< Јудина 1 >

1 Од Јуде, Исуса Христа слуге, а брата Јаковљевог, званима, који су освећени Богом Оцем и одржани Исусом Христом:
Joda, mpanompon’ i Jesosy Kristy sady rahalahin’ i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin’ Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’ i Jesosy Kristy;
2 Милост и мир и љубав да вам се умножи.
hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
3 Љубазни! Старајући се једнако да вам пишем за опште ваше спасење, би ми потребно да вам пишем молећи да се борите за праведну веру, која је једанпут дана светима.
Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masìna.
4 Јер се увукоше неки безбожни људи, који су давно одређени на ово суђење, и Бога нашег благодат претварају у нечистоту, и јединог Господара Бога и Господа нашег Исуса Христа одричу се.
Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’ izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’ Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
5 Али ћу вам напоменути, кад и ви знате ово једанпут, да Господ избави народ из земље мисирске, потом погуби оне који не вероваше.
Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’ izany izay tsy nino.
6 И анђеле који не држаше своје старешинство него оставише свој стан чува у вечним оковима под мраком за суд великог дана. (aïdios g126)
Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe. (aïdios g126)
7 Као што Содом и Гомор, и околни њихови градови, који су се прокурвали онако као и они, и ходили за другим месом, поставише се углед и муче се у вечном огњу: (aiōnios g166)
Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ ny iaretany fijaliana amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios g166)
8 Тако дакле и ови што сањајући тело погане, а поглаварства се одричу, и на славу хуле.
Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.
9 А Михаило Арханђел, кад се препираше с ђаволом и говораше за Мојсијево тело, не смеше проклети суд да изговори, него рече: Господ нека ти запрети.
Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ ny devoly ka nifanditra ny amin’ ny fatin’ i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah”.
10 А ови хуле на оно што не знаду; а шта знаду по природи као неразумна животиња, у оном се распадају.
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.
11 Тешко њима! Јер путем Каиновим пођоше и у превару Валамове плате падоше, и у буни Корејевој изгибоше.
Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ ny lalan’ i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’ i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ ny fiodinan’ i Kora izy.
12 Ово су они што погане ваше милостиње једући с вама без страха и гојећи се; облаци безводни, које ветрови разносе; јесенска дрвета неродљива, која су двапут умрла, и из корена ишчупана;
Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
13 Бесни валови морски, који се пене својим срамотама, звезде лажне, којима се чува мрак вечне таме. (aiōn g165)
onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ ny maizina. (aiōn g165)
14 Али и за овакве пророкова Енох, седми од Адама, говорећи: Гле, иде Господ с хиљадама светих анђела својих
Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’ i Adama, dia efa naminany ny amin’ ireny olona ireny ka nanao hoe: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina
15 Да учини суд свима, и да покара све безбожнике за сва њихова безбожна дела којима безбожност чинише, и за све ружне речи њихове које безбожни грешници говорише на Њ.
hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.”
16 Ово су незадовољни викачи, који по жељама својим живе, и уста њихова говоре поносите речи, и за добитак гледају ко је ко.
Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
17 А ви, љубазни, опомињите се речи које напред казаше апостоли Господа нашег Исуса Христа,
Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ ny Apostolin’ i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
18 Јер вам казаше да ће у последње време постати ругачи, који ће ходити по својим жељама и безбожностима.
fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.
19 Ово су они што се одвајају (од јединости вере), и јесу телесни, који духа немају.
Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.
20 А ви, љубазни, назиђујте се својом светом вером, и молите се Богу Духом Светим.
Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masìna indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masìna;
21 И сами себе држите у љубави Божијој, чекајући милост Господа нашег Исуса Христа за живот вечни. (aiōnios g166)
ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
22 И тако разликујући једне милујте.
Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
23 А једне страхом избављајте и из огња вадите; а карајте са страхом, мрзећи и на хаљину опогањену од тела.
ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.
24 А Ономе који вас може сачувати без греха и без мане, и поставити праве пред славом својом у радости,
Ary ho an’ izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana,
25 Једином премудром Богу и Спасу нашем, кроз Исуса Христа Господа нашег, слава и величанство, држава и власт пре свију векова и сад и у све векове. Амин. (aiōn g165)
ho an’ Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. (aiōn g165)

< Јудина 1 >