< Levítico 27 >

1 Y habló Jehová a Moisés, diciendo:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 Habla a los hijos de Israel, y díles: Cuando alguno hiciere voto a Jehová según la estimación de las personas:
Mltenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an’ i Jehovah izy araka izay hataonao tombany.
3 Tu estimación será, el macho de veinte años hasta sesenta, será tu estimación cincuenta siclos de plata, al siclo del santuario.
Ary ny hataonao tomban’ ny lehilahy hatramin’ ny roa-polo taona ka hatramin’ ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masìna;
4 Y si fuere hembra, la estimación será treinta siclos.
fa raha vehivavy, dia sekely telo-polo kosa no hataonao tombany.
5 Y si fuere de cinco años hasta veinte, tu estimación será, el macho, veinte siclos: y la hembra, diez siclos.
Ary raha hatramin’ ny dimy taona ka hatramin’ ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo no hataonao tomban’ ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
6 Y si fuere de un mes hasta cinco años, tu estimación será, el macho, cinco siclos de plata; y por la hembra, tu estimación será tres siclos de plata.
Ary raha hatramin’ ny iray volana ka hatramin’ ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban’ ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban’ ny zazavavy.
7 Mas si fuere de sesenta años arriba, por el macho tu estimación será quince siclos: y la hembra diez siclos.
Ary raha hatramin’ ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin’ ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
8 Mas si fuere más pobre que tu estimación, entonces será puesto delante del sacerdote, y el sacerdote lo apreciará: conforme a lo que alcanzare la mano del votante lo apreciará el sacerdote.
Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan’ ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan’ ilay nivoady no hanombanan’ ny mpisorona azy.
9 Y si fuere animal de que se ofrece ofrenda a Jehová, todo lo que se diere de él a Jehová, será santo.
Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an’ i Jehovah, dia ho masìna ho an’ i Jehovah izay rehetra omena amin’ izany.
10 No será mudado ni trocado bueno por malo, ni malo por bueno: y si se trocare un animal por otro, él y su trueque será santo.
Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ ny ratsy, na ny ratsy ho solon’ ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masìna Izy sy ny takalony.
11 Y si fuere cualquiera animal inmundo de que no se ofrece ofrenda a Jehová, entonces el animal será puesto delante del sacerdote,
Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an’ i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan’ ny mpisorona izy;
12 Y el sacerdote lo apreciará, sea bueno, o sea malo, conforme a la estimación del sacerdote así será.
ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no izy.
13 Y si lo hubieren de redimir, añadirán su quinto allende de tu estimación.
Fa raha ta-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao tombany.
14 Ítem, cuando alguno santificare su casa por santificación a Jehová, el sacerdote la apreciará, sea buena o sea mala: como el sacerdote la apreciare, así quedará.
Ary raha misy olona manamasìna ny tranony ho an’ i Jehovah, dia hotombanan’ ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon’ ny mpisorona tombany no izy.
15 Mas si el santificante redimiere su casa, añadirá el quinto del dinero de tu estimación sobre ella, y será suya.
Ary raha tian’ ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, dia ho azy ny trano.
16 Ítem, si alguno santificare de la tierra de su posesión a Jehová, tu estimación será conforme a su sembradura, un coro de sembradura de cebada se apreciará en cincuenta siclos de plata.
Ary raha misy olona manamasìna ho an’ Jehovah ny sasany amin’ ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.
17 Y si santificare su tierra desde el año del jubileo, conforme a tu estimación quedará.
Raha misy manamasìna ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany no izy.
18 Mas si después del jubileo santificare su tierra, entonces el sacerdote contará con el dinero conforme a los años que quedaren hasta el año del jubileo, y sacarse ha de tu estimación.
Fa raha misy manamasìna ny taniny ao aorian’ ny Jobily, dia holazain’ ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
19 Y si quisiere redimir la tierra el que la santificó, añadirá el quinto del dinero de tu estimación sobre ella, y quedársele ha.
Ary raha tian’ ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy.
20 Mas si él no redimiere la tierra, y si la tierra se vendiere a otro, no la redimirá más.
Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin’ olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany.
21 Empero cuando saliere el jubileo, la tierra será santa a Jehová como tierra de anatema, la posesión de ella será del sacerdote.
Fa raha afaka amin’ ny Jobily ny tany, dia ho masìna ho an’ i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony.
22 Mas si santificare alguno a Jehová la tierra que él compró, que no era de la tierra de su herencia,
Ary raha misy manamasìna ho an’ i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin’ ny zara-taniny,
23 Entonces el sacerdote contará con él la cantidad de tu estimación hasta el año del jubileo, y aquel día dará tu estimación consagrada a Jehová.
dia holazain’ ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin’ ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin’ izany andro izany izy ho zava-masìna ho an’ i Jehovah.
24 En el año del jubileo volverá la tierra a aquel de quien él la compró, cuya era la herencia de la tierra.
Amin’ ny taona Jobily no hodian’ ny tany amin’ izay nividianana azy, dia ho an’ izay tompon-dova.
25 Y todo lo que apreciares será conforme al siclo del santuario: el siclo tiene veinte óbolos.
Ary ny tombany rehetra izay hataonao dia ho araka ny sekely masìna: ho gera roa-polo ny sekely iray.
26 Empero el primogénito de los animales, que por la primogenitura es de Jehová, nadie lo santificará: sea buey, u oveja, de Jehová es.
Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’ i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an’ i Jehovah izany.
27 Mas si fuere de los animales inmundos, redimirlo han conforme a tu estimación, y añadirán sobre ella su quinto: y si no lo redimieren, venderse ha conforme a tu estimación.
Fa raha biby maloto kosa, dia havotany araka izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga avy fahenina; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany.
28 Empero ningún anatema, que alguno santificare a Jehová de todo lo que tuviere, de hombres, y animales, y de las tierras de su posesión, no se venderá, ni se redimirá. Todo anatema será santidad de santidades a Jehová.
Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan’ ny olona ho an’ i Jehovah amin’ izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masìna dia masìna ho an’ i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
29 Cualquier anatema de hombres que se consagrare, no será redimido: de muerte morirá.
Ny olona rehetra izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa.
30 Ítem, todas las décimas de la tierra de la simiente de la tierra, del fruto de los árboles, de Jehová son: santidad a Jehová.
Ary ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra ao amin’ ny tany, na avy amin’ ny tanimbary, na avy amin’ ny saha, dia an’ i Jehovah; masìna ho an’ i Jehovah izany.
31 Y si alguno quisiere redimir algo de sus décimas, añadirá su quinto sobre ella.
Ary raha misy tian’ ny tompony havotana ny ampahafolon’ ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy.
32 Y toda décima de vacas, o de ovejas de todo lo que pasa de bajo de vara, la décima será santidad a Jehová.
Ary ny amin’ ny ampahafolon’ ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon’ izay rehetra mandalo eo ambanin’ ny tehin’ ny mpiandry, ho masìna ho an’ i Jehovah.
33 No mirará si es bueno, o malo, ni lo trocará: y si lo trocare, ello y su trueque será santificación, no se redimirá.
Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masìna avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.
34 Estos son los mandamientos que mandó Jehová a Moisés para los hijos de Israel en el monte de Sinaí.
Ireo no didy izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ho amin’ ny Zanak’ Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.

< Levítico 27 >