< 3 Мојсијева 18 >

1 Још рече Господ говорећи:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 Кажи синовима Израиљевим, и реци им: Ја сам Господ Бог ваш.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
3 Немојте чинити шта се чини у земљи мисирској, у којој сте живели, нити чините шта се чини у земљи хананској, у коју вас водим, и по уредбама њиховим немојте живети.
Aza manao araka ny fanaon’ ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
4 Него моје законе вршите и моје уредбе држите живећи по њима. Ја сам Господ Бог ваш.
Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5 Држите уредбе моје и законе моје; ко их врши, жив ће бити кроз њих. Ја сам Господ.
Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’ izany izy: Izaho no Jehovah.
6 Нико да не приступа к родици својој по крви, да не открије голотињу њену. Ја сам Господ.
Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho no Jehovah.
7 Голотиње оца свог ни голотиње матере своје не откриј; мати ти је; не откриј голотиње њене.
Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
8 Голотиње жене оца свог не откриј; голотиња је оца твог.
Aza mandry amin’ ny renikelinao; fa nandrian’ ny rainao izy.
9 Голотиње сестре своје, кћери оца свог или кћери матере своје, која је рођена у кући или изван куће, не откриј голотиње њихове.
Aza mandry amin’ ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
10 Голотиње кћери сина свог, или кћери кћери своје не откриј; јер је твоја голотиња.
Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin’ ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian’ izy roa.
11 Голотиње кћери жене оца свог, коју је родио отац твој, не откриј; сестра ти је.
Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12 Голотиње сестре оца свог не откриј; једна је крв са оцем твојим.
Aza mandry amin’ ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
13 Голотиње сестре матере своје не откриј; јер је једна крв с матером твојом.
Aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
14 Голотиње брата оца свог не откриј приступајући к жени његовој; стрина ти је.
Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ ny rahalahin-drainao izy.
15 Голотиње жене сина свог не откриј; снаха ти је, не откриј голотиње њене.
Aza mandry amin’ ny vinantovavinao; fa vadin’ ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16 Голотиње жене брата свог не откриј; голотиња је брата твог.
Aza mandry amin’ ny vadin-drahalahinao; fa nandrian’ ny rahalahinao izy.
17 Голотиње жене и кћери њене не откриј; кћери сина њеног ни кћери кћери њене немој узети да откријеш голотињу њихову; једна су крв; зло је.
Aza mandry amin’ ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin’ ny zananilahy, na ny zanakavavin’ ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
18 Немој узети жене преко једне жене, да је уцвелиш откривајући голотињу другој за живота њеног.
Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin’ ny rahavaviny izay mbola velona.
19 К жени докле се одваја ради нечистоте своје не иди да откријеш голотињу њену.
Ary aza mila vehivavy mararin’ ny fadim-bolany handry aminy.
20 Са женом ближњег свог не лези скврнећи се с њом.
Ary aza mandry amin’ ny vadin’ ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21 Од семена свог не дај да се однесе Молоху, да не оскврниш имена Бога свог; ја сам Господ.
Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22 С мушкарцем не лези као са женом; гадно је.
Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23 Живинче никакво немој облежати скврнећи се с њим; и жена да не легне под живинче; грдило је.
Ary aza mandry amin’ ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian’ ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24 Немојте се скврнити ни једном овом стварју; јер су се свим тим стварима оскврнили народи које ћу одагнати испред вас.
Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
25 Јер се оскврнила земља, и неваљалство ћу њено походити на њој, и изметнуће земља становнике своје.
Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ ny tany ny mponina eo.
26 Него ви држите законе моје и уредбе моје, и не чините ни једног овог гада, ни домородац ни дошљак који се бави међу вама;
Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
27 Јер све ове гадове чинише људи у овој земљи који су били пре вас, и земља је од тога оскврњена;
(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
28 Да не изметне земља вас, ако је оскврните, као што је изметнула народ који је био пре вас.
mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
29 Јер ко учини шта год од ових гадова, истребиће се из народа свог душе које учине.
Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
30 Зато држите шта сам наредио да се држи, да не чините шта од гадних обичаја који су били пре вас, и да се не скврните о њих. Ја сам Господ Бог ваш.
Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’ izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

< 3 Мојсијева 18 >