< Jeremiasza 31 >

1 W tym czasie, mówi PAN, będę Bogiem wszystkich rodów Izraela, a one będą moim ludem.
Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.
2 Tak mówi PAN: Lud, który ocalał od miecza, znalazł łaskę na pustyni, gdy kroczyłem przed nim, aby dać odpoczynek Izraelowi.
Izao no lazain’ i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin’ ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely.
3 [Powiedz]: Dawno PAN mi się ukazał, [mówiąc]: Owszem, umiłowałem cię wieczną miłością, dlatego przyciągam cię swoim miłosierdziem.
Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.
4 Odbuduję cię znowu i będziesz odbudowana, dziewico Izraela! Znowu przyozdobisz się w swe bębenki i wystąpisz wśród tańców pełnych wesela.
Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ ny dihin’ ny mifaly.
5 Znów będziesz sadziła winnice na górach Samarii; siewcy będą sadzić i spożywać [z tego].
Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin’ ny tendrombohitr’ i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
6 Nastanie bowiem dzień, kiedy stróże będą wołać na górze Efraim: Wstańcie, wejdźmy na Syjon do PANA, swego Boga.
Fa mbola hisy andro hiantsoan’ ny mpitazana any amin’ ny tany havoan’ i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin’ i Jehovah Andriamanitsika.
7 Tak bowiem mówi PAN: Śpiewajcie radośnie dla Jakuba i wykrzykujcie przed przodującym wśród narodów. Głoście, wychwalajcie i mówcie: PANIE, wybaw resztkę twego ludu Izraela.
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Mihobia amin’ ny fifaliana noho ny amin’ i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ ny lohan’ ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ ny Isiraely.
8 Oto przyprowadzę ich z ziemi północnej i zgromadzę ich z krańców ziemi; wśród nich będą ślepi i chromi, brzemienne i rodzące. Powrócą tu wielką gromadą.
Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
9 Przyjdą z płaczem i przyprowadzę ich wśród modlitw, a poprowadzę ich nad strumienie wód prostą drogą, na której się nie potkną. Jestem bowiem ojcem dla Izraela, a Efraim jest moim pierworodnym.
Amin’ ny fitomaniana no hihaviany, ary amin’ ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron’ ny renirano izy, amin’ ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain’ Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
10 Słuchajcie słowa PANA, o narody, głoście [je] na dalekich wyspach i mówcie: Ten, który rozproszył Izraela, zgromadzi go i będzie go strzec jak pasterz swoich trzód.
Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin’ ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ ny mpiandry ondry ny ondriny.
11 PAN bowiem wykupił Jakuba i wybawił go z ręki silniejszego od niego.
Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin’ ny tanan’ ny mahery noho izy.
12 Przyjdą więc i będą śpiewać na wyżynie Syjonu, i zbiegną się do dobroci PANA za zboże, za wino i za oliwę, za jagnięta i za cielęta, a ich dusza będzie jak nawodniony ogród i już nie będą się smucić.
Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ ny havoan’ i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ ny zava-tsoan’ i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak’ ondry ary ny zanak’ omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
13 Wtedy dziewica będzie radować się wśród pląsów, także młodzieńcy i starcy razem. Zamienię bowiem ich żałobę w radość, pocieszę ich i rozraduję po ich smutku.
Ary amin’ izany dia ho faly amin’ ny fandihizana ny virijina mbamin’ ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
14 I nasycę duszę ich kapłanów tłuszczem, a mój lud nasyci się moją dobrocią, mówi PAN.
Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin’ ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
15 Tak mówi PAN: W Rama słychać głos, lament i gorzki płacz: Rachel opłakuje swoich synów, nie daje się pocieszyć po [stracie] swoich synów, bo ich już nie ma.
Izao no lazain’ i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin’ ny zanany, satria lany ritra ireny.
16 Tak mówi PAN: Powstrzymaj swój głos od płaczu, a swe oczy od łez, bo otrzymasz zapłatę za swoją pracę, mówi PAN. Powrócą z ziemi wroga.
Izao no lazain’ i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin’ ny tanin’ ny fahavalo ireny.
17 Jest nadzieja na twój kres – mówi PAN – [twoi] synowie powrócą do swojej krainy.
Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin’ ny taniny indray.
18 Zaprawdę, usłyszałem jak Efraim się użala: Karciłeś mnie i poniosłem karę jak nieokiełznane cielę. Nawróć mnie, a będę nawrócony, bo ty jesteś PANEM, moim Bogiem.
Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
19 Bo po moim nawróceniu pokutowałem; gdy poznałem samego siebie, uderzyłem się w biodro; wstydzę się i rumienię, gdyż noszę hańbę swej młodości.
Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain’ ny tsinin’ ny fahatanorako.
20 Czyż Efraim nie jest moim drogim synem? Czyż nie [jest] rozkoszny? Ilekroć bowiem mówię przeciwko niemu, nieustannie go wspominam. Dlatego wzrusza się moje wnętrze z jego powodu; na pewno zlituję się nad nim, mówi PAN.
Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.
21 Postaw sobie drogowskazy, połóż sobie stosy kamieni. Zwróć swoje serce na gościniec, na drogę, [którą] chodziłaś. Powróć, dziewico Izraela! Powróć do tych swoich miast.
Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin’ ireto tanànanao ireto.
22 Jak długo będziesz się błąkać, córko uparta? PAN bowiem stworzył nową rzecz na ziemi: kobieta ogarnie mężczyznę.
Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin’ ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
23 Tak mówi PAN zastępów, Bóg Izraela: Jeszcze będą mówić to słowo w ziemi Judy i w jej miastach, gdy odwrócę ich niewolę: Niech PAN cię błogosławi, mieszkanie sprawiedliwości, góro świętości!
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin’ ny tanin’ ny Joda sy ao amin’ ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, ry fonenan’ ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
24 Zamieszkają bowiem w ziemi Judy i we wszystkich jego miastach razem rolnicy i ci, którzy chodzą za stadem.
Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian’ ny ondry aman’ osiny.
25 Napoiłem spragnioną duszę i nasyciłem wszelką smutną duszę.
Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
26 Wtedy się obudziłem i spojrzałem, a mój sen był dla mnie przyjemny.
Ary tamin’ izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.
27 Oto nadchodzą dni, mówi PAN, w których zasieję dom Izraela i dom Judy nasieniem ludzi i nasieniem zwierząt.
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda Ny taranak’ olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
28 A jak się starałem ich wykorzeniać, burzyć, obalać, niszczyć i trapić, tak będę nad nimi czuwał, by ich budować i sadzić, mówi PAN.
Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
29 W tych dniach już nie będą mówić: Ojcowie jedli cierpkie winogrona, a synom ścierpły zęby;
Amin’ izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo.
30 Lecz każdy umrze za swoją nieprawość. Każdemu człowiekowi, który zje cierpkie winogrona, ścierpną zęby.
Fa ny olona rehetra samy ho fatin’ ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
31 Oto nadchodzą dni, mówi PAN, kiedy zawrę z domem Izraela i z domem Judy nowe przymierze;
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda,
32 Nie takie przymierze, jakie zawarłem z ich ojcami w dniu, kiedy ująłem ich za rękę, aby ich wyprowadzić z ziemi Egiptu. Oni bowiem złamali moje przymierze, chociaż ja byłem ich mężem, mówi PAN.
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny, hoy Jehovah.
33 Ale takie będzie przymierze, które zawrę z domem Izraela po tych dniach, mówi PAN: Włożę moje prawo w ich wnętrzu i wypisze je na ich sercach. I będę ich Bogiem, a oni będą moim ludem.
Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
34 I nikt nie będzie już uczył swego bliźniego ani nikt swego brata, mówiąc: Poznaj PANA, bo wszyscy będą mnie znali, od najmniejszego aż do największego z nich, mówi PAN. Przebaczę bowiem ich nieprawość, a ich grzechów nigdy więcej nie wspomnę.
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
35 Tak mówi PAN, który daje słońce na światłość w dzień, prawa księżyca i gwiazd na światłość w nocy; który rozdziela morze tak, że huczą jego fale; PAN zastępów – to jego imię.
Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin’ ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany:
36 Gdyby te prawa ustały przede mną, mówi PAN, wtedy [i] potomstwo Izraela przestanie być narodem przede mną na wieki.
Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak’ Isiraely.
37 Tak mówi PAN: Jeśli można zmierzyć niebiosa w górze i zbadać fundamenty ziemi w dole, wtedy i ja odrzucę całe potomstwo Izraela za to wszystko, co uczynili, mówi PAN.
Izao no lazain’ i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan’ ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak’ Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
38 Oto nadchodzą dni, mówi PAN, w których to miasto zostanie odbudowane PANU od Wieży Chananeela aż do Bramy Narożnej;
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an’ i Jehovah hatramin’ ny tilikambon’ i Hananela ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
39 I będzie się ciągnął dalej sznur mierniczy na wprost ku wzgórzu Gareb, a potem zwróci się ku Goa.
Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon’ ny tendrombohitra Gareba, dia hasangodina ho any Goa;
40 I cała dolina trupów i popiołu, wszystkie pola aż do potoku Cedron i narożnika Bramy Końskiej ku wschodowi będą poświęcone PANU. Nie zostaną już wykorzenione ani zburzone na wieki.
Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin’ ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin’ ny zoron’ ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masìna ho an’ i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.

< Jeremiasza 31 >