< میکا 2 >

وای بر آنانی که بر بسترهای خود ظلم راتدبیر می‌نمایند و مرتکب شرارت می شوند. در روشنایی صبح آن را بجا می‌آورند، چونکه در قوت دست ایشان است. ۱ 1
Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
بر زمینهاطمع می‌ورزند و آنها را غصب می‌نمایند و برخانه‌ها نیز و آنها را می‌گیرند و بر مرد و خانه‌اش وشخص و میراثش ظلم می‌نمایند. ۲ 2
Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin’ ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin’ ny lovany.
بنابراین خداوند چنین می‌گوید: هان من بر این قبیله بلایی را تدبیر می‌نمایم که شما گردن خود را از آن نتوانید بیرون آورد و متکبرانه نخواهید خرامیدزیرا که آن زمان زمان بد است. ۳ 3
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
در آن روز بر شمامثل خواهند زد و مرثیه سوزناک خواهند خواندو خواهند گفت بالکل هلاک شده‌ایم. نصیب قوم مرا به دیگران داده است. چگونه آن را از من دورمی کند و زمینهای مرا به مرتدان تقسیم می‌نماید. ۴ 4
Amin’ izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an’ ny mpiodina avy ny tanintsika!
بنابراین برای تو کسی نخواهد بود که ریسمان رابه قرعه در جماعت خداوند بکشد. ۵ 5
Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
ایشان نبوت کرده، می‌گویند نبوت مکنید. اگر به اینها نبوت ننمایند رسوایی دور نخواهدشد. ۶ 6
Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
‌ای که به خاندان یعقوب مسمی هستی آیاروح خداوند قاصر شده است و آیا اینها اعمال اومی باشد؟ آیا کلام من برای هر‌که به استقامت سالک می‌باشد نیکو نیست؟ ۷ 7
He! izany teny izany! Ry taranak’ i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin’ i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?
لکن قوم من در این‌روزها به دشمنی برخاسته‌اند. شما ردا را از رخت آنانی که به اطمینان می‌گذرند و از جنگ روگردانند می‌کنید. ۸ 8
Vao omaly no omaly no nitsanganan’ ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin’ ny lamba ny kapôtin’ izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
و زنان قوم مرا از خانه های مرغوب ایشان بیرون می‌کنید و زینت مرا ازاطفال ایشان تا به ابد می‌گیرید. ۹ 9
Ny vehivavy eo amin’ ny oloko dia roahinareo hiala amin’ ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin’ ny zanany madinika ny voninahitro.
برخیزید وبروید زیرا که این آرامگاه شما نیست چونکه نجس شده است. شما را به هلاکت سخت هلاک خواهد ساخت. ۱۰ 10
Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
اگر کسی به بطالت و دروغ سالک باشد و کاذبانه گوید که من برای تو درباره شراب و مسکرات نبوت خواهم نمود هرآینه اونبی این قوم خواهد بود. ۱۱ 11
Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny’ aminao ny amin’ ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin ity firenena ity.
‌ای یعقوب، من البته تمامی اهل تو را جمع خواهم نمود و بقیه اسرائیل را فراهم آورده، ایشان را مثل گوسفندان بصره در یک جا خواهم گذاشت. ایشان مثل گله‌ای که در آغل خود باشد، به‌سبب کثرت مردمان غوغا خواهند کرد. ۱۲ 12
Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin’ ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin’ ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin’ ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan’ ny olona.
رخنه کننده پیش روی ایشان برآمده است. ایشان رخنه نموده و از دروازه عبور کرده، از آن بیرون رفته‌اند و پادشاه ایشان پیش روی ایشان وخداوند بر سر ایشان پیش رفته است. ۱۳ 13
Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin’ ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.

< میکا 2 >