< Juan 4 >

1 Como, pues, el Señor entendió que los Fariseos habían oído que Jesús hacía discípulos, y bautizaba más que Juan,
Koa amin’ izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
2 (Aunque Jesús no bautizaba, sino sus discípulos, )
(kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
3 Dejó a Judea, y se fue otra vez a Galilea.
dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
4 Y era menester que pasase por Samaria.
Ary tsy maintsy mamaky an’ i Samaria Izy.
5 Vino pues a una ciudad de Samaria que se llama Sicar, junto a la heredad que Jacob dio a José su hijo.
Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin’ ny tany izay nomen’ i Jakoba ho an’ i Josefa zanany.
6 Y estaba allí el pozo de Jacob. Jesús, pues, cansado del camino, se sentó así sobre el pozo. Era como la hora de sexta.
Ary teo ilay fantsakan’ i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin’ ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.
7 Viene una mujer de Samaria a sacar agua; y Jesús le dice: Dáme de beber.
Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
8 (Porque sus discípulos habían ido a la ciudad a comprar de comer.)
(Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
9 Y la mujer Samaritana le dice: ¿Cómo tú, siendo Judío, me demandas a mí de beber, que soy mujer Samaritana? Porque los Judíos no se tratan con los Samaritanos.
Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ ny Samaritana.)
10 Respondió Jesús, y le dijo: Si conocieses el don de Dios, y quien es el que te dice: Dáme de beber: tú pedirías de él, y él te daría agua viva.
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
11 La mujer le dice: Señor, no tienes con que sacarla, y el pozo es hondo: ¿de dónde, pues, tienes el agua viva?
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
12 ¿Eres tú mayor que nuestro padre Jacob, que nos dio este pozo, del cual él bebió, y sus hijos, y sus ganados?
Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ ny bibiny no nisotro teto?
13 Respondió Jesús, y le dijo: Cualquiera que bebiere de esta agua, volverá a tener sed;
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
14 Mas el que bebiere del agua que yo le daré, para siempre no tendrá sed; mas el agua que yo le daré, será en él pozo de agua, que salte para vida eterna. (aiōn g165, aiōnios g166)
fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. (aiōn g165, aiōnios g166)
15 La mujer le dice: Señor, dáme esta agua, para que yo no tenga sed, ni venga acá a sacar la.
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
16 Jesús le dice: Vé, llama a tu marido, y ven acá.
Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ.
17 Respondió la mujer, y le dijo: No tengo marido. Dícele Jesús: Bien has dicho: No tengo marido;
Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
18 Porque cinco maridos has tenido; y el que ahora tienes, no es tu marido: esto has dicho con verdad.
fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
19 Dícele la mujer: Señor, paréceme que tú eres profeta.
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
20 Nuestros padres adoraron en este monte, y vosotros decís, que en Jerusalem es el lugar donde es menester adorar.
Ny razantsika nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
21 Dícele Jesús: Mujer, créeme, que la hora viene, cuando ni en este monte, ni en Jerusalem adoraréis al Padre.
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray.
22 Vosotros adoráis lo que no sabéis: nosotros adoramos lo que sabemos; porque la salvación de los Judíos es.
Hianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray, satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena.
23 Mas la hora viene, y ahora es, cuando los verdaderos adoradores adorarán al Padre en espíritu y en verdad; porque también el Padre tales busca que le adoren.
Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
24 Dios es Espíritu, y los que le adoran, en espíritu y en verdad es menester que le adoren.
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana.
25 Dícele la mujer: Yo sé que el Mesías ha de venir, el cual es llamado, el Cristo: cuando él viniere, nos declarará todas las cosas.
Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
26 Dícele Jesús: Yo soy, que hablo contigo.
Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
27 Y en esto vinieron sus discípulos, y se maravillaron de que hablaba con la mujer; mas ninguno le dijo: ¿Qué preguntas, o, qué hablas con ella?
Ary tamin’ izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
28 Entonces la mujer dejó su cántaro, y fue a la ciudad, y dijo a los hombres:
Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ ny olona hoe:
29 Veníd, ved un hombre que me ha dicho todo cuanto he hecho: ¿si es quizá el Cristo?
Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
30 Entonces salieron de la ciudad, y vinieron a él.
Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’ i Jesosy.
31 Entre tanto los discípulos le rogaban, diciendo: Rabbi, come.
Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.
32 Y él les dijo: Yo tengo una comida que comer, que vosotros no sabéis.
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
33 Entonces los discípulos decían el uno al otro: ¿Le ha traído alguien de comer?
Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
34 Díceles Jesús: Mi comida es, que yo haga la voluntad del que me envió, y que acabe su obra.
Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
35 ¿No decís vosotros, que aun hay cuatro meses hasta la siega? He aquí, yo os digo: Alzád vuestros ojos, y mirád las regiones; porque ya están blancas para la siega.
Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
36 Y el que siega recibe salario, y allega fruto para vida eterna; para que el que siembra también goce, y el que siega. (aiōnios g166)
Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. (aiōnios g166)
37 Porque en esto es el dicho verdadero: Que uno es el que siembra, y otro es el que siega.
Ary amin’ izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
38 Yo os he enviado a segar lo que vosotros no labrasteis: otros labraron, y vosotros habéis entrado en sus labores.
Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’ izay nisasarany.
39 Y muchos de los Samaritanos de aquella ciudad creyeron en él por la palabra de la mujer, que daba testimonio, diciendo: Me dijo todo cuanto he hecho.
Ary maro ny Samaritana avy tao amin’ izany tanàna izany no nino an’ i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
40 Mas viniendo los Samaritanos a él, le rogaron que se quedase allí; y se quedó allí dos días.
Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
41 Y creyeron muchos más por la palabra de él.
Ary maro koa no nino noho ny teniny
42 Y decían a la mujer: Ya no creemos por tu dicho; porque nosotros mismos le hemos oído; y sabemos, que verdaderamente éste es el Cristo, el Salvador del mundo.
ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
43 Y dos días después salió de allí, y se fue a Galilea.
Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
44 Porque el mismo Jesús dio testimonio: Que el profeta en su tierra no tiene honra.
Fa ny tenan’ i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin’ ny taniny.
45 Y como vino a Galilea, los Galileos le recibieron, vistas todas las cosas que había hecho en Jerusalem en la fiesta; porque también ellos habían ido a la fiesta.
Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin’ ny andro firavoravoana.
46 Vino pues Jesús otra vez a Cana de Galilea, donde había hecho el vino del agua. Y había un cierto cortesano, cuyo hijo estaba enfermo en Capernaum.
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
47 Este, como oyó que Jesús venía de Judea a Galilea, fue a él, y le rogaba que descendiese, y sanase su hijo; porque se comenzaba a morir.
Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
48 Entonces Jesús le dijo: Si no viereis señales y maravillas, no creeréis.
Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
49 El cortesano le dijo: Señor, desciende antes que mi hijo muera.
Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midìna re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
50 Dícele Jesús: Vé, tu hijo vive. Creyó el hombre a la palabra que Jesús le dijo, y se fue.
Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
51 Y como él iba ya descendiendo, sus criados le salieron a recibir, y le dieron nuevas, diciendo: Tu hijo vive.
Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
52 Entonces él les preguntó a qué hora comenzó a estar mejor; y le dijeron: Ayer a la sétima hora le dejó la fiebre.
Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ ny ora fahafito no nialan’ ny tazo taminy.
53 El padre entonces entendió, que aquella hora era cuando Jesús le dijo: Tu hijo vive; y creyó él, y toda su casa.
Koa fantatry ny rainy fa tamin’ izay indrindra no ora nanaovan’ i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ ny ankohonany rehetra.
54 Este segundo milagro volvió Jesús a hacer cuando vino de Judea a Galilea.
Izany no famantarana faharoa nataon’ i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.

< Juan 4 >