< مزامیر 83 >

سرود و مزمور آساف ای خدا تو را خاموشی نباشد! ای خداساکت مباش و میارام! ۱ 1
Tonon-kira. Salamo nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangìna; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
زیرا اینک دشمنانت شورش می‌کنند و آنانی که از تو نفرت دارند، سر خود را برافراشته‌اند. ۲ 2
Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
بر قوم تو مکایدمی اندیشند وبر پناه آوردگان تو مشورت می‌کنند. ۳ 3
Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
و می‌گویند: «بیایید ایشان را هلاک کنیم تا قومی نباشند و نام اسرائیل دیگر مذکور نشود.» ۴ 4
Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ Isiraely.
زیرا به یک دل با هم مشورت می‌کنند و برضد تو عهد بسته‌اند. ۵ 5
Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
خیمه های ادوم واسماعیلیان و موآب و هاجریان. ۶ 6
Dia ny lain’ ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
جبال و عمون و عمالیق و فلسطین با ساکنان صور. ۷ 7
Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ ny mponina any Tyro.
آشور نیز باایشان متفق شدند و بازویی برای بنی لوطگردیدند، سلاه. ۸ 8
Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin’ ny taranak’ i Lota ireo. (Sela)
بدیشان عمل نما چنانکه به مدیان کردی. چنانکه به سیسرا و یابین در وادی قیشون. ۹ 9
Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona;
که در عیندور هلاک شدند و سرگین برای زمین گردیدند. ۱۰ 10
Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
سروران ایشان را مثل غراب و ذئب گردان و جمیع امرای ایشان را مثل ذبح وصلمناع. ۱۱ 11
Ataovy tahaka an’ i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’ i Zebaha sy Zaimona,
که می‌گفتند: «مساکن خدا را برای خویشتن تصرف نماییم.» ۱۲ 12
Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan’ Andriamanitra.
‌ای خدای من، ایشان را چون غبار گردبادبساز و مانند کاه پیش روی باد. ۱۳ 13
Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ ny rivotra,
مثل آتشی که جنگل را می‌سوزاند و مثل شعله‌ای که کوهها را مشتعل می‌سازد. ۱۴ 14
Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
همچنان ایشان را به تند بادخود بران و به طوفان خویش ایشان را آشفته گردان. ۱۵ 15
Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ ny tafio-drivotrao.
رویهای ایشان را به ذلت پر کن تا نام تورا‌ای خداوند بطلبند. ۱۶ 16
Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
خجل و پریشان بشوندتا ابدالاباد و شرمنده و هلاک گردند. ۱۷ 17
Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
و بدانندتو که اسمت یهوه می‌باشد، به تنها بر تمامی زمین متعال هستی. ۱۸ 18
Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ ny tany rehetra.

< مزامیر 83 >