< Книга пророка Захарии 11 >

1 Разверзи, Ливане, двери твоя, и да пояст огнь кедры твоя:
Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ ny afo ny sederanao
2 да плачевопльствит питис, зане паде кедр, яко вельможи вельми обеднеша. Восплачевопльствите, дуби Васанитидстии, яко посечеся дубрава насажденная.
Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
3 Глас плачущих пастырей, яко возбедствова величие их: глас рыкающих львов, яко озлоблено бысть шатание Иорданово.
Injay! fidradradradran’ ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron’ ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana
4 Сице глаголет Господь Вседержитель: пасите овцы заколения,
Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
5 яже стяжавшии закалаху и не раскаявахуся, и продающии я глаголаху: благословен Господь, и обогатихомся: и пастырие их не печахуся ни чимже о них.
dia ireo vonoin’ ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy
6 Сего ради не пощажду ктому на живущих на земли, глаголет Господь: и се, Аз предам человеки, коегождо в руце искреннему его и в руце царю своему: и изсекут землю, и не имам изяти от руки их.
Fa tsy hiantra ny mponina amin’ ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan’ ny namany sy samy ho eo an-tanan’ ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin’ ny tànany Aho.
7 И упасу овцы заколения в земли Ханаани: и прииму Себе два жезла, единаго нарекох доброту, а другаго нарекох уже, и упасу овцы.
Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
8 И погублю три пастыри в месяц един, и отягчает душа Моя на ня: ибо души их рыкаху на Мя.
Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin’ ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny.
9 И рех: не имам пасти вас: умирающее да умрет, и изчезающее да изчезнет, и прочая да пояст кийждо плоть ближняго своего.
Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ ny namany avy.
10 И прииму жезл Мой добрый и отвергу его еже разорити завет Мой, егоже завещах ко всем людем:
Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ ny firenena rehetra.
11 и разорится в день оный, и уразумеют Хананее овцы хранимыя Мне, зане слово Господне есть.
Ary tapaka tamin’ izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin’ i Jehovah izany.
12 И реку к ним: аще добро пред вами есть, дадите мзду Мою, или отрецытеся. И поставиша мзду Мою тридесять сребреник.
Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
13 И рече Господь ко мне: вложи я в горнило и смотри, аще искушено есть, имже образом искушен бых о них. И приях тридесять сребреник и вложих их в храм Господень в горнило.
Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin’ ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin’ ny mpanefy tanimanga tao an-tranon’ i Jehovah.
14 И отвергох жезл вторый уже, еже разорити завет иже посреде Иуды и посреде Израиля.
Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian’ i Joda sy Isiraely.
15 И рече Господь ко мне: еще приими себе сосуды пастырски, пастыря неискусна:
Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ ny mpiandry ondry adala.
16 зане, се, Аз воздвигну пастыря на землю: погибающаго не посетит и расточеннаго не имать взыскати, и сокрушеннаго не имать изцелити и здраваго не имать направити, и мяса избранных пояст и глезны их извиет.
Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
17 О, пасущии суетная и оставльшии овец! Мечь на мышцу его и на око ему десное: мышца его изсыхающи изсхнет, и око ему десное ослепая ослепнет.
Lozan’ ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.

< Книга пророка Захарии 11 >