< یوشع 17 >

و قسمت سبط منسی این شد، زیرا که او نخست زاده یوسف بود، و اما ماکیرنخست زاده منسی که پدر جلعاد باشد، چونکه مرد جنگی بود جلعاد و باشان به او رسید. ۱ 1
Ary nahazo zara-tany tamin’ ny filokana koa ny firenen’ i Manase (fa izy no lahimatoan’ i Josefa), dia Makira, lahimatoan’ i Manase, rain’ i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’ i Gileada sy Basana.
وبرای پسران دیگر منسی به حسب قبایل ایشان قسمتی شد، یعنی برای پسران ابیعزر، و برای پسران هالک، و برای پسران اسرئیل، و برای پسران شکیم، و برای پسران حافر، و برای پسران شمیداع. اینان اولاد ذکور منسی بن یوسف برحسب قبایل ایشان می‌باشند. ۲ 2
Ary nisy koa ho an’ ny taranak’ i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ ny taranak’ i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin’ i Manase, zanak’ i Josefa, araka ny fokony.
و اما صلفحاد بن حافر بن جلعاد بن ماکیربن منسی را پسران نبود، بلکه دختران، و اینهاست نامهای دخترانش: محله و نوعه و حجله و ملکه وترصه. ۳ 3
Fa Zelofada, zanak’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Matira, zanak’ i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran’ ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
پس ایشان نزد العازار کاهن و نزد یوشع بن نون و نزد روسا آمده، گفتند که «خداوند موسی را امر فرمود که ملکی در میان برادران ما به مابدهد.» پس برحسب فرمان خداوند، ملکی درمیان برادران پدرشان به ایشان داد. ۴ 4
Dia nanatona teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an’ i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin’ ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin’ ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’ i Jehovah.
و به منسی سوای زمین جلعاد و باشان که به آن طرف اردن واقع است، ده حصه رسید. ۵ 5
Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izay any an-dafin’ i Jordana,
زیرا که دختران منسی، ملکی در میان پسرانش یافتند، و پسران دیگر منسی، جلعاد را یافتند. ۶ 6
satria ny zanakavavin’ i Manase niara-nahazo lova tamin’ ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an’ ny zanakalahin’ i Manase sisa.
و حد منسی از اشیر تا مکمته که مقابل شکیم است، بود، و حدش به طرف راست تا ساکنان عین تفوح رسید. ۷ 7
Ary ny fari-tanin’ i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin’ i Sekema, dia nandroso tamin’ ny ankavanana hatramin’ ny mponina any En-tapoa.
و زمین تفوح از آن منسی بود، اماتفوح که به‌سرحد منسی واقع است از آن بنی افرایم بود. ۸ 8
Ary an’ i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin’ ny fari-tanin’ i Manase, dia an’ ny taranak’ i Efraima.
و حدش به وادی قانه یعنی به طرف جنوب وادی برآمد، و این شهرها از میان شهرهای منسی، ملک افرایم بود، و حد منسی به طرف شمال وادی و انتهایش به دریا بود. ۹ 9
Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon’ ny lohasahan-driak’ i Kana; ireo tanana teo amin’ ny tanànan’ i Manase ireo dia an’ i Efraima; ary ny faritaniny Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.
جنوب آن از آن افرایم، و شمال آن از آن منسی و دریا حد او بود، و ایشان به سوی شمال تااشیر و به سوی مشرق تا یساکار رسیدند. ۱۰ 10
Ny atsimo dia an’ i Efraima, ary ny avaratra dia an’ i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin’ i Asera teo avaratra sy tamin’ Isakara teo atsinanana izy.
ومنسی در یساکار و در اشیر بیت‌شان وقصبه هایش، و یبلعام و قصبه هایش، و ساکنان دور و قصبه هایش، و ساکنان عین دور وقصبه هایش، و ساکنان تعناک و قصبه هایش، وساکنان مجدو و قصبه هایش، یعنی سه محال کوهستانی داشت. ۱۱ 11
Ary Manase nahazo anjara koa teo amin’ Isakara sy teo amin’ i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin’ ny havoana telo ireo.
لیکن بنی منسی ساکنان آن شهرها را نتوانستند بیرون کنند، و کنعانیان جازم بودند که در آن زمین ساکن باشند. ۱۲ 12
Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak’ i Manase: fa tian’ ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
و واقع شدکه چون بنی‌اسرائیل قوت یافتند، از کنعانیان جزیه گرفتند، لیکن ایشان را بالکل بیرون نکردند. ۱۳ 13
Fa rehefa nihahery ny Zanak’ Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.
و بنی یوسف یوشع را خطاب کرده، گفتند: «چرا یک قرعه و یک حصه فقط به من برای ملکیت دادی؟ و حال آنکه من قوم بزرگ هستم، چونکه خداوند تا الان مرا برکت داده است.» ۱۴ 14
Dia niteny tamin’ i Josoa ny taranak’ i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin’ Jehovah toy izao mandraka ankehitriny?
یوشع به ایشان گفت: «اگر تو قوم بزرگ هستی به جنگل برآی و در آنجا در زمین فرزیان ورفائیان برای خود مکانی صاف کن، چونکه کوهستان افرایم برای تو تنگ است.» ۱۵ 15
Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin’ ny ala, ka miteveza honenanao any amin’ ny tanin’ ny Perizita sy ny Refaïta, fa terỳ loatra aminao ny tany havoan’ i Efraima.
بنی یوسف گفتند: «کوهستان برای ما کفایت نمی کند، و جمیع کنعانیان که در زمین وادی ساکنند، ارابه های آهنین دارند، چه آنانی که دربیت‌شان و قصبه هایش، و چه آنانی که در وادی یزرعیل هستند.» ۱۶ 16
Dia hoy ny taranak’ i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin’ ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin’ ny tany lemaka Jezirela.
پس یوشع به خاندان یوسف یعنی به افرایم و منسی خطاب کرده، گفت: «توقوم بزرگ هستی و قوت بسیار داری، برای تو یک قرعه نخواهد بود. ۱۷ 17
Dia hoy Josoa tamin’ ny taranak’ i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa;
بلکه کوهستان نیز از آن توخواهد بود، و اگر‌چه آن جنگل است آن راخواهی برید، و تمامی حدودش مال تو خواهدبود زیرا که کنعانیان را بیرون خواهی کرد، اگر‌چه ارابه های آهنین داشته، و زورآور باشند.» ۱۸ 18
fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.

< یوشع 17 >