< یوشع 16 >

و قرعه برای بنی یوسف به سمت مشرق، از اردن اریحا به طرف آبهای اریحا تا صحرایی که از اریحا به سوی کوه بیت ئیل بر می‌آید، بیرون آمد. ۱ 1
Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,
و از بیت ئیل تالوز برآمده، به‌سرحد ارکیان تا عطاروت گذشت. ۲ 2
dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ ny fari-tanin’ ny Arkita hatrany Atarota,
و به سمت مغرب به‌سرحد یفلیطیان تا کناربیت حورون پایین و تا جازر پایین آمد، و انتهایش تا دریا بود. ۳ 3
dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ ny Jafletita ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.
پس پسران یوسف، منسی و افرایم، ملک خود را گرفتند. ۴ 4
Dia azon’ i Manase sy Efraima, taranak’ i Josefa, ny lovany.
و حدود بنی افرایم به حسب قبایل ایشان چنین بود که حد شرقی ملک ایشان عطاروت ادارتا بیت حورون بالا بود. ۵ 5
Ary ny amin’ ny fari-tanin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin’ ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
و حد غربی ایشان به طرف شمال نزد مکمیت برآمد و حد ایشان به سمت مشرق به تانه شیلوه برگشته، به طرف مشرق یانوحه از آن گذشت. ۶ 6
Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’ i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
و از یانوحه به عطاروت و نعره پایین آمده، به اریحا رسید و به اردن منتهی شد. ۷ 7
dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin’ i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
و سرحد غربی آن از تفوح تاوادی قانه رفت و آخر آن به دریا بود، این است ملک سبط بنی افرایم به حسب قبایل ایشان. ۸ 8
Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Kana, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Efraima araka ny fokony,
علاوه بر شهرهایی که از میان ملک بن منسی برای بنی افرایم جدا شده بود، جمیع شهرها بادهات آنها بود. ۹ 9
mbamin’ ny tanàna natokana ho an’ ny taranak’ i Efraima teo amin’ ny lovan’ ny taranak’ i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ ny zana-bohiny.
و کنعانیان را که در جازر ساکن بودند، بیرون نکردند. پس کنعانیان تا امروز درمیان افرایم ساکنند، و برای جزیه، بندگان شدند. ۱۰ 10
Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.

< یوشع 16 >