< prakāśitaṁ 1 >

1 yat prakāśitaṁ vākyam īśvaraḥ svadāsānāṁ nikaṭaṁ śīghramupasthāsyantīnāṁ ghaṭanānāṁ darśanārthaṁ yīśukhrīṣṭe samarpitavān tat sa svīyadūtaṁ preṣya nijasevakaṁ yohanaṁ jñāpitavān|
Ny Fanambaran’ i Jesosy Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’ i Jaona mpanompony,
2 sa ceśvarasya vākye khrīṣṭasya sākṣye ca yadyad dṛṣṭavān tasya pramāṇaṁ dattavān|
Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3 etasya bhaviṣyadvaktṛgranthasya vākyānāṁ pāṭhakaḥ śrotāraśca tanmadhye likhitājñāgrāhiṇaśca dhanyā yataḥ sa kālaḥ sannikaṭaḥ|
Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
4 yohan āśiyādeśasthāḥ sapta samitīḥ prati patraṁ likhati| yo varttamāno bhūto bhaviṣyaṁśca ye ca saptātmānastasya siṁhāsanasya sammukhe tiṣṭhanti
Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ ny Fanahy fito izay eo anoloan’ ny seza fiandrianany;
5 yaśca yīśukhrīṣṭo viśvastaḥ sākṣī mṛtānāṁ madhye prathamajāto bhūmaṇḍalastharājānām adhipatiśca bhavati, etebhyo 'nugrahaḥ śāntiśca yuṣmāsu varttatāṁ|
ary avy amin’ i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ ny maty ary Lehiben’ ny mpanjaka amin’ ny tany. Ho an’ izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny ràny,
6 yo 'smāsu prītavān svarudhireṇāsmān svapāpebhyaḥ prakṣālitavān tasya piturīśvarasya yājakān kṛtvāsmān rājavarge niyuktavāṁśca tasmin mahimā parākramaścānantakālaṁ yāvad varttatāṁ| āmen| (aiōn g165)
sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Ray, ― ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
7 paśyata sa meghairāgacchati tenaikaikasya cakṣustaṁ drakṣyati ye ca taṁ viddhavantaste 'pi taṁ vilokiṣyante tasya kṛte pṛthivīsthāḥ sarvve vaṁśā vilapiṣyanti| satyam āmen|
Indro Izy avy amin’ ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Eny, Amena.
8 varttamāno bhūto bhaviṣyaṁśca yaḥ sarvvaśaktimān prabhuḥ parameśvaraḥ sa gadati, ahameva kaḥ kṣaścārthata ādirantaśca|
Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
9 yuṣmākaṁ bhrātā yīśukhrīṣṭasya kleśarājyatitikṣāṇāṁ sahabhāgī cāhaṁ yohan īśvarasya vākyaheto ryīśukhrīṣṭasya sākṣyahetośca pātmanāmaka upadvīpa āsaṁ|
Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin’ ny fahoriana ary amin’ ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’ i Jesosy, dia tao amin’ ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy.
10 tatra prabho rdine ātmanāviṣṭo 'haṁ svapaścāt tūrīdhvanivat mahāravam aśrauṣaṁ,
Voatsindrin’ ny Fanahy tamin’ ny Andron’ ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon’ ny trompetra,
11 tenoktam, ahaṁ kaḥ kṣaścārthata ādirantaśca| tvaṁ yad drakṣyasi tad granthe likhitvāśiyādeśasthānāṁ sapta samitīnāṁ samīpam iphiṣaṁ smurṇāṁ thuyātīrāṁ sārddiṁ philādilphiyāṁ lāyadīkeyāñca preṣaya|
nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ ny boky, ka ampitondray ho any amin’ ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.
12 tato mayā sambhāṣamāṇasya kasya ravaḥ śrūyate taddarśanārthaṁ mukhaṁ parāvarttitaṁ tat parāvartya svarṇamayāḥ sapta dīpavṛkṣā dṛṣṭāḥ|
Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
13 teṣāṁ sapta dīpavṛkṣāṇāṁ madhye dīrghaparicchadaparihitaḥ suvarṇaśṛṅkhalena veṣṭitavakṣaśca manuṣyaputrākṛtireko janastiṣṭhati,
ary teo afovoan’ ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’ olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
14 tasya śiraḥ keśaśca śvetameṣalomānīva himavat śretau locane vahniśikhāsame
Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
15 caraṇau vahnikuṇḍetāpitasupittalasadṛśau ravaśca bahutoyānāṁ ravatulyaḥ|
ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ ny rano be.
16 tasya dakṣiṇahaste sapta tārā vidyante vaktrācca tīkṣṇo dvidhāraḥ khaṅgo nirgacchati mukhamaṇḍalañca svatejasā dedīpyamānasya sūryyasya sadṛśaṁ|
Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny.
17 taṁ dṛṣṭvāhaṁ mṛtakalpastaccaraṇe patitastataḥ svadakṣiṇakaraṁ mayi nidhāya tenoktam mā bhaiṣīḥ; aham ādirantaśca|
Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
18 aham amarastathāpi mṛtavān kintu paśyāham anantakālaṁ yāvat jīvāmi| āmen| mṛtyoḥ paralokasya ca kuñjikā mama hastagatāḥ| (aiōn g165, Hadēs g86)
dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. (aiōn g165, Hadēs g86)
19 ato yad bhavati yaccetaḥ paraṁ bhaviṣyati tvayā dṛṣṭaṁ tat sarvvaṁ likhyatāṁ|
Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
20 mama dakṣiṇahaste sthitā yāḥ sapta tārā ye ca svarṇamayāḥ sapta dīpavṛkṣāstvayā dṛṣṭāstattātparyyamidaṁ tāḥ sapta tārāḥ sapta samitīnāṁ dūtāḥ suvarṇamayāḥ sapta dīpavṛkṣāśca sapta samitayaḥ santi|
dia ny zava-miafina ny amin’ ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.

< prakāśitaṁ 1 >