< I Samuela 17 >

1 Wtedy Filistyni zebrali swoje wojska do walki i zgromadzili się w Soko, które należy do Judy, rozbili obóz między Soko a Azeką, w Efes-Dammim.
Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan’ i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
2 Saul zaś i Izraelici zebrali się i rozbili obóz w dolinie Ela, i ustawili się w szyku bojowym przeciw Filistynom.
Ary Saoly sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin’ ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin’ ny Filistina.
3 Filistyni stali na górze po jednej stronie, Izraelici zaś stali na górze po drugiej stronie, a między nimi była dolina.
Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin’ ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin’ ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
4 Wtedy z obozu Filistynów wyszedł pewien wojownik z Gat imieniem Goliat, wysoki na sześć łokci i jedną piędź.
Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin’ ny tobin’ ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
5 Na głowie [miał] spiżowy hełm i był ubrany w łuskowy pancerz; waga pancerza [wynosiła] pięć tysięcy syklów miedzi.
Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan’ ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.
6 Miał również spiżowe nagolenice na nogach i spiżową tarczę między ramionami.
Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin’ ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.
7 Drzewce jego włóczni były jak wał tkacki, grot jego włóczni [ważył] sześćset syklów żelaza, a przed nim szedł człowiek niosący [jego] tarczę.
Ary ny haben’ ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
8 Stanął on i zawołał do wojsk Izraela: Po co ustawiacie się w szyku bojowym? Czy ja nie jestem Filistynem, a wy sługami Saula? Wybierzcie spośród siebie człowieka i niech zejdzie do mnie.
Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan’ ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon’ i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
9 Jeśli zdoła ze mną walczyć i zabije mnie, będziemy waszymi niewolnikami. Lecz jeśli ja go pokonam i go zabiję, wy będziecie naszymi niewolnikami i będziecie nam służyć.
Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
10 Filistyn dodał: Rzucam dziś wyzwanie wojskom Izraela. Dajcie mi człowieka, a będziemy ze sobą walczyć.
Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan’ ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
11 Gdy Saul i cały Izrael usłyszeli słowa Filistyna, zlękli się i bardzo zatrwożyli.
Ary raha ren’ i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin’ ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
12 Dawid [był] synem tego Efratejczyka z Betlejem judzkiego, imieniem Jesse, który miał ośmiu synów. Za czasów Saula był on stary i podeszły w latach.
Ary Davida dia zanak’ ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin’ ny andron’ i Saoly;
13 Trzej starsi synowie Jessego wyruszyli i udali się za Saulem na wojnę. Imiona jego trzech synów, którzy poszli na wojnę, [to]: Eliab, pierworodny, drugi po nim – Abinadab i trzeci – Szamma.
ary ny zokiny telo lahy tamin’ ny zanak’ i Jese lasa nanaraka an’ i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran’ ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
14 A Dawid był najmłodszy, a trzej najstarsi poszli za Saulem.
ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an’ i Saoly;
15 Dawid zaś odchodził od Saula i wracał, aby paść trzodę swego ojca w Betlejem.
fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin’ i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
16 A Filistyn występował rano i wieczorem i stawał tak przez czterdzieści dni.
Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
17 I Jesse powiedział do swego syna Dawida: Weź teraz dla swych braci tę efę prażonego ziarna i tych dziesięć chlebów i biegnij do obozu, do swoich braci.
Ary hoy Jese tamin’ i Davida zanany: Ento ity lango eran’ ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an’ ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin’ ny rahalahinao.
18 Zanieś też tych dziesięć serów dowódcy oddziału, dowiedz się, jak się mają twoi bracia, i weź ich zastaw.
Ary ento ho an’ ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
19 A Saul wraz z nimi i wszystkimi synami Izraela byli w dolinie Ela, walcząc z Filistynami.
Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely dia teo amin’ ny lohasaha Elaha niady tamin’ ny Filistina.
20 Wstał więc Dawid wcześnie rano, powierzył trzodę stróżowi, zabrał to wszystko i wyruszył, tak jak mu Jesse nakazał. Gdy przybył do obozu, wojsko wyruszało do bitwy i wydało okrzyk wojenny.
Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
21 Izraelici i Filistyni ustawili się [już] bowiem w szyku bojowym, szyk przeciwko szykowi.
Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
22 Wtedy Dawid zostawił toboły pod opieką stróża taboru i pobiegł na pole bitwy. Gdy przybył, przywitał się ze swoimi braćmi.
Ary Davida namela ny entany teo anilan’ ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin’ ny laharan’ ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin’ izay toetry ny rahalahiny.
23 Gdy z nimi rozmawiał, oto wojownik imieniem Goliat, Filistyn z Gat, wystąpił z szeregów filistyńskich i zaczął wypowiadać te same słowa. I Dawid to usłyszał.
Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin’ ny laharan’ ny miaramilan’ ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren’ i Davida.
24 A wszyscy Izraelici na widok tego człowieka uciekali przed nim i bardzo się bali.
ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
25 I Izraelici mówili: Czy widzicie tego człowieka, który występuje? Występuje, by rzucać wyzwanie Izraelowi. Lecz tego, kto go zabije, król wzbogaci wielkim bogactwem i da mu swoją córkę, a dom jego ojca uczyni wolnym w Izraelu.
Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon’ ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin’ ny Isiraely ny tarana-drainy.
26 Wtedy Dawid zapytał ludzi stojących przy nim: Co dadzą temu, kto zabije tego Filistyna i odejmie hańbę z Izraela? Bo kim jest ten nieobrzezany Filistyn, że rzuca wyzwanie wojskom Boga żywego?
Ary hoy Davida tamin’ ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona?
27 I lud odpowiedział mu te same słowa: To dadzą temu, kto go zabije.
Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin’ izay lehilahy mahafaty azy.
28 A jego starszy brat, Eliab, usłyszał, że rozmawia z tymi ludźmi. I Eliab zapłonął gniewem na Dawida, i powiedział: Po co tu przyszedłeś i komu zostawiłeś tych parę owiec na pustyni? Znam twoją pychę i przewrotność twego serca, bo przyszedłeś, aby przypatrywać się bitwie.
Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin’ ny olona dia nirehitra tamin’ i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midìna etỳ? Ary amin’ iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian’ ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
29 Wtedy Dawid powiedział: Cóż teraz uczyniłem? Czy nie mam [tu] sprawy?
Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
30 I odwrócił się od niego do kogoś innego, i pytał się jak przedtem. A lud odpowiedział mu tak jak poprzednio.
Ary niala teo aminy hankany amin’ ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
31 I usłyszano słowa, które wypowiedział Dawid, i powtórzono je Saulowi. [Saul] wezwał go więc do siebie.
Ary nony ren’ ny olona ny teny izay nataon’ i Davida, dia nambarany tamin’ i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.
32 Wtedy Dawid powiedział do Saula: Niech niczyje serce nie upada z jego powodu. Twój sługa pójdzie i będzie walczył z tym Filistynem.
Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin’ ilehio ny fon’ ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin’ io Filistina io.
33 Lecz Saul odpowiedział Dawidowi: Ty nie możesz iść przeciwko temu Filistynowi, by z nim walczyć. Jesteś bowiem chłopcem, a on jest wojownikiem od swojej młodości.
Fa hoy Saoly tamin’ i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin’ io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
34 Dawid odpowiedział Saulowi: Twój sługa pasł trzodę swego ojca, a gdy przychodził lew lub niedźwiedź i porywał barana z trzody;
Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak’ ondry teo amin’ ny ondry,
35 Wtedy goniłem go, uderzałem na niego i wyrywałem mu [go] z paszczy. I [kiedy] rzucał się na mnie, chwytałem go za gardło, biłem i zabijałem go.
dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin’ ny somony, ary nasiako ka matiko.
36 Twój sługa zabił i lwa, i niedźwiedzia. Ten nieobrzezany Filistyn będzie jak jeden z nich, gdyż rzucił wyzwanie wojskom Boga żywego.
Ny liona sy ny bera samy novonoin’ ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin’ ireny, satria nihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona izy.
37 Ponadto Dawid powiedział: PAN, który wyrwał mnie z łapy lwa i niedźwiedzia, wyrwie mnie również z rąk tego Filistyna. Wtedy Saul powiedział do Dawida: Idź i niech PAN będzie z tobą.
Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny tanan’ ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ ny tanan’ io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin’ i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
38 I Saul ubrał Dawida w swoją zbroję, włożył mu na głowę spiżowy hełm i ubrał go w pancerz.
Ary Saoly nampiakanjo an’ i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin’ ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.
39 Dawid przypasał też jego miecz do swojej zbroi i próbował chodzić, bo nigdy [wcześniej] tego nie nosił. Wtedy Dawid powiedział do Saula: Nie mogę w tym chodzić, bo nie przywykłem do tego. I Dawid zdjął to z siebie.
Ary Davida namehy ny sabany tamin’ ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin’ i Saoly: Tsy afa-mandeha amin’ ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin’ i Davida izany.
40 Potem wziął do ręki swój kij i wybrał sobie pięć gładkich kamieni z potoku, i włożył je do torby pasterskiej, którą miał przy sobie, i z procą w ręku przybliżył się do Filistyna.
Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin’ ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin’ ny kitapo fitondran’ ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
41 Filistyn również ruszył i zbliżał się do Dawida, a jego giermek szedł przed nim.
Ary ilay Filistina nandroso nanatona an’ i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
42 A gdy Filistyn spojrzał i zobaczył Dawida, wzgardził nim, dlatego że był młodzieńcem – rudym i przystojnym.
Ary nony nijerijery an’ i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy.
43 I Filistyn powiedział do Dawida: Czyż jestem psem, że przychodzisz do mnie z kijem? I przeklinał Filistyn Dawida przez swoich bogów.
Ary hoy ilay Filistina tamin’ i Davida: Alika angaha aho, no hatonin’ ialahy amin’ ny tehina? Ary nanozona an’ i Davida tamin’ ireo andriamaniny ilay Filistina
44 Filistyn powiedział jeszcze do Dawida: Chodź do mnie, a dam twoje ciało ptakom powietrznym i zwierzętom polnym.
sady nanao tamin’ i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon’ ialahy.
45 Wtedy Dawid odpowiedział Filistynowi: Ty przychodzisz do mnie z mieczem, włócznią i tarczą, a ja przychodzę do ciebie w imię PANA zastępów, Boga wojsk Izraela, któremu rzuciłeś wyzwanie.
Fa hoy kosa Davida tamin’ ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
46 Dziś PAN wyda cię w moje ręce, a ja cię zabiję i odetnę ci głowę, a dam dzisiaj trupy wojsk Filistynów ptakom powietrznym i dzikim zwierzętom. I cała ziemia pozna, że jest Bóg w Izraelu;
Anio no hanoloran’ i Jehovah anao amin’ ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ ny miaramilan’ ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
47 I całe to zgromadzenie pozna, że nie mieczem ani włócznią wybawia PAN, gdyż walka należy do PANA i on wyda was w nasze ręce.
Ary ho fantatr’ izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’ i Jehovah; fa an’ i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
48 A gdy Filistyn wstał, ruszył i zbliżał się do Dawida, Dawid również pośpiesznie pobiegł na pole walki naprzeciw Filistyna.
Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an’ i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin’ ny laharan’ ny miaramila hitsena ilay Filistina.
49 I Dawid sięgnął ręką do torby, wyjął z niej kamień, cisnął [go] z procy i ugodził Filistyna w czoło tak, że kamień utkwił mu w czole. I [ten] upadł twarzą na ziemię.
Ary natsofok’ i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin’ ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin’ ny handriny, ary nilentika tamin’ ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin’ ny tany izy.
50 Tak Dawid zwyciężył Filistyna procą i kamieniem. Uderzył Filistyna i zabił go, choć Dawid nie miał w ręku miecza.
Toy izany no nandresen’ i Davida ilay Filistina tamin’ ny vaton’ antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan’ i Davida.
51 Dawid podbiegł, stanął nad Filistynem, wziął jego miecz, dobył go z pochwy, zabił go i odciął mu nim głowę. A kiedy Filistyni zobaczyli, że ich bohater umarł, uciekli.
Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan’ ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr’ ilehio ka notsoahany tamin’ ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan’ ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
52 Wtedy powstali Izraelici i Judejczycy, wydali okrzyk i ścigali Filistynów aż do wejścia do doliny i aż do bram Ekronu. I ranni Filistyni padali na drodze od Szaaraim aż do Gat i Ekronu.
Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin’ i Gay sy ny vavahadin’ i Ekrona; ary izay voa tamin’ ny Filistina dia niampatrampatra teny amin’ ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.
53 Potem synowie Izraela wrócili z pościgu za Filistynami i złupili ich obóz.
Ary ny Zanak’ Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
54 A Dawid wziął głowę tego Filistyna i przyniósł ją do Jerozolimy, a jego zbroję włożył do swego namiotu.
Ary ny lohan’ ilay Filistina dia noraisin’ i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin’ ny lainy.
55 Gdy Saul zobaczył, że Dawid wyrusza naprzeciw Filistyna, zapytał Abnera, dowódcę wojska: Czyim synem jest ten młodzieniec, Abnerze? Abner odpowiedział: Jak żyje twoja dusza, królu, nie wiem.
Ary nony nahita an’ i Davida nandeha hiady tamin’ ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin’ i Abnera, komandin’ ny miaramila: Ry Abnera, zanak’ iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
56 Wtedy król powiedział: Dowiedz się, czyim synem jest ten młodzieniec.
Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak’ iza na zanak’ iza iny zaza iny.
57 Kiedy Dawid wracał po zabiciu Filistynów, Abner wziął go i przyprowadził przed Saula, a głowa Filistyna była jeszcze w jego ręku.
Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain’ i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan’ i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan’ ilay Filistina.
58 I Saul zapytał go: Czyim synem jesteś, młodzieńcze? Dawid odpowiedział: [Jestem] synem twego sługi Jessego Betlejemity.
Dia hoy Saoly taminy: Zanak’ iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak’ i Jese Betlehemita mpanomponao aho.

< I Samuela 17 >