< Isaías 41 >

1 Escuchádme islas, y esfuércense los pueblos: alléguense, y entonces hablen: estemos juntamente a juicio.
Mangìna hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin’ ny fitsarana.
2 ¿Quién despertó del oriente la justicia, y le llamó para que le siguiese? entregó delante de él naciones, e hízole enseñorear de reyes: como polvo los entregó a su espada, y como hojarascas arrebatadas a su arco.
Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ ny fahamarinana tamin’ ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?
3 Siguiólos; pasó en paz por camino por donde sus pies nunca habían entrado.
Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin’ izay lalana tsy mbola nodiavin’ ny tongony.
4 ¿Quién obró, e hizo? ¿Quién llama las generaciones desde el principio? Yo Jehová primero, y yo mismo con los postreros.
Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
5 Las islas vieron, y tuvieron temor: los términos de la tierra se espantaron: congregáronse, y vinieron.
Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
6 Cada cual ayudó a su cercano, y dijo a su hermano: Esfuérzate.
Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin’ ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
7 El carpintero animó al platero, y el que alisa con martillo al que batía en el yunque, diciendo: Buena es la soldadura. Y afirmólo con clavos, porque no se moviese.
Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin’ ny tantanana nampahery izay nively teo amin’ ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin’ ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
8 Mas tú Israel, siervo mío, Jacob a quien yo escogí, simiente de Abraham mi amigo.
Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak’ i Abrahama sakaizako,
9 Porque te eché mano de los extremos de la tierra, y de sus principales te llamé, y te dije: Mi siervo serás tú; te escogí, y no te deseché.
Hianao izay efa notantanako avy tany amin’ ny faran’ ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
10 No temas, que yo soy contigo: no desmayes, que yo soy tu Dios: que te esfuerzo: siempre te ayudaré, siempre te sustentaré con la diestra de mi justicia.
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ ny tanana ankavanan’ ny fahamarinako Aho.
11 He aquí que todos los que se enojan contra ti, se avergonzarán, y serán confusos: serán como nada: los que contigo contendieren, perecerán.
Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
12 Mirarás por ellos, y no los hallarás: los que tienen contienda contigo, serán como nada; y los que contigo tienen pendencia, como cosa que no es.
Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
13 Porque yo Jehová soy tu Dios, que te traba de tu mano derecha, y te dice: No temas, yo te ayudé.
Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
14 No temas gusano de Jacob, apocados de Israel; yo te socorrí, dice Jehová, y tu Redentor el Santo de Israel.
Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.
15 He aquí que yo te he puesto por trillo, trillo nuevo, lleno de dientes: trillarás montes, y molerlos has; y collados tornarás en tamo.
Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
16 Aventarlos has, y el viento los llevará, y el torbellino los esparcirá. Tu, empero, exultarás en Jehová: en el Santo de Israel te glorificarás.
Hikororoka azy ianao, ka hopaohin’ ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’ i Jehovah, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no ho reharehanao.
17 Los afligidos y menesterosos buscan las aguas, que no hay: su lengua se secó de sed: yo Jehová los oiré: yo el Dios de Israel no los desampararé.
Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
18 En los cabezos altos abriré ríos, y fuentes en mitad de los llanos: tornaré el desierto en estanques de aguas; y la tierra seca en manederos de aguas.
Hampiboika renirano ao amin’ ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
19 Daré en el desierto cedros, espinos, arrayanes, y olivas: pondré en la soledad hayas, olmos, y álamos juntamente:
Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay,
20 Porque vean, y conozcan, y adviertan, y entiendan todos, que la mano de Jehová hace esto; y que el Santo de Israel lo creó.
Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan’ i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no nahary izany.
21 Alegád por vuestra causa, dice Jehová: traed vuestros fundamentos, dice el Rey de Jacob.
Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan’ i Jakoba.
22 Traigan, y anúnciennos lo que ha de venir: dígannos lo que ha pasado desde el principio, y pondremos nuestro corazón: y sepamos su postrimería, y hacédnos entender lo que ha de venir.
Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay.
23 Dádnos nuevas de lo que ha de ser después, para que sepamos que vosotros sois dioses: o a lo menos hacéd bien o mal, para que tengamos que contar, y juntamente nos maravillemos.
Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
24 He aquí que vosotros sois de nada, y vuestras obras de vanidad: abominación os escogió.
Indro, ianareo dia naman’ ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman’ ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
25 Del norte le desperté, y vendrá: del nacimiento del sol llamará en mi nombre; y vendrá sobre príncipes como sobre lodo, y como el ollero pisa el barro.
Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
26 ¿Quién dio nuevas desde el principio, para que sepamos; y de antes, y diremos: Justo es? Cierto no hay quien lo anuncie, cierto no hay quien lo enseñe, cierto no hay quien oiga vuestras palabras.
Iza no nitory izany hatramin’ ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
27 Yo soy el primero que he enseñado estas cosas a Sión, y a Jerusalem di la nueva.
Izaho no voalohany Izay milaza amin’ i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’ i Jerosalema.
28 Miré, y no había ninguno; y pregunté de estas cosas, y ningún consejero hubo: les pregunté, y no respondieron palabra.
Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.
29 He aquí, todos son iniquidad; y las obras de ellos nada: viento y vanidad sus vaciadizos.
Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny an-idina.

< Isaías 41 >