< سوگنامه 2 >

صهیون را به ظلمت پوشانیده و جلال اسرائیل را از آسمان به زمین افکنده است. وقدمگاه خویش را در روز خشم خود به یادنیاورده است. ۱ 1
Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan’ ny Tompo rahona amin’ ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin’ ny tany ny reharehan’ ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin’ ny andro fahatezerany!
خداوند تمامی مسکن های یعقوب را هلاک کرده و شفقت ننموده است. قلعه های دختر یهودارا در غضب خود منهدم ساخته، و سلطنت وسرورانش را به زمین انداخته، بی‌عصمت ساخته است. ۲ 2
Nolevonin’ ny Tompo ny fonenan’ i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan’ i Joda zanakavavy ka nazerany tamin’ ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,
در حدت خشم خود تمامی شاخهای اسرائیل را منقطع ساخته، دست راست خود را ازپیش روی دشمن برگردانیده است. و یعقوب رامثل آتش مشتعل که از هر طرف می‌بلعدسوزانیده است. ۳ 3
Nokapainy tamin’ ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan’ ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an’ i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.
کمان خود را مثل دشمن زه کرده، با دست راست خود مثل عدو برپا ایستاده است. و همه آنانی را که در خیمه دختر صهیون نیکو منظربودند به قتل رسانیده، غضب خویش را مثل آتش ریخته است. ۴ 4
Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin’ ny lain’ i Ziona zanakavavy.
خداوند مثل دشمن شده، اسرائیل را هلاک کرده و تمامی قصرهایش را منهدم ساخته وقلعه هایش را خراب نموده است. و برای دختریهودا ماتم و ناله را افزوده است. ۵ 5
Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan’ i Joda zanakavavy.
و سایبان خود را مثل (کپری ) در بوستان خراب کرده، مکان اجتماع خویش را منهدم ساخته است. یهوه، عیدها و سبت‌ها را در صهیون به فراموشی داده است. و در حدت خشم خویش پادشاهان و کاهنان را خوار نموده است. ۶ 6
Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon’ i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin’ ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
خداوند مذبح خود را مکروه داشته و مقدس خویش را خوار نموده و دیوارهای قصرهایش رابه‌دست دشمنان تسلیم کرده است. و ایشان درخانه یهوه مثل ایام عیدها صدا می‌زنند. ۷ 7
Ny alitarany narian’ ny Tompo, ny fitoerany masìna nolaviny; Natolony ho eo an-tànan’ ny fahavalo ny mandan’ ny lapa ao Ziona; Nanandratra ny feony tao an-tranon’ i Jehovah toy ny amin’ ny fotoam-pivavahana ireny.
یهوه قصد نموده است که حصارهای دخترصهیون را منهدم سازد. پس ریسمانکار کشیده، دست خود را از هلاکت باز نداشته، بلکه خندق وحصار را به ماتم درآورده است که با هم نوحه می‌کنند. ۸ 8
Jehovah ninia handrava ny mandan’ i Ziona zanakavavy; Nanenjana ny famolaina Izy ka tsy namonkina ny tanany tsy handrava; dia mampitomany ny fiarovany ivelany sy ny manda Izy, ka miara-dreraka ireo.
دروازه هایش به زمین فرو رفته است پشت بندهایش را خراب و خرد ساخته است. پادشاه و سرورانش در میان امت‌ها می‌باشند وهیچ شریعتی نیست. و انبیای او نیز رویا از جانب یهوه نمی بینند. ۹ 9
Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin’ ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’ i Jehovah.
مشایخ دختر صهیون بر زمین نشسته، خاموش می‌باشند، و خاک بر سر افشانده، پلاس می‌پوشند. و دوشیزگان اورشلیم سر خود رابسوی زمین می‌افکنند. ۱۰ 10
Mipetraka amin’ ny tany ny loholon’ i Ziona zanakavavy ka mangìna; Nasiany vovoka ny lohany, misikìna lamba fisaonana izy; Ny virijina any Jerosalema nampitanondrika ny lohany ho amin’ ny tany.
چشمان من از اشکها کاهیده شد و احشایم بجوش آمده و جگرم به‌سبب خرابی دختر قوم من بر زمین ریخته شده است. چونکه اطفال وشیرخوارگان در کوچه های شهر ضعف می‌کنند. ۱۱ 11
Pahina ny masoko azon’ ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin’ ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.
و به مادران خویش می‌گویند: گندم وشراب کجا است؟ زیرا که مثل مجروحان درکوچه های شهر بیهوش می‌گردند، و جانهای خویش را به آغوش مادران خود می‌ریزند. ۱۲ 12
Raha ana toy ny voatrobaka eny an-kalalahana ao an-tanana izy, na miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe izy: aiza izay vary sy divay?
برای تو چه شهادت توانم آورد و تو را به چه چیز تشبیه توانم نمود‌ای دختر اورشلیم! وچه چیز را به تو مقابله نموده، تو را‌ای دوشیزه دختر صهیون تسلی دهم! زیرا که شکستگی تومثل دریا عظیم است و کیست که تو را شفا تواندداد. ۱۳ 13
Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
انبیای تو رویاهای دروغ و باطل برایت دیده‌اند و گناهانت را کشف نکرده‌اند تا تو را ازاسیری برگردانند، بلکه وحی کاذب و اسباب پراکندگی برای تو دیده‌اند. ۱۴ 14
Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.
جمیع ره گذریان برتو دستک می‌زنند وسخریه نموده، سرهای خود را بر دختر اورشلیم می‌جنبانند (و می‌گویند): آیا این است شهری که آن را کمال زیبایی و ابتهاج تمام زمین می‌خواندند؟ ۱۵ 15
Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin’ i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian’ ny tany rehetra?
جمیع دشمنانت، دهان خود را بر توگشوده استهزا می‌نمایند و دندانهای خود را به هم افشرده، می‌گویند که آن را هلاک ساختیم. البته این‌روزی است که انتظار آن را می‌کشیدیم، حال آن را پیدا نموده و مشاهده کرده‌ایم. ۱۶ 16
Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.
یهوه آنچه را که قصد نموده است بجاآورده و کلامی را که از ایام قدیم فرموده بود به انجام رسانیده، آن را هلاک کرده و شفقت ننموده است. و دشمنت را برتو مسرور گردانیده، شاخ خصمانت را برافراشته است. ۱۷ 17
Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin’ ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
دل ایشان نزد خداوند فریاد برآورده، (می گوید): ای دیوار دختر صهیون، شبانه‌روزمثل رود اشک بریز و خود را آرامی مده ومردمک چشمت راحت نبیند! ۱۸ 18
Ny fonao mitaraina amin’ ny Tompo: Ry mandan’ i Ziona zanakavavy! mandrotsaha ranomaso andro aman’ alina toy ny riaka; Aza mangìna, aoka tsy hitsahatra ny anakandriamasonao.
شبانگاه در ابتدای پاسها برخاسته، فریادبرآور و دل خود را مثل آب پیش روی خداوندبریز. و دستهای خود را به‌خاطر جان اطفالت که از گرسنگی به‌سر هرکوچه بیهوش می‌گردند نزد او برافراز، ۱۹ 19
Mitsangàna, miantsoantsoa amin’ ny alina hatramin’ ny filatsahan’ ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan’ ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an’ ny ain’ ny zanakao madinika, izay anan’ ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
(وبگو): ای یهوه بنگر و ملاحظه فرما که چنین عمل را به چه کس نموده‌ای آیا می‌شود که زنان میوه رحم خود و اطفالی را که به ناز پرورده بودند بخورند؟ و آیا می‌شود که کاهنان و انبیا درمقدس خداوند کشته شوند؟ ۲۰ 20
Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin’ ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin’ ny fitoera-masin’ i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany?
جوانان و پیران در کوچه‌ها بر زمین می‌خوابند. دوشیزگان و جوانان من به شمشیرافتاده‌اند. در روز غضب خود ایشان را به قتل رسانیده، کشتی و شفقت ننمودی. ۲۱ 21
Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon’ ny sabatra, Novonoinao tamin’ ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.
ترسهای مرا از هرطرف مثل روز عیدخواندی و کسی نبود که در روز غضب یهوه نجات یابد یا باقی ماند. و آنانی را که به ناز پرورده و تربیت نموده بودم دشمن من ایشان را تلف نموده است. ۲۲ 22
Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin’ ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin’ ny fahavaloko.

< سوگنامه 2 >