< Книга пророка Иеремии 7 >

1 Слово, еже бысть ко Иеремии от Господа, глаголющее:
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
2 стани во вратех дому Господня и проповеждь тамо слово то и глаголи: слышите слово Господне, вся Иудеа, ходящии сквозе врата сия, да поклонитеся Господу:
Mitsangana eo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah.
3 сия глаголет Господь Сил, Бог Израилев: исправити пути вашя и начинания ваша, и вселю вы на месте сем.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ ity tany ity ianareo.
4 Не надейтеся на себе во словесех лживых, понеже весьма не упользуют вас, глаголюще: храм Господень, храм Господень, храм Господень есть.
Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’ i Jehovah, tempolin’ i Jehovah, Tempolin’ i Jehovah ity.
5 Яко аще исправляюще исправите пути ваша и умышления ваша, и творяще сотворите суд посреде мужа и посреде искренняго его,
Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin’ olona amin’ ny namany ianareo,
6 и пришелцу и сиру и вдовице не сотворите насилия, и крове неповинныя не излиете на месте сем, и вслед богов чуждих не пойдете на зло вам,
Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin’ ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,
7 вселю вас на месте сем, в земли, юже дах отцем вашым от века даже и до века.
Dia hamponeniko amin’ ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin’ ny tany nomeko ny razanareo, hatramin’ ny ela ka ho mandrakizay.
8 Аще же вы надеетеся на словеса лживая, отюнудуже не будет вам пользы,
He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
9 и крадете и убиваете, и блудствуете и кленетеся лживо, и жрете Ваалу и ходите вслед богов чуждих, ихже не весте, яко во зло вам суть,
Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
10 и приидосте и стасте предо Мною в дому сем, в немже призвано есть имя Мое, и рекли есте: удалихомся, еже не творити вся мерзости сия:
Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin’ ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
11 еда вертеп разбойником есть дом Мой, в немже призвася имя Мое тамо во очию вашею? И се, Аз видех, глаголет Господь.
Moa ataonareo ho zohy fieren’ ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
12 Сего ради идите к месту Моему, еже в Силоме, идеже вселих имя Мое от начала, и видите, что сотворих ему лукавств ради людий Моих Израиля.
Fa mandehana ianareo any amin’ ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ ny Isiraely oloko.
13 И ныне, понеже сотвористе вся дела сия, рече Господь, и глаголах к вам рано востающь и глаголющь, и не услышасте Мене, и звах вас, и не отвещасте:
Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
14 убо и Аз сотворю дому сему, в немже призвано есть имя Мое, на негоже вы уповасте, и месту, еже дах вам и отцем вашым, якоже сотворих Силому.
Koa dia ho toy ny nataoko tamin’ i Silo no hataoko amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy amin’ ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
15 И отвергу вас от лица Моего, якоже отвергох всю братию вашу, все семя Ефремово.
Ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
16 Ты же не молися о людех сих и не проси еже помилованым быти им, и не моли, ниже приступай ко Мне о них, яко не услышу тя.
Koa aza mivavaka ho an’ ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.
17 Еда не видиши, что сии творят во градех Иудиных и на путех Иерусалимских?
Tsy hitanao va ny ataon’ ireo any an-tanànan’ ny Joda sy any an-dalamben’ i Jerosalema?
18 Сынове их собирают дрова, и отцы их зажигают огнь, и жены их месят муку, да сотворят опресноки воинству небесному, и возлияша возлияния богом чуждим, да прогневают Мя.
Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an’ ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
19 Мене ли тии прогневляют? Глаголет Господь: еда не себе самих? Да постыдятся лица их.
Moa Izaho va no ampahasosorin’ ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
20 Сего ради тако глаголет Господь: се, гнев и ярость Моя лиется на место сие и на люди, и на скоты и на всяко древо страны их и на плоды земныя, и возжжется и не угаснет.
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin’ ity tany ity, dia amin’ ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
21 Сия глаголет Господь Сил, Бог Израилев: всесожжения ваша соберите со жертвами вашими и изядите мяса:
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman’ ny fanatitrareo hafa alatsa-drà, ka mihinàna hena.
22 яко не глаголах ко отцем вашым и не заповедах им в день, в оньже изведох их от земли Египетския, о всесожжениих и жертвах,
Fa tsy ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin’ ny razanareo na nandidiako azy tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta;
23 но (токмо) слово сие заповедах им, рекий: услышите глас Мой, и буду вам в Бога, и вы будете Мне в люди, и ходите во всех путех Моих, в нихже повелех вам, да благо будет вам.
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin’ ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
24 И не услышаша Мене, и не внят ухо их: но поидоша в похотех и стропотстве сердца своего лукаваго, и сотворишася на задняя, а не на предняя,
Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin’ ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
25 от дне, в оньже изыдоша отцы их от земли Египетския, и даже до дне сего: и послах к вам вся рабы Моя пророки, в день и рано востая и посылая:
Hatramin’ ny andro nivoahan’ ny razanareo avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan’ andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
26 и не услышаша Мя, ни приклониша ухо свое, но ожесточиша выю свою паче отец своих.
Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
27 И речеши к ним вся словеса сия, и не услышат тя, и воззовеши их, и не отвещают тебе.
Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.
28 И речеши к ним: сей язык, иже не послуша гласа Господа Бога своего, ни восприят наказания: погибе вера и отята есть от уст их.
Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon’ i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin’ ny vavany.
29 Остризи главу твою и отметни, и восприими во устне рыдание, яко отверже Господь и отрину род творяй сия.
Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin’ i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
30 Понеже сотвориша сынове Иудины лукавое во очию Моею, рече Господь: поставиша мерзости своя в дому, в немже призвано есть имя Мое, да осквернят его,
Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
31 и создаша требище Тафефу, еже есть во юдоли сына Енномля, да сожигают сыны своя и дщери своя огнем, егоже не повелех им, ниже помыслих в сердцы Моем:
Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin’ ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
32 сего ради се, дние грядут, глаголет Господь, и не рекут ктому: требище Тафефово и юдоль сына Енномля, но юдоль закланых: и погребутся во Тафефе, занеже несть места.
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ ny tany.
33 И будут трупие людий сих во снедь птицам небесным и зверем земным, и не будет отгоняющаго.
Ary ny fatin’ ity firenena ity dia ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
34 И упраздню от градов Иудиных и от путий Иерусалимлих глас радующихся и глас веселящихся, глас жениха и глас невесты, во опустении бо будет вся земля.
Dia hatsahatro any an-tanànan’ ny Joda sy eny an-dalamben’ i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.

< Книга пророка Иеремии 7 >