< Псалми 8 >

1 Господе, Господе наш! Како је величанствено име Твоје по свој земљи! Подигао си славу своју више небеса.
Ho an’ ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao.
2 У устима мале деце и која сисају чиниш себи хвалу насупрот непријатељима својим, да би учинио да замукне непријатељ и немирник.
Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
3 Кад погледам небеса Твоја, дело прста Твојих, месец и звезде, које си Ти поставио;
Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
4 Шта је човек, те га се опомињеш, или син човечји, те га полазиш?
Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?
5 Учинио си га мало мањег од анђела, славом и чашћу венчао си га;
Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
6 Поставио си га господарем над делима руку својих, све си метнуо под ноге његове,
Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony,
7 Овце и волове све, и дивље звериње,
Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
8 Птице небеске и рибе морске, шта год иде морским путевима.
Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, izay mandeha amin’ ny lalan-dranomasina.
9 Господе, Господе наш! Како је величанствено име Твоје по свој земљи!
Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra!

< Псалми 8 >