< Nahuma 3 >

1 Biada krwawemu miastu! [Jest ono] całe pełne kłamstwa i grabieży, a łup z niego nie wychodzi.
Lozan’ ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
2 [Słychać] trzask biczów, grzmot kół, tupanie koni i podskakiwanie rydwanów.
Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon’ ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
3 Jeździec dobywa błyszczący miecz i lśniący oszczep. Mnóstwo rannych i tak wielka ilość trupów, że nie można ich zliczyć; potykają się o zwłoki.
He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan’ ny voatrabaka sy ny hamaroan’ ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan’ ny faty ny olona,
4 Z powodu mnóstwa czynów nierządu tej rozkosznej nierządnicy, mistrzyni czarów, która zaprzedawała narody swoim nierządem i ludy swoimi czarami.
Noho ny habiazan’ ny fijangajangan’ ikala janga tsara tarehy, Tompovavin’ ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin’ ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin’ ny fankatovany.
5 Oto jestem przeciwko tobie, mówi PAN zastępów, odkryję poły twojej [szaty] aż do twarzy i ukażę narodom twoją nagość, a królestwom – twoją hańbę.
Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; Ary haingaiko ho amin’ ny tavanao ny moron-tongotr’ akanjonao, Ka hasehoko amin’ ny firenena ny fitanjahanao Sy amin’ ny fanjakana ny fahamenaranao.
6 Rzucę na ciebie obrzydliwości, znieważę cię i wystawię cię na widowisko.
Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
7 Ten, kto cię ujrzy, oddali się od ciebie i powie: Zburzona jest Niniwa, któż będzie jej żałował? Gdzie mam szukać dla ciebie pocieszycieli?
Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao?
8 Czy jesteś lepsza niż ludne [miasto] No, które leżało pomiędzy rzekami, otoczone wodami, którego wałem było morze i morze jego murem?
Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan’ ny ony Ka nohodidinin’ ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;
9 Etiopia i Egipt [były] jego siłą, nieograniczona; Put i Libijczycy byli jego pomocą.
Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy.
10 Ono jednak zostało uprowadzone do niewoli, jego niemowlęta roztrzaskiwano na rogach wszystkich ulic, o jego najsławniejszych rzucano losy i wszystkich jego wielkich zakuto w kajdany.
Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
11 Także i ty będziesz upojona. Ukryjesz się i będziesz szukać pomocy przeciwko wrogowi.
Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
12 Wszystkie twoje twierdze [są] jak drzewo figowe z wczesnymi owocami. Gdy się nimi potrząśnie, wpadają do ust jedzącego.
Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan’ izay hihinana aza.
13 Oto twój lud pośród ciebie to kobiety. Bramy twojej ziemi będą szeroko otwarte przed twoimi wrogami. Ogień strawi twoje rygle.
Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran’ ny fahavalonao no hidananan’ ny vavahadin’ ny taninao; Levon’ ny afo ny hidinao.
14 Naczerp sobie wody na oblężenie, umacniaj swoje twierdze. Wejdź w błoto, depcz glinę i napraw piec.
Manangona rano ho anao ho an’ ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin’ ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
15 Tam cię pochłonie ogień, wytnie cię miecz, pożre cię jak larwa. Rozmnóż się jak larwa, rozmnóż się jak szarańcza.
Any no handevonan’ ny afo anao Sy handripahan’ ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan’ ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.
16 Rozmnożyłaś swoich kupców ponad gwiazdy niebios. Jak larwa pożerają i odlatują.
Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin’ ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka ny valalavao ka lasa manidina.
17 Twoi szlachetni [są] jak szarańcza, twoi dowódcy – jak wielkie koniki polne, które siadają na płotach w czasie zimy, [lecz gdy] słońce wschodzi, odlatują i nie wiadomo, gdzie są.
Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin’ ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.
18 Drzemią twoi pasterze, królu Asyrii! Twoi sławni będą leżeć, twój lud rozproszył się po górach, ale nikt go nie zgromadzi.
Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan’ i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.
19 Nie ma lekarstwa na twoją ranę, twoje zranienie jest nieuleczalne. Wszyscy, którzy usłyszą wieść o tobie, będą klaskać w dłonie nad tobą. Kogo bowiem nie dotykało nieustannie twoje okrucieństwo?
Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?

< Nahuma 3 >