< استر 8 >

در آنروز اخشورش پادشاه، خانه هامان، دشمن یهود را به استر ملکه ارزانی داشت. و مردخای در حضور پادشاه داخل شد، زیرا که استر او را از نسبتی که با وی داشت خبر داده بود. ۱ 1
Tamin’ izany andro izany dia nomen’ i Ahasoerosy mpanjaka ho an’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, ny tranon’ i Hamana, fahavalon’ ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan’ ny mpanjaka, fa efa voalazan’ i Estera fa rainy izy
و پادشاه انگشتر خود را که از هامان گرفته بودبیرون کرده، به مردخای داد و استر مردخای را برخانه هامان گماشت. ۲ 2
Ary nesorin’ ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin’ i Hamana, ka nomeny an’ i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren’ i Estera hanapaka ny tranon’ i Hamana.
و استر بار دیگر به پادشاه عرض کرد و نزد پایهای او افتاده، بگریست و از اوالتماس نمود که شر هامان اجاجی و تدبیری را که برای یهودیان کرده بود، باطل سازد. ۳ 3
Dia niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin’ ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon’ i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
پس پادشاه چوگان طلا را بسوی استر دراز کرد و استربرخاسته، به حضور پادشاه ایستاد ۴ 4
Ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan’ ny mpanjaka
و گفت: «اگرپادشاه را پسند آید و من در حضور او التفات یافته باشم و پادشاه این امر را صواب بیند و اگر من منظور نظر او باشم، مکتوبی نوشته شود که آن مراسله را که هامان بن همداتای اجاجی تدبیرکرده و آنها را برای هلاکت یهودیانی که در همه ولایتهای پادشاه می‌باشند نوشته است، باطل سازد. ۵ 5
ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon’ ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka;
زیرا که من بلایی را که بر قومم واقع می‌شود چگونه توانم دید؟ و هلاکت خویشان خود را چگونه توانم نگریست؟» ۶ 6
fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
آنگاه اخشورش پادشاه به استر ملکه و مردخای یهودی فرمود: «اینک خانه هامان را به استر بخشیدم و او را به‌سبب دست درازی به یهودیان به دار کشیده‌اند. ۷ 7
Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka sy tamin’ i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon’ i Hamana efa nomeko an’ i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin’ ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
و شما آنچه را که درنظرتان پسند آید، به اسم پادشاه به یهودیان بنویسید و آن را به مهر پادشاه مختوم سازید، زیراهرچه به اسم پادشاه نوشته شود و به مهر پادشاه مختوم گردد کسی نمی تواند آن را تبدیل نماید.» ۸ 8
ary ianareo kosa dia manorata amin’ ny anaran’ ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin’ ny anaran’ ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka
پس در آن ساعت، در روز بیست و سوم ماه سوم که ماه سیوان باشد، کاتبان پادشاه را احضارکردند و موافق هر‌آنچه مردخای امر فرمود، به یهودیان و امیران و والیان و روسای ولایتها یعنی صد و بیست و هفت ولایت که از هند تا حبش بودنوشتند. به هر ولایت، موافق خط آن و به هر قوم، موافق زبان آن و به یهودیان، موافق خط و زبان ایشان. ۹ 9
Dia nantsoina tamin’ izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian’ i Mordekay izany ho any amin’ ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin’ ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
و مکتوبات را به اسم اخشورش پادشاه نوشت و به مهر پادشاه مختوم ساخته، آنها را به‌دست چاپاران اسب‌سوار فرستاد و ایشان براسبان تازی که مختص خدمت پادشاه و کره های مادیانهای او بودند، سوار شدند. ۱۰ 10
Ary nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
و در آنهاپادشاه به یهودیانی که در همه شهرها بودند، اجازت داد که جمع شده، به جهت جانهای خودمقاومت نمایند و تمامی قوت قومها و ولایتها راکه قصد اذیت ایشان می‌داشتند، با اطفال و زنان ایشان هلاک سازند و بکشند و تلف نمایند واموال ایشان را تاراج کنند. ۱۱ 11
ka ny Jiosy izay teny amin’ ny isan-tanàna dia navelan’ ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ ny vady aman-janak’ ireny ary handroba ny fananany
در یک روز یعنی در سیزدهم ماه دوازدهم که ماه آذار باشد در همه ولایتهای اخشورش پادشاه. ۱۲ 12
amin’ ny andro iray ihany any amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany).
و تا این حکم درهمه ولایتها رسانیده شود، سوادهای مکتوب به همه قومها اعلان شد که در همان روز یهودیان مستعد باشند تا از دشمنان خود انتقام بگیرند. ۱۳ 13
Ny kopen’ ny teny natao didy ho amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana dia nantsoina tamin’ ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin’ izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
پس چاپاران بر اسبان تازی که مختص خدمت پادشاه بود، روانه شدند و ایشان را بر حسب حکم پادشاه شتابانیده، به تعجیل روانه ساختند و حکم، در دارالسلطنه شوشن نافذ شد. ۱۴ 14
Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
و مردخای از حضور پادشاه با لباس ملوکانه لاجوردی و سفید و تاج بزرگ زرین و ردای کتان نازک ارغوانی بیرون رفت و شهر شوشن شادی ووجد نمودند، ۱۵ 15
Ary tamin’ ny nialan’ i Mordekay teo anatrehan’ ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
و برای یهودیان، روشنی وشادی و سرور و حرمت پدید آمد. ۱۶ 16
Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.
و در همه ولایتها و جمیع شهرها در هر جایی که حکم وفرمان پادشاه رسید، برای یهودیان، شادمانی وسرور و بزم و روز خوش بود و بسیاری ازقوم های زمین به دین یهود گرویدند زیرا که ترس یهودیان بر ایشان مستولی گردیده بود. ۱۷ 17
Ary teo amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ ny didin’ ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.

< استر 8 >