< دوم سموئیل 3 >

و جنگ در میان خاندان شاول و خاندان داود به طول انجامید و داود روز به روزقوت می‌گرفت و خاندان شاول روز به روزضعیف می‌شدند. ۱ 1
Ary naharitra ela ny adin’ ny tamingan’ i Saoly sy ny tamingan’ i Davida, nefa Davida nihahery, fa ny tamingan’ i Saoly kosa nihahosa.
و برای داود در حبرون پسران زاییده شدند، و نخست زاده‌اش، عمون، از اخینوعم یزرعیلیه بود. ۲ 2
Ary Davida niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin’ i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoany;
و دومش، کیلاب، از ابیجایل، زن نابال کرملی، و سوم، ابشالوم، پسر معکه، دختر تلمای پادشاه جشور. ۳ 3
ary Kileaba, tamin’ i Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny fahatelo dia Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora;
و چهارم ادونیا، پسر حجیت، وپنجم شفطیا پسر ابیطال، ۴ 4
ary ny fahefatra dia Adonia, zanak’ i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak’ i Abitala;
و ششم، یترعام ازعجله، زن داود. اینان برای داود در حبرون زاییده شدند. ۵ 5
ary ny fahenina dia Jitreama, tamin’ i Egla, vadin’ i Davida. Ireo no naterak’ i Davida tao Hebrona.
و هنگامی که جنگ در میان خاندان شاول وخاندان داود می‌بود، ابنیر، خاندان شاول راتقویت می‌نمود. ۶ 6
Ary raha mbola niady ny tamingan’ i Davida sy ny tamingan’ i Saoly, Abnera dia nampiseho hery niandany tamin’ ny tamingan’ i Saoly.
و شاول را کنیزی مسمی به رصفه دختر ایه بود، و ایشبوشت به ابنیر گفت: «چرا به کنیز پدرم درآمدی؟» ۷ 7
(Ary Saoly nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin’ i Aia) Kanefa Isboseta niteny tamin’ i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon’ ikaky?
و خشم ابنیر به‌سبب سخن ایشبوشت بسیار افروخته شده، گفت: «آیا من سر سگ برای یهودا هستم و حال آنکه امروز به خاندان پدرت، شاول، و برادرانش واصحابش احسان نموده‌ام و تو را به‌دست داودتسلیم نکرده‌ام که به‌سبب این زن امروز گناه بر من اسناد می‌دهی؟ ۸ 8
Dia tezitra mafy Abnera noho ny tenin’ Isboseta, ka hoy izy: Lohan’ alika no miandany amin’ ny Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan’ i Saoly rainao sy ny rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan’ i Davida, nefa aho izao helohinao noho ny amin’ iny vehivavy iny?
خدا مثل این و زیاده از این به ابنیر بکند اگر من به طوری که خداوند برای داودقسم خورده است، برایش چنین عمل ننمایم. ۹ 9
Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,
تا سلطنت را از خاندان شاول نقل نموده، کرسی داود را بر اسرائیل و یهودا از دان تا بئرشبع پایدار گردانم.» ۱۰ 10
ka hampiala ny fanjakana amin’ ny tamingan’ i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan’ i Davida amin’ ny Isiraely sy amin’ ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
و او دیگر نتوانست در جواب ابنیر سخنی گوید زیرا که از او می‌ترسید. ۱۱ 11
Dia tsy nahavaly an’ i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
پس ابنیر در آن حین قاصدان نزد داودفرستاده، گفت: «این زمین مال کیست؟ و گفت تو بامن عهد ببند و اینک دست من با تو خواهد بود تاتمامی اسرائیل را به سوی تو برگردانم.» ۱۲ 12
Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’ i Davida niaraka tamin’ izay hanao hoe: An’ iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.
اوگفت: «خوب، من با تو عهد خواهم بست ولیکن یک چیز از تو می‌طلبم و آن این است که روی مرانخواهی دید، جز اینکه اول چون برای دیدن روی من بیایی میکال، دختر شاول را بیاوری.» ۱۳ 13
Dia hoy izy: Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala, zanakavavin’ i Saoly.
پس داود رسولان نزد ایشبوشت بن شاول فرستاده، گفت: «زن من، میکال را که برای خود به صد قلفه فلسطینیان نامزد ساختم، نزد من بفرست.» ۱۴ 14
Ary Davida naniraka olona nankany amin’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin’ ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy.
پس ایشبوشت فرستاده، او را از نزد شوهرش فلطئیل بن لایش گرفت. ۱۵ 15
Ary Isboseta naniraka naka an’ i Mikala tany amin’ i Paltiela vadiny, zanak’ i Laisy.
و شوهرش همراهش رفت و در عقبش تا حوریم گریه می‌کرد. پس ابنیر وی را گفت: «برگشته، برو.» و اوبرگشت. ۱۶ 16
Ary io vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
و ابنیر با مشایخ اسرائیل تکلم نموده، گفت: «قبل از این داود را می‌طلبیدید تا بر شماپادشاهی کند. ۱۷ 17
Ary Abnera efa niteny tamin’ ny loholon’ ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo an’ i Davida ho mpanjakanareo;
پس الان این را به انجام برسانیدزیرا خداوند درباره داود گفته است که به وسیله بنده خود، داود، قوم خویش، اسرائیل را از دست فلسطینیان و از دست جمیع دشمنان ایشان نجات خواهم داد.» ۱۸ 18
koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.
و ابنیر به گوش بنیامینیان نیزسخن گفت. و ابنیر هم به حبرون رفت تا آنچه راکه در نظر اسرائیل و در نظر تمامی خاندان بنیامین پسند آمده بود، به گوش داود بگوید. ۱۹ 19
Ary Abnera efa niteny tamin’ ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin’ i Davida ao Hebrona koa izay rehetra tian’ ny Isiraely sy ny taranak’ i Benjamina rehetra hatao.
پس ابنیر بیست نفر با خود برداشته، نزدداود به حبرون آمد و داود به جهت ابنیر ورفقایش ضیافتی برپا کرد. ۲۰ 20
Dia tonga tany amin’ i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary nanao fanasana ho an’ i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
و ابنیر به داود گفت: «من برخاسته، خواهم رفت و تمامی اسرائیل رانزد آقای خود، پادشاه، جمع خواهم آورد تا با توعهد ببندند و به هر‌آنچه دلت می‌خواهد سلطنت نمایی. پس داود ابنیر را مرخص نموده، او به سلامتی برفت. ۲۱ 21
Ary hoy Abnera tamin’ i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao amin’ izay rehetra irin’ ny fonao. Ary Davida nampandeha an’ i Abnera; ka dia lasa soa aman-tsara izy.
و ناگاه بندگان داود و یوآب از غارتی بازآمده، غنیمت بسیار با خود آوردند. و ابنیر با داوددر حبرون نبود زیرا وی را رخصت داده، و او به سلامتی رفته بود. ۲۲ 22
Ary, indreo, tonga ny mpanaraka an’ i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa tsy teo amin’ i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
و چون یوآب و تمامی لشکری که همراهش بودند، برگشتند، یوآب راخبر داده، گفتند که «ابنیر بن نیر نزد پادشاه آمد واو را رخصت داده و به سلامتی رفت.» ۲۳ 23
Nony tonga Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin’ i Joaba hoe: Tonga tao amin’ ny mpanjaka Abnera, zanak’ i Nera, nefa nalefany izy, ka dia lasa soa aman-tsara.
پس یوآب نزد پادشاه آمده، گفت: «چه کردی! اینک ابنیر نزد تو آمد. چرا او را رخصت دادی و رفت؟ ۲۴ 24
Ary Joaba nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara izy?
ابنیر بن نیر را می‌دانی که او آمد تا تو را فریب دهد و خروج و دخول تو را بداند و هر کاری را که می‌کنی دریافت کند.» ۲۵ 25
Fantatrao anefa ny amin’ i Abnera, zanak’ i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
و یوآب از حضور داود بیرون رفته، قاصدان در عقب ابنیر فرستاد که او را از چشمه سیره بازآوردند اما داود ندانست. ۲۶ 26
Dia nivoaka Joaba avy tao amin’ i Davida ka naniraka olona hanaraka an’ i Abnera, ary nitondra azy niverina avy any amin’ ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha ireo: nefa tsy fantatr’ i Davida izany.
و چون ابنیربه حبرون برگشت، یوآب او را در میان دروازه به کنار کشید تا با او به خفیه سخن گوید و به‌سبب خون برادرش عسائیل به شکم او زد که مرد. ۲۷ 27
Ary nony niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin’ i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka aminy mangingina, kanjo nasiany tamin’ ny kibony ka matiny ho todin’ ny ran’ i Asahela rahalahiny.
وبعد از آن چون داود این را شنید، گفت: «من وسلطنت من به حضور خداوند از خون ابنیر بن نیرتا به ابد بری هستیم. ۲۸ 28
Ary rehefa afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo anatrehan’ i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin’ ny ran’ i Abnera, zanak’ i Nera.
پس بر سر یوآب و تمامی خاندان پدرش قرار گیرد و کسی‌که جریان وبرص داشته باشد و بر عصا تکیه کند و به شمشیربیفتد و محتاج نان باشد، از خاندان یوآب منقطع نشود.» ۲۹ 29
Hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin’ izany; ary tsy ho tapaka amin’ ny taranak’ i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny mamahana amin’ ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
و یوآب و برادرش ابیشای، ابنیر راکشتند، به‌سبب این که برادر ایشان، عسائیل را درجبعون در جنگ کشته بود. ۳۰ 30
Toy izany no namonoan’ i Joaba sy Abisay rahalahiny an’ i Abnera noho ny namonoany an’ i Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin’ ny ady.
و داود به یوآب و تمامی قومی که همراهش بودند، گفت: «جامه خود را بدرید وپلاس بپوشید و برای ابنیر نوحه کنید.» و داودپادشاه در عقب جنازه رفت. ۳۱ 31
Ary hoy Davida tamin’ i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny fitafianareo, ary misikìna lamba fisaonana, ka aoka hisaona eo anolohan’ i Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.
و ابنیر را درحبرون دفن کردند و پادشاه آواز خود را بلندکرده، نزد قبر ابنیر گریست و تمامی قوم گریه کردند. ۳۲ 32
Dia nandevina an’ i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka nitomany teo amin’ ny fasan’ i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany koa.
و پادشاه برای ابنیر مرثیه خوانده، گفت: «آیا باید ابنیر بمیرد به طوری که شخص احمق می‌میرد. ۳۳ 33
Ary ny mpanjaka nanao hira fisaonana an’ i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan’ ny adala va no tokony ho nahafatesan’ i Abnera?
دستهای تو بسته نشد وپایهایت در زنجیر گذاشته نشد. مثل کسی‌که پیش شریران افتاده باشد افتادی.» پس تمامی قوم بار دیگر برای او گریه کردند. ۳۴ 34
Ny tananao tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok’ izay asian’ ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola nitomany azy indray.
و تمامی قوم چون هنوز روز بود آمدند تا داود را نان بخوراننداما داود قسم خورده، گفت: «خدا به من مثل این بلکه زیاده از این بکند اگر نان یا چیز دیگر پیش ازغروب آفتاب بچشم.» ۳۵ 35
Ary izy rehetra dia avy hampihinan-kanina an’ i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida nianiana hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny masoandro.
و تمامی قوم ملتفت شدند و به نظر ایشان پسند آمد. چنانکه هر‌چه پادشاه می‌کرد، در نظر تمامی قوم پسند می‌آمد. ۳۶ 36
Ary azon’ ny vahoaka rehetra ny hevitr’ izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany izay rehetra nataon’ ny mpanjaka.
و جمیع قوم و تمامی اسرائیل در آن روزدانستند که کشتن ابنیر بن نیر از پادشاه نبود. ۳۷ 37
Ka dia fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin’ izany andro izany fa tsy avy tamin’ ny mpanjaka no nahafaty an’ i Abnera, zanak’ i Nera.
وپادشاه به خادمان خود گفت: «آیا نمی دانید که سروری و مرد بزرگی امروز در اسرائیل افتاد؟ ۳۸ 38
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza no maty androany tamin’ ny Isiraely?
و من امروز با آنکه به پادشاهی مسح شده‌ام ضعیف هستم و این مردان، یعنی پسران صرویه ازمن تواناترند. خداوند عامل شرارت را بر‌حسب شرارتش جزا دهد.» ۳۹ 39
Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’ i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.

< دوم سموئیل 3 >