< Kaudial 16 >

1 O I ronger ngil laud eu sang nan im en kaudok o, mamasani ong tounlang isimen: Komail kowei, wudokedi ong sappa dal isu, me audekier ongiong en Kot.
Ary nahare feo mahery avy tao amin’ ny tempoly aho nanao tamin’ ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ ny tany ny ao amin’ ny lovia fito feno ny fahatezeran’ Andriamanitra.
2 Men mas ap kotiwei wudokila ong sappa a dal, ap wiala kins sued ong aramas akan, me kilelekidi kilel en man o, o me pongi a kilel.
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin’ ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan’ ny sariny.
3 O kariamen wudokila a dal ong nan madau ap wiala nta due nt’ en melar amen, ari me maur karos nan madau ap melar.
Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran’ ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan’ aina rehetra tao aminy.
4 O kasilimen wudokila a dal pon pilap o utun pil akan, rap ntalar.
Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.
5 I ronger tounlang en pil akan masani: Komui me pung, me kotikot, o me kotikot mas, me saraui, pwe komui kadeikada due met.
Ary nahare ny anjelin’ ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masìna, satria efa nitsara toy izany Hianao;
6 Pwe irail kieledier ntan me saraui o saukop akan, ari, kom kotin katungole kin ir nta; ari, me mau ong irail.
fa ny ran’ ny olona masìna sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
7 I ronger me pei saraui o masani: Ei, Maing Kot, Kaun en meakaros, melel o me pung omui kadeik kan.
Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
8 A kapamen wudokila a dal pon katipin, a kapi ong i, en isiki kisiniai aramas akan.
Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ ny afo izy.
9 Ari, aramas rongkila karakar kaualap, o re lalaue mar en Kot, me Kaun pan kamekam pukat; a re sota kalukila, pwen wauneki i.
Ary main’ ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran’ Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin’ ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
10 O tounlang kalimen wudokila a dal pon mol en man o; ari a wei rotorotala; o re ke pasang lo arail pweki motakan madak.
Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny seza fiandrianan’ ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
11 O irail lalaue Kot en lang, aki ar madak o ar kins akan, o re sota kalukila ar wiawia kan.
dia niteny ratsy an’ Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ ny asany.
12 O tounlang kawonemen wudokila a dal pon pilap Oiprat, a pil ap ngalengaledi, pwen kaonopada al mon nanmarki, me kotido sang ni pali mas en lang.
Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin’ i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan’ ireny mpanjaka avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
13 O i kilanger, me sang nan au en drake, o sang nan au en man o, o sang nan au en saukop likam ngen samin silu dueta pros kai koda sang.
Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ ny vavan’ ilay dragona sy tamin’ ny vavan’ ilay bibi-dia ary tamin’ ny vavan’ ilay mpaminany sandoka.
14 Ir ngen en tewil kai, wiawia kilel kai, me kin pwaralang nanmarki en sappa kan, en kapokon ir penang mauin en ran lapalap en Kot manaman.
Fa fanahin’ ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ ny mpanjaka amin’ izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin’ ny adin’ ilay andro lehiben’ Andriamanitra Tsitoha.
15 Kilang, I pwarado dueta lipirap amen; meid pai, me kin masamasan, nekinekid a likau kan, pwe a de kilisola, rap kilang a kanamenok.
(Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.)
16 O re kapokon ir penang wasa, me ad a ni lokaia en Ipru Armakedon.
Ary nangoniny ho any amin’ ny tany atao amin’ ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
17 O tounlang kaisimen wudokila a dal nin wäwä, ngil laud ap pwaradar sang im en kaudok nanlang, sang ni mol o mamasani: A wiauier.
Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, teo amin’ ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
18 Ari, liol o ngil kai o nansapwe wiauier, o sappa rerer kaualap, sota due sang tapin aramas mi sappa, pwe me lapalap o mulatok.
Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ olona tetỳ ambonin’ ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
19 Ari, kanim lapalap pal pasang wiala silekis silu, o kanim en sap akan rongk pasang, o Kot kotin tamanda kanim Papilon, pwen kotiki ong i dal en wain en a ongiong lapalap.
Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan’ ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’ Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezerany.
20 O dake karos mokid wei sang o nana kan solar sansal.
Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
21 O akel lapalap, toutouki paun epuki, me moredi sang lang lel aramas akan, o aramas lalaue Kot pweki kamekam akel, pwe iei kamekam me lapalapia.
Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an’ Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.

< Kaudial 16 >