya Moabu, maneno ambayo yaliongezwa katika agano alilolifanya pamoja nao kule Horebu.
IZAO no tenin’ ny fanekena izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy hatao amin’ ny Zanak’ Isiraely tany amin’ ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
2 Musa aliwaita Waisraeli wote na kuwaambia, “Mmeona kila kitu ambacho Yahwe alifanya mbele ya macho yenu katika nchi ya Misri kwa Farao, kwa watumishi wake wote, na kwa nchi yake yote –
Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah teo imasonareo tany amin’ ny tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
3 mateso makubwa ambayo macho yenu yaliona, ishara, pamoja na ile miujiza mikubwa.
dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
4 Lakini mpaka leo Yahwe hajawapatia moyo wa kufahamu, macho ya kuona, au masikio ya kusikia.
Nefa tsy nomen’ i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.
5 Nimewaongoza kwa miaka arobaini jangwani; mavazi yenu hayakuchakaa juu yenu, na ndala zenu hazikuchakaa miguuni mwenu.
Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin’ ny tongotrao ny kapanao.
6 Hamkula mkate wowote, na wala hamkunywa divai yoyote au kinywaji chochote chenye ulevi, ili kwamba muweze kujua kuwa mimi ni Yahwe Mungu wenu.
Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
7 Mlipokuja mahali hapa, Sihoni, mfalme wa Heshboni, na Ogu, mfalme wa Bashani, walikuja dhidi yetu kutupiga, na tukawapiga.
Ary nony tonga tamin’ ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
8 Tulichukua ardhi yao na kuwapa kama urithi Wareubeni, kwa Wagadi, na kwa nusu ya kabila ya Manase.
Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
9 Kwa hiyo shikilia maneno ya agano hili na kuyatenda, ili ufanikiwe katika kila kitu ufanyacho.
Dia tandremo ny tenin’ izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin’ izay rehetra ataonareo.
10 Nyie wote, mnasimama leo, mbele ya Yahwe Mungu wenu; machifu wenu, makabila yenu, wazee wenu, na maafisa wenu – wanaume wote wa Israeli,
Hianareo rehetra miseho eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely,
11 watoto wenu, wake zenu, na wageni ambao wamo miongoni wa kambi yenu, kutoka kwa yule anayekata mbao zenu mpaka kwa yule atekaye maji.
ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ ny tobinareo mbamin’ ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
12 Mpo hapa ili kwamba muingie katika agano la Yahwe Mungu wenu na katika kiapo ambacho Yahwe Mungu wako anafanya na wewe leo,
hidiranao amin’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon’ i Jehovah Andriamanitrao aminao anio,
13 ili kwamba awafanye leo kuwa watu wake, na kwamba aweze kuwa Mungu kwa ajili yako, kama alivyonena kwako, na kama alivyoapa kwa mababu zako, kwa Abrahamu, kwa Isaka na kwa Yakobo.
hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin’ ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
14 Kwa maana ninafanya agano hili na kiapo hiki sio na wewe tu –
Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,
15 pamoja kila mtu aliyesimama hapa pamoja nasi leo mbele ya Yahwe Mungu wetu – bali na wale ambao hawapo pamoja nasi leo pia.
fa amin’ izay eto amintsika anio eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika sy amin’ izay tsy eto amintsika anio koa;
16 Unajua jinsi tulivyoishi katika nchi ya Misri, na jinsi tulivyopenya miongoni mwa mataifa ambao uliwapita.
fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin’ ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin’ ny jentilisa;
17 Mmeona sanamu zao zinazokera zilizotengenezwa kwa mbao na mawe, fedha na dhahabu, ambazo zilikuwa miongoni mwenu.
ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy;
18 Hakikisha hakuna kati yenu mwanamume, mwanamke, ukoo, au kabila ambaye moyo wake unamuacha Yahwe Mungu wetu leo, ili kwenda na kuabudu miungu ya mataifa hayo. Hakikisha hakuna kati yenu mzizi utakaozaa nyongo na pakanga.
fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin’ i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr’ ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty;
19 Wakati mtu huyo anaposikia maneno ya laana hii, atajifariji moyoni mwake na kusema, “Nitakuwa na amani, ingawa natembea katika ukaidi wa moyo wangu”. Hii itaangamiza ubichi pamoja na ukavu.
ary raha ren’ izany olona izany ny tenin’ ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin’ ny mangetaheta.
20 Yahwe hatamsamehe, lakini badala yake, hasira ya Yahwe na wivu wake utambanika mtu huyo, na laana zote zilizoandikwa katika kitabu hiki vitakuwa juu yake, na Yahwe ataliondoa jina lake kutoka mbinguni.
Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’ izany lehilahy izany ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ ity boky ity, ka hovonoin’ i Jehovah tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anarany.
21 Yahwe atamuweka kando kwa ajili ya maafa kutoka katika makabila yote ya Israeli, kwa kuzingatia laana zote za agano ambazo zimeandikwa katika kitabu hiki cha sheria.
Dia hosarahin’ i Jehovah amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho amin’ ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin’ ny fanekena izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity.
22 Kizazi kifuatacho, watoto wako watakaoinuka baada yako, na mgeni atakayekuja kutoka nchi ya mbali, watazungumza watakapoona mapigo juu ya nchi hii na magonjwa ambayo Yahwe ameyafanya yawe –
Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin’ ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin’ ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan’ i Jehovah azy
23 na watakapoona kuwa nchi yote imekuwa salfa na chumvi ichomayo, ambapo hakuna kitu kipandwacho au kuzaa matunda, ambapo hapaoti mmea wowote, kama anguko la Sodoma na Gomora, Adma na Seboimu, ambayo Yahwe aliangamiza katika ghadhabu na hasira yake –
fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboïma, izay noravan’ i Jehovah tamin’ ny fahavinirany sy ny fahatezerany
24 watasema kwa pamoja na mataifa mengine, “Kwa nini Yahwe amefanya hili katika nchi hii? Joto ya hasira hii kali inamaanisha nini?”
dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin’ ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’ izao fahatezerana lehibe izao?
25 Kisha watu watasema, “Ni kwa sababu walitelekeza agano la Yahwe, Mungu wa mababu zao, alilofanya nao alipowatoa kutoka Misri,
Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
26 na kwa sababu waliondoka na kutumikia miungu mingine na kuzisujudu, miungu ambayo hawakujiua na ambayo hakuwapatia.
Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;
27 Kwa hiyo hasira ya Yahwe imewaka dhidi ya nchi hii, ili kuleta juu yake laana zote zilizoandikwa katika kitabu hiki.
dia nirehitra tamin’ ity tany ity ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin’ ity boky ity;
28 Yahwe amewang’oa kutoka nchini kwao kwa hasira, kwa ghadhanu, na kwa ghadhabu kali, na kuwatupa katika nchi nyingine, leo.
ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan’ i Jehovah azy tsy ho eo amin’ ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin’ ny tany hafa, tahaka ny amin’ izao anio izao.
29 Mambo ya siri ni ya Yahwe Mungu wetu pekee; lakini mambo yaliyofichuliwa ni ya kwetu milele pamoja na wazawa wetu, ili tufanye maneno yote ya sheria hii.
An’ i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.

< Torati 29 >