< Nehemiasza 3 >

1 Potem powstał najwyższy kapłan Eliaszib wraz ze swoimi braćmi kapłanami i odbudowali Bramę Owczą. Poświęcili ją i wstawili jej wrota. Poświęcili ją aż do wieży Mea i aż do wieży Chananeela.
Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
2 Obok niego budowali mężczyźni z Jerycha, a obok nich budował Zakkur, syn Imriego.
Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak’ Imry.
3 A Bramę Rybną budowali synowie Senaa, którzy założyli też jej belki, wstawili jej wrota, zamki i rygle.
Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’ i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
4 Obok nich naprawiał Meremot, syn Uriasza, syna Kosa, a obok nich naprawiał Meszullam, syn Berechiasza, syna Meszezabeela. Obok nich naprawiał Sadok, syn Baany.
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, zanak’ i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’ i Bana.
5 Obok nich naprawiali Tekoici, lecz ich dostojnicy nie ugięli swego karku do pracy dla swego Pana.
Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoïta; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ ny fanompoana ny Tompony.
6 A Bramę Starą naprawiali Jojada, syn Paseacha, i Meszullam, syn Besodiasza. Założyli jej belki i wstawili jej wrota, zamki i rygle.
Ary ny vavahady taloha dia namboarin’ i Joiada, zanak’ i Pasea, sy Mesolama, zanak’ i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
7 Obok nich naprawiali Melatiasz Gibeonita, Jadon Meronotyta oraz mężczyźni z Gibeonu i Mispy aż do tronu namiestnika z tej strony rzeki.
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ ny seza fiandrianan’ ny governora etỳ an-dafin’ ny ony etỳ.
8 Obok nich naprawiał Uzziel, syn Charchajasza, [jeden] ze złotników, a obok niego naprawiał Chananiasz, syn aptekarza. Obwarowali Jerozolimę aż do Muru Szerokiego.
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’ i Haraia, isan’ ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’ i Jerosalema izy hatramin’ ny mandà lehibe.
9 Obok nich naprawiał Refajasz, syn Chura, przełożony połowy okręgu Jerozolimy.
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia, zanak’ i Hora, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema.
10 Obok nich naprawiał Jedajasz, syn Charumafa, naprzeciw swego domu. A obok niego naprawiał Chattusz, syn Chaszabnejasza.
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak’ i Haromafa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak’ i Hasabnia.
11 Drugi odcinek i Wieżę Pieców zaś naprawiał Malkiasz, syn Charima, i Chaszub, syn Pachat-Moaba.
Ny sasany koa mbamin’ ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Harima, sy Hasoba, zanak’ i Pahatamoaba.
12 Obok niego naprawiał Szallum, syn Hallochesza, przełożony połowy okręgu Jerozolimy, on i jego córki.
Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’ i Halohesy, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
13 Bramę nad Doliną naprawiali Chanun i mieszkańcy Zanoach. Odbudowali ją, wstawili jej wrota, zamki i rygle i [naprawili] tysiąc łokci muru aż do Bramy Gnojnej.
Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.
14 Lecz Bramę Gnojną naprawiał Malkiasz, syn Rekaba, przełożony okręgu Bet-Hakkerem. On ją odbudował i wstawił jej wrota, zamki i rygle;
Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’ i Malkia, zanak’ i Rekaba, komandin’ ny fehin’ i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
15 Bramę Źródlaną naprawiał Szallun, syn Kol-Chozego, przełożony okręgu Mispa. On ją zbudował, pokrył [dachem] i wstawił jej wrota, zamki i rygle oraz wzniósł mur nad stawem Sziloach przy ogrodzie królewskim aż do schodów prowadzących do miasta Dawida.
Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.
16 Za nim naprawiał Nehemiasz, syn Azbuka, przełożony połowy okręgu Bet-Sur, aż [do miejsca] naprzeciw grobów Dawida i aż do stawu sztucznego, i aż do domu mocarzy.
Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’ i Azboka, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Beti-zora, hatramin’ ny teo amin’ ny tandrifin’ ireo fasan’ i Davida ka hatramin’ ny farihy izay natao ary hatramin’ ny tranon’ ny lehilahy mahery.
17 Za nim naprawiali Lewici: Rechum, syn Baniego, obok niego naprawiał Chaszabiasz, przełożony połowy okręgu Keila, za swój okręg.
Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’ i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila, ho an’ ny fehiny.
18 Za nim naprawiali ich bracia: Bawaj, syn Chenadada, przełożony połowy okręgu Keila.
Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak’ i Henadada, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila.
19 Obok niego naprawiał Ezer, syn Jeszuy, przełożony Mispy, następny odcinek naprzeciw wejścia do zbrojowni przy rogu.
Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’ i Ezera, zanak’ i Jesoa, komandin’ i Mizpa, teo amin’ ny tandrifin’ ny fiakarana ho any amin’ ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ ny fiolahana.
20 Za nim naprawiał gorliwie Baruch, syn Zabbaja, dalszy odcinek od rogu aż do drzwi domu arcykapłana Eliasziba.
Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’ i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ ny fiolahana ka hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba mpisoronabe.
21 Za nim naprawiał Meremot, syn Uriasza, syn Kosa, następny odcinek od drzwi domu Eliasziba aż do końca jego domu.
Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza, hatramin’ ny varavaran’ ny tranon’ i Eliasiba ka hatramin’ ny faran’ ny tranon’ i Eliasiba.
22 Za nim naprawiali kapłani, którzy mieszkali na równinie.
Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ ny tany lemaka.
23 Za nimi naprawiali Beniamin i Chaszub, naprzeciw swoich domów. Za nimi naprawiał Azariasz, syn Maasejasza, syna Ananiasza, obok swego domu.
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’ i Mahaseia, zanak’ i Anania, teo anilan’ ny tranony ihany.
24 Za nim naprawiał Binnuj, syn Chenadada, następny odcinek od domu Azariasza aż do zakrętu i do narożnika.
Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin’ i Binoy, zanak’ i Henadada, hatramin’ ny tranon’ i Azaria ka hatramin’ ny fiolahana eo amin’ ny zorony.
25 Palal, syn Uzaja, [naprawiał] naprzeciw rogu i wieży wystającej z domu królewskiego, która [była] przy więzieniu. Za nim [naprawiał] Pedajasz, syn Parosza.
Ary Palala, zanak’ i Ozay, koa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ ny tilikambo ambony, eo amin’ ny ranon’ ny mpanjaka, eo akaikin’ ny tokotanin’ ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’ i Parosy.
26 A Netinici, mieszkający na Ofelu, [naprawiali] aż naprzeciw Bramy Wodnej na wschodzie i do wieży wystającej.
Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.
27 Za nimi naprawiali Tekoici dalszy odcinek, naprzeciw wielkiej wieży wystającej aż do muru Ofel.
Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ ny Tekoïta, teo amin’ ny tandrifin’ ny mandroso eo amin’ ny tilikambo lehibe ka hatramin’ ny mandan’ i Ofela.
28 Znad Bramy Końskiej naprawiali kapłani, każdy naprzeciw swego domu.
Hatreo ambonin’ ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ ny mpisorona, dia samy ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
29 Za nimi naprawiał Sadok, syn Immera, naprzeciw swego domu, a za nim naprawiał Szemajasz, syn Szekaniasza, stróż Bramy Wschodniej.
Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’ Imera, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’ i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
30 Za nim naprawiał Chananiasz, syn Szelemiasza, i Chanun, szósty syn Salafa, następny odcinek. Za nim naprawiał Meszullam, syn Berechiasza, naprzeciw swojej komnaty.
Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Hanania, zanak’ i Setemia, sy Hanona, fahenin’ ny zanak’ i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny efi-tranony ihany.
31 Za nim naprawiał Malkiasz, syn złotnika, aż do domu Netinitów i handlarzy, naprzeciw Bramy Sądowej i aż do Sali Narożnej.
Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ ny mpanefy volamena, hatramin’ ny tranon’ ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny vavahady Mifikada ka hatramin’ ny trano ambony teo an-jorony.
32 A pomiędzy Salą Narożną a Bramą Owczą naprawiali złotnicy i handlarze.
Ary ny teo anelanelan’ ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ ondry no namboarin’ ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.

< Nehemiasza 3 >