< Luka 10 >

1 Baada ya hayo, Bwana akawachagua wengine sabini na wawili, akawatuma wawili wawili katika kila mji na kila sehemu aliyokusudia kwenda baadaye.
Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
2 Akawaambia, “Mavuno ni mengi, lakini watendakazi ni wachache. Kwa hiyo mwombeni Bwana wa mavuno, ili apeleke watendakazi katika shamba lake la mavuno.
Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’ izany mangataha amin’ ny Tompon’ ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.
3 Haya! nendeni. Ninawatuma kama wana-kondoo katikati ya mbwa mwitu.
Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ ondry eo ampovoan’ ny amboadia.
4 Msichukue mkoba, wala mfuko, wala viatu, na msimsalimu mtu yeyote njiani.
Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
5 “Mkiingia katika nyumba yoyote, kwanza semeni, ‘Amani iwe kwenu.’
Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ ity trano ity.
6 Kama kuna mtu wa amani humo, basi amani yenu itakuwa juu yake. La sivyo, itawarudia.
Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.
7 Kaeni katika nyumba hiyo, mkila na kunywa kile watakachowapa, kwa sababu kila mtendakazi anastahili malipo yake. Msihamehame kutoka nyumba hadi nyumba.
Ary mitoera ao amin’ izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
8 “Mkienda katika mji na watu wake wakawakaribisha, kuleni chochote kiwekwacho mbele yenu,
Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo.
9 waponyeni wagonjwa waliomo na waambieni: ‘Ufalme wa Mungu umekaribia.’
Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin’ ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
10 Lakini mkiingia katika mji, nao hawakuwakaribisha, tokeni mwende katika barabara zake mkaseme:
Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin’ ny lalambe, ka lazao hoe:
11 ‘Hata mavumbi ya mji wenu yaliyoshikamana na miguu yetu, tunayakungʼuta dhidi yenu. Lakini mjue kwamba Ufalme wa Mungu umekaribia.’
Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin’ ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan’ Andriamanitra.
12 Ninawaambia, itakuwa rahisi zaidi kwa Sodoma kustahimili katika siku ile kuliko mji ule.
Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Sodoma amin’ izany andro izany noho ny ho amin’ izany tanàna izany.
13 “Ole wako Korazini! Ole wako Bethsaida! Kwa kuwa kama miujiza iliyofanyika kwenu ingefanyika Tiro na Sidoni, miji hiyo ingekuwa imetubu zamani, kwa kuvaa magunia na kujipaka majivu.
Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin’ ny lavenona.
14 Lakini itakuwa rahisi zaidi kwa Tiro na Sidoni kustahimili katika siku ya hukumu, kuliko ninyi.
Fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
15 Nawe, Kapernaumu, je, utainuliwa hadi mbinguni? La hasha, utashushwa mpaka kuzimu.” (Hadēs g86)
Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao. (Hadēs g86)
16 “Yeye awasikilizaye ninyi anisikiliza mimi; naye awakataaye ninyi amenikataa mimi. Lakini yeye anikataaye mimi amkataa yeye aliyenituma.”
Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
17 Wale sabini na wawili wakarudi kwa furaha, na kusema, “Bwana, hata pepo wachafu wanatutii kwa jina lako.”
Ary ny fito-polo lahy niverina tamin’ ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.
18 Yesu akawaambia, “Nilimwona Shetani akianguka kutoka mbinguni kama umeme wa radi.
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra.
19 Tazama nimewapa mamlaka ya kukanyaga nyoka na nge na juu ya nguvu zote za adui; wala hakuna kitu chochote kitakachowadhuru.
Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
20 Basi, msifurahi kwa kuwa pepo wachafu wanawatii, bali furahini kwa kuwa majina yenu yameandikwa mbinguni.”
Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.
21 Wakati huo Yesu akashangilia katika Roho Mtakatifu, akasema, “Nakuhimidi Baba, Bwana wa mbingu na nchi, kwa kuwa umewaficha mambo haya wenye hekima na wenye elimu, nawe ukawafunulia watoto wadogo. Naam, Baba, kwa kuwa hivyo ndivyo ilivyokupendeza.
Ary tamin’ izany ora izany dia ravoravo tamin’ ny Fanahy Masìna Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.
22 “Nimekabidhiwa vitu vyote na Baba yangu. Hakuna mtu amjuaye Mwana ni nani ila Baba, wala hakuna amjuaye Baba ni nani ila Mwana na yeyote ambaye Mwana anapenda kumfunulia.”
Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
23 Basi Yesu akawageukia wanafunzi wake akanena nao faraghani, akawaambia, “Heri macho yanayoona yale mambo mnayoyaona.
Ary nitodika tamin’ ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.
24 Kwa maana nawaambia, manabii wengi na wafalme walitamani kuona yale mnayoyaona lakini hawakuyaona, na walitamani kusikia yale mnayoyasikia lakini hawakuyasikia.”
Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
25 Wakati huo mtaalamu mmoja wa sheria alisimama ili kumjaribu Yesu, akamuuliza, “Mwalimu, nifanye nini ili niurithi uzima wa milele?” (aiōnios g166)
Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios g166)
26 Yesu akamjibu, “Imeandikwaje katika Sheria? Kwani unasoma nini humo?”
Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?
27 Akajibu, “‘Mpende Bwana Mungu wako kwa moyo wako wote, kwa roho yako yote, kwa nguvu zako zote, na kwa akili zako zote’; tena, ‘Mpende jirani yako kama unavyojipenda mwenyewe.’”
Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
28 Yesu akamwambia, “Umejibu vyema. Fanya hivyo nawe utaishi.”
Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
29 Lakini yule mtaalamu wa sheria, akitaka kujionyesha kuwa mwenye haki, akamuuliza Yesu, “Jirani yangu ni nani?”
Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
30 Yesu akamjibu akasema, “Mtu mmoja alikuwa akiteremka kutoka Yerusalemu kwenda Yeriko, naye akaangukia mikononi mwa wanyangʼanyi. Wakampiga, wakaondoka, wakamwacha akiwa karibu kufa.
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon’ ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.
31 Kuhani mmoja alikuwa akipitia njia ile, alipomwona huyo mtu, akapita upande mwingine, akamwacha hapo barabarani.
Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin’ izany lalana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy.
32 Vivyo hivyo, Mlawi mmoja naye alipofika mahali pale, alimwona, akapita upande mwingine, akamwacha hapo barabarani
Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.
33 Lakini Msamaria mmoja aliyekuwa akisafiri alipomwona, alimhurumia.
Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena.
34 Akaenda alipokuwa na akasafisha majeraha yake kwa divai na mafuta, kisha akayafunga. Ndipo akampandisha kwenye punda wake, akampeleka mpaka kwenye nyumba ya wageni na kumtunza.
Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.
35 Kesho yake, yule Msamaria akachukua dinari mbiliakampa yule mwenye nyumba ya wageni na kusema, ‘Mtunze, nami nirudipo nitakulipa gharama yoyote ya ziada uliyotumia kwa ajili yake.’
Ary nony ampitson’ iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.
36 “Ni yupi basi miongoni mwa hawa watatu wewe unadhani ni jirani yake yule mtu aliyeangukia mikononi mwa wanyangʼanyi?”
Iza moa amin’ izy telo lahy no ataonao ho naman’ ilay azon’ ny jiolahy?
37 Yule mtaalamu wa sheria akajibu, “Ni yule aliyemhurumia.” Ndipo Yesu akamwambia, “Nenda, ukafanye vivyo hivyo.”
Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.
38 Ikawa Yesu na wanafunzi wake walipokuwa wakienda Yerusalemu, akaingia kwenye kijiji kimoja ambapo mwanamke mmoja aliyeitwa Martha alimkaribisha nyumbani kwake.
Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin’ ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
39 Martha alikuwa na mdogo wake aliyeitwa Maria, ambaye aliketi chini miguuni mwa Bwana akisikiliza yale aliyokuwa akisema.
Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan’ ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
40 Lakini Martha alikuwa akihangaika na maandalizi yote yaliyokuwa yafanyike. Martha akaja kwa Yesu na kumuuliza, “Bwana, hujali kwamba ndugu yangu ameniachia kazi zote mwenyewe? Basi mwambie anisaidie.”
Fa Marta sahirana tamin’ ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
41 Lakini Bwana akamjibu, “Martha, Martha, mbona unasumbuka na kuhangaika na mengi?
Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
42 Lakini kunahitajika kitu kimoja tu. Maria amechagua kile kilicho bora, wala hakuna mtu atakayemwondolea.”
nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.

< Luka 10 >