< Числа 5 >

1 И сказал Господь Моисею, говоря:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 повели сынам Израилевым выслать из стана всех прокаженных, и всех имеющих истечение, и всех осквернившихся от мертвого,
Mandidia ny Zanak’ Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin’ ny toby;
3 и мужчин и женщин вышлите, за стан вышлите их, чтобы не оскверняли они станов своих, среди которых Я живу.
na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan’ ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo afovoany.
4 И сделали так сыны Израилевы, и выслали их вон из стана; как говорил Господь Моисею, так и сделали сыны Израилевы.
Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan’ ny toby; araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
5 И сказал Господь Моисею, говоря:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
6 скажи сынам Израилевым: если мужчина или женщина сделает какой-либо грех против человека, и чрез это сделает преступление против Господа, и виновна будет душа та,
Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ ny olona ka manao izay mahadiso amin’ i Jehovah ary meloka,
7 то пусть исповедаются во грехе своем, который они сделали, и возвратят сполна то, в чем виновны, и прибавят к тому пятую часть и отдадут тому, против кого согрешили;
dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra ny amin’ ny fahadisoany ka hanampy azy ho tonga avy fahenina, ary homeny an’ ilay nanaovany diso.
8 если же у него нет наследника, которому следовало бы возвратить за вину: то посвятить это Господу; пусть будет это священнику, сверх овна очищения, которым он очистит его;
Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin’ ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an’ i Jehovah ka ho an’ ny mpisorona, ho fanampin’ ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
9 и всякое возношение из всех святынь сынов Израилевых, которые они приносят к священнику, ему принадлежит,
Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ ny zava-masìna rehetra aterin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
10 и посвященное кем-либо ему принадлежит; все, что даст кто священнику, ему принадлежит.
Ary ho azy ny zava-masìna aterin’ ny olona rehetra; na inona na inona omen’ olona ho an’ ny mpisorona, dia ho azy izany.
11 И сказал Господь Моисею, говоря:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
12 объяви сынам Израилевым и скажи им: если изменит кому жена, и нарушит верность к нему,
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vadin’ olona mivily ka manao izay mahadiso azy amin’ ny lahy,
13 и переспит кто с ней и излиет семя, и это будет скрыто от глаз мужа ее, и она осквернится тайно, и не будет на нее свидетеля, и не будет уличена,
fa nisy lehilahy nandry taminy, nefa tsy hitan’ ny lahy, fa miafina, ary voaloto ravehivavy, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tanana izy;
14 и найдет на него дух ревности, и будет ревновать жену свою, когда она осквернена, или найдет на него дух ревности, и он будет ревновать жену свою, когда она не осквернена,
kanefa misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin’ ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;
15 пусть приведет муж жену свою к священнику и принесет за нее в жертву десятую часть ефы ячменной муки, но не возливает на нее елея и не кладет ливана, потому что это приношение ревнования, приношение воспоминания, напоминающее о беззаконии;
dia ho entin’ ny lahy ho eo amin’ ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon’ ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
16 а священник пусть приведет и поставит ее пред лице Господне,
Ary hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampitoetra azy eo anatrehan’ i Jehovah;
17 и возьмет священник святой воды в глиняный сосуд, и возьмет священник земли с полу скинии и положит в воду;
dia haka rano masìna amin’ ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’ izay itoeran’ ny tabernakely dia hangalan’ ny mpisorona ka hataony amin’ ny rano;
18 и поставит священник жену пред лице Господне, и обнажит голову жены, и даст ей в руки приношение воспоминания, - это приношение ревнования, в руке же у священника будет горькая вода, наводящая проклятие.
ary ravehivavy dia hampitoeran’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan’ ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
19 И заклянет ее священник и скажет жене: если никто не переспал с тобою, и ты не осквернилась и не изменила мужу своему, то невредима будешь от сей горькой воды, наводящей проклятие;
dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin’ ny vadinao ho amin’ ny fahalotoana ianao, dia afaka amin’ ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
20 но если ты изменила мужу твоему и осквернилась, и если кто переспал с тобою кроме мужа твоего,
fa raha nivily niala tamin’ ny vadinao kosa ianao ka voaloto ihany, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
21 тогда священник пусть заклянет жену клятвою проклятия и скажет священник жене: да предаст тебя Господь проклятию и клятве в народе твоем, и да соделает Господь лоно твое опавшим и живот твой опухшим;
dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ ny firenenao, amin’ ny fampifezahan’ i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
22 и да пройдет вода сия, наводящая проклятие, во внутренность твою, чтобы опух живот твой и опало лоно твое. И скажет жена: аминь, аминь.
ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra ao an-kibonao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao. Ary ravehivavy hanao hoe: Amena, amena.
23 И напишет священник заклинания сии на свитке, и смоет их в горькую воду;
Ary hosoratan’ ny mpisorona amin’ ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin’ ny rano mangidy ny soratra;
24 и даст жене выпить горькую воду, наводящую проклятие, и войдет в нее вода, наводящая проклятие, ко вреду ее.
dia hampisotroiny an-dravehivavy ny ranom-pangidiana mitondra ozona; atỳ ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
25 И возьмет священник из рук жены хлебное приношение ревнования, и вознесет сие приношение пред Господом, и отнесет его к жертвеннику;
Dia halain’ ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan’ i Jehovah izany ka hateriny eo amin’ ny alitara.
26 и возьмет священник горстью из хлебного приношения часть в память, и сожжет на жертвеннике, и потом даст жене выпить воды;
Dia horaofin’ ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
27 и когда напоит ее водою, тогда, если она нечиста и сделала преступление против мужа своего, горькая вода, наводящая проклятие, войдет в нее, ко вреду ее, и опухнет чрево ее и опадет лоно ее, и будет эта жена проклятою в народе своем;
Ary rehefa nampisotroina ny rano izy, ary voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony, sady hifezaka ny feny; ka dia ho fiozonana eo amin’ ny fireneny ravehivavy.
28 если же жена не осквернилась и была чиста, то останется невредимою и будет оплодотворяема семенем.
Nefa kosa, raha tsy voaloto ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy ka hanan’ anaka.
29 Вот закон о ревновании, когда жена изменит мужу своему и осквернится,
Izany no lalàna ny amin’ ny ahiahy, raha misy vehivavy mivily miala amin’ ny vadiny ka voaloto;
30 или когда на мужа найдет дух ревности, и он будет ревновать жену свою, тогда пусть он поставит жену пред лицем Господа, и сделает с нею священник все по сему закону,
na misy lehilahy azon’ ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny; dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona hanefa izany lalàna rehetra izany aminy.
31 и будет муж чист от греха, а жена понесет на себе грех свой.
Dia tsy hanan-tsiny ralehilahy, fa ravehivavy kosa ho meloka.

< Числа 5 >