< 1 Nyakati 15 >

1 Daudi akajingea nyumba zake katika mji wa Daudi. Akaanda sehemu kwa ajili ya sanduku la Mungu na hema lake.
Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan’ i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an’ ny fiaran’ Andriamanitra.
2 Kisha Daudi akasema, “Walawi pekee ndio watabeba sanduku la Mungu, kwa kuwa walichaguliwa na Yahweh kubeba sanduku la Yahweh, na kumtumikia milele.”
Ary tamin’ izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran’ Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin’ i Jehovah hitondra ny fiaran’ Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
3 Kisha Daudi akakusanya Israeli yote Yerusalemu, kuleta sanduku la Yahweh sehemu aliyo iandaa.
Dia novorin’ i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran’ i Jehovah ho any amin’ ny fitoerana izay namboariny ho azy.
4 Daudi akakusanya uzao wa Aruni na Walawi pamoja.
Ary novorin’ i Davida ny taranak’ i Arona sy ny Levita:
5 Kutoka uzao wa Kohathi, palikuwa na Urieli kiongozi na ndugu zake, wanaume 120.
tamin’ ny taranak’ i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;
6 Kutoka uzao wa Merari, palikuwa na Asaia kiongozi na ndugu zake, wanaume 220.
tamin’ ny taranak’ i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;
7 Kutoka uzao wa Gerishomu, palikuwa na Yoeli kiongozi na ndugu zake, wanaume 130.
tamin’ ny taranak’ i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;
8 Kutoka uzao wa Elizafani, palikuwa na Shemaia kiongozi na ndugu zake, wanaume 200.
tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;
9 Kutoka uzao wa Hebroni, palikuwa na Elieli kiongozi na ndugu zake, wanaume themanini.
tamin’ ny taranak’ i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,
10 Kutoka uzao wa Uzieli, palikuwa na Aminadabu kiongozi na ndugu zake, wanaume 112.
tamin’ ny taranak’ i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin’ ny folo amby zato.
11 Daudi akaagiza Zadoki kuitwa na Abiathari kuhuani, na Walawi Urieli, Asaia, Yoeli, Shemaia, Elieli, na Aminadabu.
Ary Davida niantso an’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
12 Akasema, “Nyinyi ni viongozi wa familia za Kilawi. Jiwekeni wakfu, nyie na ndugu zenu, ilikwamba mlete sanduku la Yahweh, Mungu wa Israeli, kwenye sehemu niliyo iandaa.
ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin’ ilay namboariko ho azy.
13 Mara ya kwanza hamkubeba. Ndio maana Yahweh Mungu wetu akawa na hasira kwetu, kwa kuwa hatuku mtafuta wala kutii amri yake.”
Satria tsy ianareo no tamin’ ilay teo, dia nasian’ i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.
14 Hivyo makuhani na Walawi waka jiweka wakfu iliwaweze kuleta sanduku la Yahweh, Mungu wa Israeli.
Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
15 Walawi wakabeba sanduku la Mungu katika mabega yao na nguzo, kama Musa alivyo amuru-kwa kufuata sheria zilizo tolewa na Yahweh.
Ary ny Levita nilanja ny fiaran’ Andriamanitra tamin’ ny hazo, tahaka ny nandidian’ i Mosesy araka ny tenin’ i Jehovah.
16 Daudi akazungumza na viongozi wa Walawi kuwapangia ndugu zao kuwa wana muziki wenye vyombo vya muziki, vyombo vya uzi, vinubi na upatu, kwa kupiga kwa sauti na furaha wakipaza sauti zao.
Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.
17 Hivyo Walawi wakamchagua Hemani mwana wa Yoeli na mmoja wa kaka zake, Asafu mwana wa Berekia. Pia walimchagua ndugu wa uzao wa Merari na Ethani mwana wa Kushaia.
Ka dia notendren’ ny Levita Hemana, zanak’ i Joela; ary tamin’ ny rahalahiny dia Asafa, zanak’ i Berekia; ary tamin’ ny taranak’ i Merary rahalahiny dia Etana, zanak’ i Kosaia;
18 Pamoja nao walikuwa ndugu wa daraja la pili: Zekarai, Yaazieli, Shemiramothi, Yehieli, Uni, Eliabu, Benaia, Maasaeia, Matithia, Elifelehu, Mikineaia, Obedi Edomu, na Yeieli, mlinzi wa lango.
ary naman’ ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.
19 Wanamuziki Hemani, Asafu, na Ethani walichaguliwa kupiga upatu wa shaba.
Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
20 Zekaria, Azieli, Shemiramothi, Yehieli, Uni Eliabu, Maaseia, na Benaia walicheza vyombo vya uzi.
Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin’ ny Alamota.
21 Matithia, Elifelehu, Mikineia, Obedi Edomu, Yeieli, na Azazia waliongoza njia na vinubi.
Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ ny Seminita ho mpitarika.
22 Kenania, kiongozi wa Walawi, aliongoza uimbaji sababu alikuwa mwalimu wa muziki.
Ary Kenania, lehiben’ ny Levita, no tonian’ ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.
23 Berekia na Elikana walikuwa walinzi wa sanduku.
Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
24 Shebania, Yoshafati, Nethanieli, Amasai, Zekaria, Benaia, na Eliezeri, makuhani, walikuwa wa kupuliza matarumbeta mbele ya sanduku la Mungu. Obedi Edomu na Yehia walikuwa walinzi wa sanduku.
Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
25 Hivyo Daudi, wazee wa Israeli, na wakuu wa maelfu wakaenda kuchukua sanduku la agano la Yahweh kutoka nyumba ya Obedi Edomu kwa shangwe.
Ary Davida sy ny loholon’ ny Isiraely mbamin’ ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy tao an-tranon’ i Obed-edoma tamin’ ny fifaliana.
26 Wakati Mungu alipo wasaidia Walawi kubeba sanduku la agano la Yahweh, walitoa ng'ombe saba na mbuzi
Ary rehefa nomban’ Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia namono vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.
27 Daudi alivishwa joho safi la maridadi, pamoja na Walawi walio beba sanduku, waimbaji, na Kenania, kiongozi wa nyimbo na waimbaji. Daudi alivaa juu ya joho lake naivera.
Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian’ ny fitondrana, mbamin’ ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.
28 Hivyo Israeli yote wakaleta sanduku la agano la Yahweh na kelele za shangwe, na sauti za tarumbeta, ngoma za saani, na vyombo vya uzi na vinubi.
Toy izany no nampakaran’ ny Isiraely rehetra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tamin’ ny fihobiana sy ny feon’ ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin’ ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
29 Lakini sanduku la Yahweh lilivyokuja kwa mji wa Daudi, Mikali binti wa Sauli, alitazama nje ya dirisha, Akamuona Mfalme Daudi akicheza na kusherehekea. Kisha akamdharau moyoni mwake.
Ary nony tonga tao an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.

< 1 Nyakati 15 >