< Марко 10 >

1 И уставши оданде дође у околине јудејске преко Јордана, и стече се опет народ к Њему; и као што обичај имаше, опет их учаше.
Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ ny sisin-tanin’ i Jodia sy tany an-dafin’ i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
2 И приступивши фарисеји упиташе Га кушајући: Може ли човек пустити жену?
Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
3 А Он одговарајући рече им: Шта вам заповеда Мојсије?
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’ i Mosesy anareo?
4 А они рекоше: Мојсије допусти да јој се да распусна књига и да се пусти.
Ary hoy izy: Navelan’ i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady.
5 И одговарајући Исус рече им: По тврђи вашег срца написа вам он заповест ову.
Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
6 А у почетку створења, мужа и жену, створио их је Бог.
fa hatramin’ ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona.
7 Зато оставиће човек оца свог и мајку и прилепиће се к жени својој,
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny;
8 И буду двоје једно тело. Тако нису више двоје него једно тело.
ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
9 А шта је Бог саставио човек да не раставља.
Koa izay nakamban’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona.
10 И у кући опет запиташе Га за то ученици Његови.
Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’ izany koa ny mpianatra.
11 И рече им: Који пусти жену и ожени се другом, чини прељубу на њој.
Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.
12 И ако жена остави мужа свог и пође за другог, чини прељубу.
Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
13 И доношаху к Њему децу да их се дотакне; а ученици брањаху онима што их доношаху.
Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14 А Исус видевши расрди се и рече им: Пустите децу нека долазе к мени, и не браните им; јер је таквих царство Божје.
Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
15 Заиста вам кажем: који не прими царство Божје као дете, неће ући у њега.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
16 И загрливши их метну на њих руке те их благослови.
Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
17 И кад изађе на пут, притрча неко, и клекнувши на колена пред Њим питаше Га: Учитељу благи! Шта ми треба чинити да добијем живот вечни? (aiōnios g166)
Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios g166)
18 А Исус рече му: Што ме зовеш благим? Нико није благ осим једног Бога.
Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
19 Заповести знаш: не чини прељубе; не убиј; не укради; не сведочи лажно; не чини неправде никоме; поштуј оца свог и матер.
Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao.
20 А он одговарајући рече Му: Учитељу! Све сам ово сачувао од младости своје.
Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
21 А Исус погледавши на њ, омиле му, и рече му: Још ти једно недостаје: иди продај све што имаш и подај сиромасима; и имаћеш благо на небу; и дођи, те хајде за мном узевши крст.
Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
22 А он поста зловољан од ове речи, и оде жалостан; јер беше врло богат.
Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin’ izany teny izany, ka niala tamin’ alahelo izy, satria nanana harena be.
23 И погледавши Исус рече ученицима својим: Како је тешко богатима ући у царство небеско!
Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
24 А ученици се уплашише од речи Његових. А Исус опет одговарајући рече им: Децо! Како је тешко онима који се уздају у своје богатство ући у царство Божје!
Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
25 Лакше је камили проћи кроз иглене уши неголи богатоме ући у царство Божје.
Moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
26 А они се врло дивљаху говорећи у себи: Ко се дакле може спасти?
Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena?
27 А Исус погледавши на њих рече: Људима је немогуће, али није Богу: јер је све могуће Богу.
Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’ Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra.
28 А Петар Му поче говорити: Ето ми смо оставили све, и за Тобом идемо.
Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
29 А Исус одговарајући рече: Заиста вам кажем: нема никога који је оставио кућу, или браћу, или сестре, или оца, или матер, или жену, или децу, или земљу, мене ради и јеванђеља ради,
Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
30 А да неће примити сад у ово време сто пута онолико кућа, и браће, и сестара, и отаца, и матера, и деце, и земље, у прогоњењу, а на оном свету живот вечни. (aiōn g165, aiōnios g166)
ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. (aiōn g165, aiōnios g166)
31 Али ће многи први бити последњи, и последњи први.
Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
32 А кад иђаху путем у Јерусалим, Исус иђаше пред њима, а они се чуђаху, и за Њим иђаху са страхом. И узевши опет дванаесторицу поче им казивати шта ће бити од Њега:
Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
33 Ево идемо у Јерусалим, и Син човечји предаће се главарима свештеничким и књижевницима и осудиће Га на смрт, и предаће Га незнабошцима;
ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ ny jentilisa;
34 И наругаће Му се, и биће Га, и попљуваће Га, и убиће Га, и трећи дан устаће.
ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
35 И пред Њега дођоше Јаков и Јован, синови Зеведејеви, говорећи: Учитељу! Хоћемо да нам учиниш за шта ћемо Те молити.
Ary Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, nanatona an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
36 А Он рече: Шта хоћете да вам учиним?
Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
37 А они Му рекоше: Дај нам да седнемо један с десне стране Теби, а други с леве, у слави Твојој.
Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny an-kavianao, any amin’ ny voninahitrao.
38 А Исус им рече: Не знате шта иштете: можете ли пити чашу коју ја пијем, и крстити се крштењем којим се ја крштавам?
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
39 А они Му рекоше: Можемо. А Исус рече им: Чашу, дакле, коју ја пијем испићете; и крштењем којим се ја крштавам крстићете се;
Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
40 Али да седнете с десне стране мени и с леве, не могу ја дати него којима је уготовљено.
fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
41 И чувши то десеторица почеше се срдити на Јакова и на Јована.
Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ i Jakoba sy Jaona izy.
42 А Исус дозвавши их рече им: Знате да кнезови народни владају народом и поглавари његови управљају њим.
Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
43 Али међу вама да не буде тако; него који хоће да буде већи међу вама, да вам служи.
Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
44 И који хоће први међу вама да буде, да буде свима слуга.
Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’ izy rehetra.
45 Јер Син човечји није дошао да Му служе него да служи, и да да душу своју у откуп за многе.
Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
46 И дођоше у Јерихон. И кад излажаше из Јерихона, Он и ученици Његови и народ многи, син Тимејев, Вартимеј слепи, сеђаше крај пута и прошаше.
Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’ i Timeo.
47 И чувши да је то Исус Назарећанин стаде викати и говорити: Сине Давидов, Исусе! Помилуј ме!
Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko!
48 И прећаху му многи да ућути, а он још више викаше: Сине Давидов! Помилуј ме!
Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
49 И ставши Исус рече да га зовну. И зовнуше слепца говорећи му: Не бој се, устани, зове те.
Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
50 А он збацивши са себе хаљине своје, устаде и дође к Исусу.
Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’ i Jesosy.
51 И одговарајући рече му Исус: Шта хоћеш да ти учиним? А слепи рече Му: Равуни! Да прогледам.
Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
52 А Исус рече му: Иди, вера твоја поможе ти. И одмах прогледа, и оде путем за Исусом.
Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’ izay ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy teny an-dalana izy.

< Марко 10 >