< Книга пророка Иеремии 26 >

1 В начале царства Иоакима сына Иосиина бысть слово сие от Господа:
Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao avy tamin’ i Jehovah nanao hoe:
2 тако рече Господь: стани во дворе дому Господня и проповеждь всем Иудеом, входящым кланятися в дом Господень, вся словеса, яже завещах тебе проповедати им, не уйми словесе:
Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, ka lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon’ i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
3 негли послушают и отвратятся кийждо от пути своего злаго, и почию от зол, яже помышляю сотворити им злых ради начинаний их.
Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin’ ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian’ ny ataony.
4 И речеши: тако рече Господь: аще не послушаете Мене, еже ходити в законех Моих, яже дах пред лицем вашим,
Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
5 в послушание словес отрок Моих пророков, ихже Аз посылаю к вам из утра, и послах, и не послушасте Мене,
ary tsy mihaino ny tenin’ ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo
6 и дам дом сей якоже Силом, и град сей дам в клятву всем языком всея земли.
dia hataoko tahaka an’ i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ity tanàna ity.
7 И слышаша жерцы и лжепророцы и вси людие Иеремию глаголюща словеса сия в дому Господни.
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra dia nandre an’ i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon’ i Jehovah.
8 И бысть, егда Иеремиа преста глаголати вся, елика завеща ему Господь глаголати всем людем, и яша Иеремию жерцы и лжепророцы и вси людие, глаголюще: смертию да умрет,
Koa nony efa tapitra voalazan’ i Jeremia izay rehetra nasain’ i Jehovah nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
9 яко прорече имеием Господним, глаголя: якоже Силом будет сей дом, и град сей опустеет от живущих. И собрашася вси людие на Иеремию в дому Господни.
Nahoana ianao no naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah hoe: Ho tahaka an’ i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’ i Jeremia tao an-tranon’ i Jehovah.
10 И слышаша князи Иудины словеса сия, и взыдоша от дому царева в дом Господень и седоша во преддверии врат дому Господня новых.
Fa nony ren’ ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka nankany amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan’ ny vavahady vaovaon’ i Jehovah.
11 И реша жерцы и лжепророцы князем и всем людем, глаголюще: суд смертный человеку сему, яко прорече на сей град, якоже слышасте во ушы ваши.
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin’ ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin’ ity tanàna ity izy araka izay efa ren’ ny sofinareo.
12 И рече Иеремиа ко всем князем и ко всем людем, глаголя: Господь посла мя прорещи на дом сей и на град сей вся словеса, яже слышасте:
Dia nilaza tamin’ ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ ity trano sy ity tanàna ity.
13 и ныне лучшыя сотворите пути вашя и дела ваша и послушайте гласа Господа Бога вашего, и престанет Господь от зол, яже глагола на вы:
Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.
14 и се, аз в руках ваших, сотворите ми якоже угодно и якоже лучше вам является:
Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
15 но разумеюще да уразумеете, яко аще убиете мя, кровь неповинну дадите сами на ся и на град сей и на живущыя в нем: яко поистинне посла мя Господь к вам глаголати во ушы ваши вся словеса сия.
Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin’ ity tanàna ity ary amin’ ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
16 И реша князи и вси людие ко жерцем и ко лжепророком: несть человеку сему суд смертный, яко во имя Господа нашего глагола к нам.
Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
17 И восташа мужие от старейшин земских и реша всему собору людскому, глаголюще:
Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin’ ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
18 Михеа Морафитский бе пророчествуя во дни Езекии царя Иудина и рече всем людем Иудиным, глаголя: тако рече Господь: Сион яко нива изорется, и Иерусалим яко в путь непроходный будет, и гора храма будет в луг дубравный.
Mika Morastita dia naminany tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao tamin’ ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: “Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.”.
19 Еда убивая уби его Езекиа царь Иудин и вси людие Иудины? Не убояшалися убо Господа? И понеже помолишася лицу Господню, и почи Господь от зол, яже глаголаше на ня: и мы сотворихом злобы велики на душы нашя.
Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an’ i Jehovah va izy ka nifona tamin’ i Jehovah, ka dia nanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin’ ny tenantsika.
20 И бе человек прорицая именем Господним, Уриа сын Самеов от Кариафиарима, и прорече на град сей и о земли сей по всем словесем Иеремииным.
Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia Oria, zanak’ i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin’ ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon’ i Jeremia izany koa.
21 И слыша царь Иоаким и вси князи вся словеса его и искаху убити его: и слыша Уриа и убояся, и бежа и прииде во Египет.
Ary nony ren’ i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;
22 И посла царь Иоаким мужы во Египет, Елдафана сына Ахорова и мужы с ним во Египет,
ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak’ i Akbora, mbamin’ ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta.
23 и изведоша его оттуду и приведоша его ко царю, и порази его мечем и вверже его во гроб сынов людий своих.
Ary Oria dia nalain’ ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin’ i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin’ ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin’ ny fasam-bahoaka.
24 Обаче рука Ахикама сына Сафаниина бе со Иеремиею, еже не предати его в руце людий, да не убиют его.
Nefa ny tànan’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nomba an’ i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan’ ny vahoaka hovonoiny.

< Книга пророка Иеремии 26 >