< Lukaj 18 >

1 A PIL kotin majani on irail karajeraj eu, me ren poden kapakap o der panada.
Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
2 A kotin majani: Jaunkapun amen mi nan kanim eu, me jota lan Kot, o jota injenoki aramaj amen.
dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’ Andriamanitra, na mena-maso olona.
3 A li odi men mi nan kanim ota, me poto don i potoan on: Kom kotin jauaja ia on me kailon kin ia!
Ary nisy mpitondratena tao amin’ izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ ilay manana ady amiko.
4 A a kan maj o, a kadekadeo a monemoneloleki: Nan i jota lan Kot, o pil jota injenoki aramaj,
Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’ Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
5 A pweki li odi men et a kadiropa ia. i pan jauaja i. pwender purodo kadiropa ia.
mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
6 Kaun o ap kotin majani: Komail ron, me jaunkapun japun indada!
Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ ilay mpitsara tsy marina.
7 A iaduen Kot, a jota pan kotin jauaja japwilim a pilipildar akan, me kin likelikwir on i ni ran o ni pon? Pala a pan kotin pwapwand?
Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy?
8 I indai on komail: nan a pan madan jauaja ir. Ari jo, Nain aramaj lao pwarado, da, a pan diar pojon ni jappa?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’ olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ ny tany va Izy?
9 A pil kotin karajai on irail me kin aka punki pein irail, ap aka japunki me tei kan:
Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
10 Aramaj riamen kodala on nan im en kaudok pwen kapakap. Amen ira Parijar, a amen jaunopwei men.
Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
11 Parijar o kajinenda kelepela ekij waja kapakap due met: Main Kot, i danke ir, me i jota dueta aramaj tei kan: Lolap, japun, kamal, de dueta jaunopwei men et.
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
12 I kin kaikaijole pan riapak ni wik eu o koleireki eijokkij eu en ai kapwa karoj.
Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’ izay azoko rehetra aho.
13 A jaunopwei u doo jan ekij waja, ap jota men jarada nanlan, a a pikir maramar a indada: Main Kot, re kotin kupura ia me dipan!
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
14 I indai on komail, ol men et kodila deu a punala mon me teio. Pwe me kin kajapwilada pein i, pan kajapwilidi, a me kin kajapwilidi pein i pan kajapwilada,
Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
15 Irail ap wa don i kijin jeri kai, pwen kotin jair ir. A japwilim a tounpadak kan lao kilaner, re ap kapoui irail.
Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’ i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
16 A Iejuj kotin molipe ir majani: Mueid on kijin jeri kan, en kodo re i! Der kalik irail edi! Pwe irail me udan wein Kot.
Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
17 Melel I indai on komail, meamen, me jota ale wein Kot rajon kijin jeri men, a jota pan pedelon on lole.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
18 A monjap amen idok re a majani: Jaunpadak mau, da me I en wiada, pwen jojoki maur joutuk? (aiōnios g166)
Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios g166)
19 Iejuj ari kotin majani on i: Da me koe indaki, me I me mau? Jota me mau men, Kot eta.
Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
20 Koe kin aja kujoned akan: Koe der kamal; koe der kamela aramaj; koe der pirap, koe der kinekine mal, kakaki jam om
Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.
21 I ari indada: Nan mepukat karoj i kin wiawia jan ni ai tikitik kokodo.
Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
22 Iejuj lao mani mepukat, ap majani on i: Me ta kij me lua, netikila om kapwa karoj, o nene on me jamama kan, a om pai pan mi nanlan, ap kodo idauen ia do.
Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
23 A lao ronadar met, ap injenjuede kila melel, pwe a kapwapwa kaualap.
Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
24 A Iejuj lao kotin majani, me a injenjuedela, ap majani: Nan me apwal on me kapwapwa kan, en pedelon on nan wein Kot.
Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
25 Pwe me manai, kamel en tilon nan por en dikok, jan ol kapwapwa men pedelon on nan wein Kot.
Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
26 Irail me roneron indada: Ari, ij me kak on maur?
Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
27 A kotin majani: Me aramaj akan jo kak on, Kot me pan kak on.
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ ny olona dia hain’ Andriamanitra.
28 Petruj ap potoan on: Re kotin mani, kit me likid maliela meakaroj ap idauen la ir.
Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
29 A kotin majani on irail: Melel I indai on komail, nan jota me likidmaliela im a, de jam, de in a, de ri a ol akan, de a paud, de na jeri kan pweki wein Kot,
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’ Andriamanitra,
30 Me jo pan id aneki me lapalap ni anjau wet o ni muei kokodo maur joutuk. (aiōn g165, aiōnios g166)
izay tsy handray be lavitra amin’ izao andro ankehitriny izao, ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. (aiōn g165, aiōnios g166)
31 A kotin ukala ekriamen ko majani on irail: Kilan, kitail kin kodalan Ierujalem, o karoj pan pwaida, me intinidier ren jaukop akan duen Nain aramaj.
Ary Jesosy naka ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ ny Zanak’ olona.
32 Pwe a pan panala ren men liki kan, pwe re pan kapikapiti I o ki jan wau i, o kondipi on i.
Fa hatolotra ho amin’ ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
33 O re pan woki i o kamela, a ni kajilu en ran a pan maureda.
ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
34 Irail ari jota man weweki mepukat, o majan pot et me rir jan irail. Re pil jaja, me a kotin majani.
Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
35 A kadekadeo ni a koren ion Ieriko, ol majkun amen momod pon kailan al, poekipoeki.
Ary raha Jesosy nanakaiky an’ i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36 I lao ronadar pokon o me daudaulul, ap idok due.
Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
37 Irail ari indan i, me Iejuj men Najaret kotin daulul.
Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38 I ari nil laudeda potoan on: Iejuj, japwilim en Dawid, kotin kupura ia!
Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
39 A me tion moa kidekidaue i, en nenenla: a i ap kalaudela a poekipoeki: Japwilim en Dawid, kotin kupura ia!
Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
40 Iejuj ap kotin udi on waja o, majani, ol o en wijike don i. A lao koren ion imp a, ap kotin kainoma re a.
Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
41 Majani: Da me koe men, I en wiai on uk? A potoan on: Main, i men potoan narada waja.
ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
42 A Iejuj kotin majani on i: Kilan waja, om pojon me kakel uk ada!
Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
43 Ap pitipit kilanada waja, o idauenla i, o kapina Kot, o aramaj karoj, me udial met, ap kapikapina Kot.
Ary niaraka tamin’ izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy izy sady nankalaza an’ Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an’ Andriamanitra.

< Lukaj 18 >