< اشعیا 66 >

خداوند چنین می‌گوید: «آسمانهاکرسی من و زمین پای انداز من است، پس خانه‌ای که برای من بنا می‌کنید کجا است؟ ومکان آرام من کجا؟» ۱ 1
Izao no lazain’ i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
خداوند می‌گوید: «دست من همه این چیزها را ساخت پس جمیع اینهابوجود آمد اما به این شخص که مسکین و شکسته دل و از کلام من لرزان باشد، نظر خواهم کرد. ۲ 2
Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
کسی‌که گاوی ذبح نماید مثل قاتل انسان است و کسی‌که گوسفندی ذبح کند مثل شخصی است که گردن سگ را بشکند. و آنکه هدیه‌ای بگذراندمثل کسی است که خون خنزیری را بریزد و آنکه بخور‌سوزاند مثل شخصی است که بتی را تبریک نماید و ایشان راههای خود را اختیار کرده‌اند وجان ایشان از رجاسات خودشان مسرور است. ۳ 3
Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’ alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ ireny ny halehany, Sy ny nifalian’ ny fanahiny tamin’ ny fahavetavetany,
پس من نیز مصیبت های ایشان را اختیار خواهم کرد و ترسهای ایشان را بر ایشان عارض خواهم گردانید، زیرا چون خواندم کسی جواب نداد وچون تکلم نمودم ایشان نشنیدند بلکه آنچه را که در نظر من ناپسند بود بعمل آوردند و آنچه را که نخواستم اختیار کردند.» ۴ 4
Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy, Sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, Satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, Niteny Aho, fa tsy nihaino izy; Fa nanao izay ratsy eo imasoko, Ary izay tsy sitrako no nofidiny.
‌ای آنانی که از کلام خداوند می‌لرزید سخن او را بشنوید. برادران شما که از شما نفرت دارندو شما را بخاطر اسم من از خود می‌رانندمی گویند: خداوند تمجید کرده شود تا شادی شما را ببینم لیکن ایشان خجل خواهند شد. ۵ 5
Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
آواز غوغا از شهر، صدایی از هیکل، آوازخداوند است که به دشمنان خود مکافات می‌رساند. ۶ 6
Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin’ ny tempoly, Dia feon’ i Jehovah izay mamaly ny ataon’ ny fahavalony.
قبل از آنکه درد زه بکشد، زایید. پیش از آنکه درد او را فرو‌گیرد اولاد نرینه‌ای آورد. ۷ 7
Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.
کیست که مثل این را شنیده و کیست که مثل این را دیده باشد؟ آیا ولایتی در یک روزمولود گردد و قومی یکدفعه زاییده شود؟ زیرا صهیون به مجرد درد زه کشیدن پسران خود را زایید. ۸ 8
Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
خداوند می‌گوید: «آیا من بفم رحم برسانم و نزایانم؟» و خدای تومی گوید: «آیا من که زایاننده هستم، رحم راببندم؟» ۹ 9
Izaho moa hahatonga ho eo amin’ ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
‌ای همه آنانی که اورشلیم را دوست می‌دارید با او شادی کنید و برایش وجد نمایید. وای همه آنانی که برای او ماتم می‌گیرید، با اوشادی بسیار نمایید. ۱۰ 10
Miaraha mifaly amin’ i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
تا از پستانهای تسلیات اوبمکید و سیر شوید و بدوشید و از فراوانی جلال او محظوظ گردید. ۱۱ 11
Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin’ ny haben’ ny voninahiny.
زیرا خداوند چنین می‌گوید: «اینک من سلامتی را مثل نهر و جلال امت‌ها را مانند نهر سرشار به او خواهم رسانید. وشما خواهید مکید و در آغوش او برداشته شده، بر زانوهایش بناز پرورده خواهید شد.» ۱۲ 12
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.
و مثل کسی‌که مادرش او را تسلی دهد همچنین من شمارا تسلی خواهم داد ودر اورشلیم تسلی خواهیدیافت.» ۱۳ 13
Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
پس چون این را بینید دل شما شادمان خواهد شد و استخوانهای شما مثل گیاه سبز وخرم خواهد گردید و دست خداوند بر بندگانش معروف خواهد شد اما بر دشمنان خود غضب خواهد نمود. ۱۴ 14
Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan’ i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin’ ny fahavalony kosa Izy.
زیرا اینک خداوند با آتش خواهد آمد و ارابه های او مثل گردباد تاغضب خود را با حدت و عتاب خویش را باشعله آتش به انجام رساند. ۱۵ 15
Fa, indro, Jehovah ho avy amin’ ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin’ ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin’ ny lelafo.
زیرا خداوند باآتش و شمشیر خود بر تمامی بشر داوری خواهد نمود و مقتولان خداوند بسیار خواهندبود. ۱۶ 16
Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’ i Jehovah hifandahatra amin’ ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan’ i Jehovah.
و خداوند می‌گوید: «آنانی که از عقب یکنفر که در وسط باشد خویشتن را در باغات تقدیس و تطهیر می‌نمایند و گوشت خنزیر ورجاسات و گوشت موش می‌خورند با هم تلف خواهند شد. ۱۷ 17
Izay manamasìna sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
و من اعمال و خیالات ایشان راجزا خواهم داد و آمده، جمیع امت‌ها و زبانها راجمع خواهم کرد و ایشان آمده، جلال مراخواهند دید. ۱۸ 18
Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.
و آیتی در میان ایشان برپاخواهم داشت و آنانی را که از ایشان نجات یابندنزد امت‌ها به ترشیش و فول و تیراندازان لود وتوبال و یونان و جزایر بعیده که آوازه مرانشنیده‌اند و جلال مرا ندیده‌اند خواهم فرستاد تاجلال مرا در میان امت‌ها شایع سازند.» ۱۹ 19
Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin’ ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin’ ny jentilisa izy.
وخداوند می‌گوید که ایشان جمیع برادران شما رااز تمامی امت‌ها بر اسبان و ارابه‌ها و تخت روانهاو قاطران و شتران به کوه مقدس من اورشلیم به جهت خداوند هدیه خواهند‌آورد. چنانکه بنی‌اسرائیل هدیه خود را در ظرف پاک به خانه خداوند می‌آورند. ۲۰ 20
Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin’ ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’ i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masìna, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran’ ny Zanak’ Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin’ ny vilia madio ho any an-tranon’ i Jehovah;
و خداوند می‌گویدکه از ایشان نیز کاهنان و لاویان خواهند گرفت. ۲۱ 21
Ary avy amin’ ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita, hoy Jehovah.
زیرا خداوند می‌گوید: «چنانکه آسمانهای جدید و زمین جدیدی که من آنها را خواهم ساخت در حضور من پایدار خواهد ماندهمچنان ذریت شما و اسم شما پایدار خواهد ماند.» ۲۲ 22
Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, Dia toy izany ny haharetan’ ny taranakareo sy ny anaranareo.
و خداوند می‌گوید که از غره ماه تاغره دیگر و از سبت تا سبت دیگر تمامی بشرخواهند آمد تا به حضور من سجده نمایند. ۲۳ 23
Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tsabata; Dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.
وایشان بیرون رفته، لاشهای مردمانی را که بر من عاصی شده‌اند ملاحظه خواهند کرد زیرا کرم ایشان نخواهد مرد و آتش ایشان خاموش نخواهد شد و ایشان نزد تمامی بشر مکروه خواهند بود. ۲۴ 24
Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon’ ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.

< اشعیا 66 >