< Књига пророка Малахије 3 >

1 Ево, ја ћу послати анђела свог, који ће приправити пут преда мном, и изненада ће доћи у цркву своју Господ, ког ви тражите, и анђео заветни, ког ви желите, ево доћи ће, вели Господ над војскама.
Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
2 Али ко ће поднети дан доласка Његовог? И ко ће се одржати кад се покаже? Јер је Он као огањ ливчев и као мило бељарско.
Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ ny mpandrendrika sy ny savonin’ ny mpanasa lamba.
3 И сешће као Онај који лије и чисти сребро, очистиће синове Левијеве, и претопиће их као злато и сребро, и они ће приносити Господу приносе у правди.
Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’ i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’ i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
4 И угодан ће бити Господу принос Јудин и јерусалимски као у старо време и као пређашњих година.
Dia ho mamin’ i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ ny andro fahiny sy toy ny tamin’ ny taona taloha.
5 И доћи ћу к вама на суд, и бићу брз сведок против врачара и против прељубочинаца и против оних који се куну криво и против оних који закидају најам најамнику, и удовици и сироти и дошљаку криво чине и не боје се мене, вели Господ над војскама.
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
6 Јер ја Господ не мењам се; зато ви, синови Јаковљеви, не изгибосте.
Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’ i Jakoba, dia tsy fongana.
7 Од времена отаца својих одступисте од уредби мојих и не држасте их. Вратите се к мени, и ја ћу се вратити к вама, вели Господ над војскама. Али велите: У чем бисмо се вратили?
Hatramin’ ny andron’ ny razanareo dia efa niala tamin’ ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
8 Еда ли ће човек закидати Бога? А ви мене закидате; и говорите: У чем Те закидамо? У десетку и у приносу.
Handroba an’ Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin’ inona moa no androbanay Anao? Amin’ ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.
9 Проклети сте, јер ме закидате, ви, сав народ.
Voaozona amin’ ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
10 Донесите све десетке у спреме да буде хране у мојој кући, и окушајте ме у том, вели Господ над војскама, хоћу ли вам отворити уставе небеске и излити благослов на вас да вам буде доста.
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’ izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
11 И запретићу вас ради прождрљивцу, те вам неће кварити рода земаљског, и винова лоза у пољу неће вам бити неродна, вели Господ над војскама.
Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
12 И зваће вас блаженим сви народи, јер ћете бити земља мила, вели Господ над војскама.
Ary ianareo hataon’ ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
13 Жестоке беху ваше речи на ме, вели Господ; а ви велите: Шта говорисмо на Тебе?
Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
14 Рекосте: Залуду је служити Богу, и каква ће бити корист да држимо шта је наредио да се држи, и да ходимо жалосни пред Господом над војскама?
Tamin’ ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an’ Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin’ ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
15 Зато хвалимо поносите да су срећни; напредују који чине безакоње, и који искушавају Бога, избављају се.
Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an’ Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
16 Тада који се боје Господа говорише један другом, и погледа Господ, и чу, и написа се књига за спомен пред Њим за оне који се боје Господа и мисле о имену Његовом.
Ary tamin’ izany izay natahotra an’ i Jehovah dia samy niresaka tamin’ ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’ i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
17 Ти ће ми бити благо, вели Господ над војскама, у онај дан кад ја учиним, и бићу им милостив као што је отац милостив свом сину који му служи.
Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
18 Тада ћете се обратити и видећете разлику између праведника и безбожника, између оног који служи Богу и оног који Му не служи.
Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’ Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

< Књига пророка Малахије 3 >