< دوم پادشاهان 5 >

و نعمان، سردار لشکر پادشاه ارام، در حضور آقایش مردی بزرگ و بلند جاه بود، زیرا خداوند به وسیله او ارام را نجات داده بود، وآن مرد جبار، شجاع ولی ابرص بود. ۱ 1
Ary Namàna, komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan’ ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen’ i Jehovah an’ i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.
و فوجهای ارامیان بیرون رفته، کنیزکی کوچک از زمین اسرائیل به اسیری آوردند و او در حضور زن نعمان خدمت می‌کرد. ۲ 2
Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ary nanompo ny vadin’ i Namana io.
و به خاتون خود گفت: «کاش که آقایم در حضور نبی‌ای که در سامره است، می‌بود که او را از برصش شفا می‌داد.» ۳ 3
Ary hoy io tamin’ ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin’ ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin’ ny habokany izy.
پس کسی درآمده، آقای خود را خبر داده، گفت: «کنیزی که از ولایت اسرائیل است، چنین وچنان می‌گوید.» ۴ 4
Ary niditra Namana ka nilaza tamin’ ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain’ ilay zazavavy izay avy tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.
پس پادشاه ارام گفت: «بیا برو ومکتوبی برای پادشاه اسرائیل می‌فرستم.» ۵ 5
Dia hoy ny mpanjakan’ i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
ومکتوب را نزد پادشاه اسرائیل آورد و در آن نوشته بود که «الان چون این مکتوب به حضورت برسد اینک بنده خود نعمان را نزد تو فرستادم تااو را از برصش شفا دهی.» ۶ 6
Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga atỳ aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an’ i Namàna mpanompoko aho hankatỳ aminao, koa sitrano amin’ ny habokany izy.
اما چون پادشاه اسرائیل مکتوب را خواند لباس خود را دریده، گفت: «آیا من مرد خدا هستم که بمیرانم و زنده کنم که این شخص نزد من فرستاده است تا کسی رااز برصش شفا بخشم. پس بدانید و ببینید که اوبهانه جویی از من می‌کند.» ۷ 7
Ary nony efa novakin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan’ ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin’ ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
اما چون الیشع، مرد خدا شنید که پادشاه اسرائیل لباس خود را دریده است، نزد پادشاه فرستاده، گفت: «لباس خود را چرا دریدی؟ اونزد من بیاید تا بداند که در اسرائیل نبی‌ای هست.» ۸ 8
Ary rehefa ren’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankatỳ amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin’ ny Isiraely.
پس نعمان با اسبان و ارابه های خودآمده، نزد در خانه الیشع ایستاد. ۹ 9
Ary dia nandeha Namàna nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran’ ny tranon’ i Elisa.
و الیشع رسولی نزد وی فرستاده، گفت: «برو و در اردن هفت مرتبه شست و شو نما. و گوشتت به توبرگشته، طاهر خواهی شد.» ۱۰ 10
Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.
اما نعمان غضبناک شده، رفت و گفت: «اینک گفتم البته نزدمن بیرون آمده، خواهد ایستاد و اسم خدای خود، یهوه را خوانده، و دست خود را بر جای برص حرکت داده، ابرص را شفا خواهد داد. ۱۱ 11
Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin’ ny aretina ka hahasitrana ny boka.
آیا ابانه و فرفر، نهرهای دمشق، از جمیع آبهای اسرائیل بهتر نیست؟ آیا در آنها شست وشو نکنم تا طاهر شوم؟» پس برگشته، با خشم رفت. ۱۲ 12
Tsy tsara noho ny ranon’ ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin’ i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin’ ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.
اما بندگانش نزدیک آمده، او را خطاب کرده، گفتند: «ای پدر ما اگر نبی، تو را امری بزرگ گفته بود، آیا آن را بجا نمی آوردی؟ پس چندمرتبه زیاده چون تو را گفته است شست و شو کن و طاهر شو.» ۱۳ 13
Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain’ ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?
پس فرود شده، هفت مرتبه دراردن به موجب کلام مرد خدا غوطه خورد وگوشت او مثل گوشت طفل کوچک برگشته، طاهرشد. ۱۴ 14
Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.
پس او با تمامی جمعیت خود نزد مرد خدامراجعت کرده، داخل شد و به حضور وی ایستاده، گفت: «اینک الان دانسته‌ام که در تمامی زمین جز در اسرائیل خدایی نیست و حال تمنااینکه هدیه‌ای از بنده ات قبول فرمایی.» ۱۵ 15
Ary niverina nankao amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izy mbamin’ izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ ny Isiraely ihany koa masìna ianao, raiso ny saotra aterin’ ny mpanomponao.
اوگفت: «به حیات یهوه که در حضور وی ایستاده‌ام قسم که قبول نخواهم کرد.» و هرچند او را ابرام نمود که بپذیرد ابا نمود. ۱۶ 16
Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.
و نعمان گفت: «اگرنه تمنا این که دو بار قاطر از خاک، به بنده ات داده شود زیرا که بعد از این، بنده ات قربانی سوختنی وذبیحه نزد خدایان غیر نخواهد گذرانید الا نزدیهوه. ۱۷ 17
Ary hoy Namana: Masìna ianao, moa tsy homena tany zakan’ ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an’ ny andriamani-kafa, fa ho an’ i Jehovah ihany.
اما در این امر، خداوند بنده تو را عفوفرماید که چون آقایم به خانه رمون داخل شده، در آنجا سجده نماید و بر دست من تکیه کند و من در خانه رمون سجده نمایم، یعنی چون در خانه رمون سجده کنم، خداوند بنده تو را در این امرعفو فرماید.» ۱۸ 18
Nefa ny amin’ izao zavatra izao dia aoka havelan’ i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin’ ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin’ izany zavatra izany.
او وی را گفت: «به سلامتی برو.» ۱۹ 19
Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.
اماجیحزی که خادم الیشع مرد خدا بود گفت: «اینک آقایم از گرفتن از دست این نعمان ارامی آنچه راکه آورده بود، امتناع نمود. به حیات یهوه قسم که من از عقب او دویده، چیزی از او خواهم گرفت.» ۲۰ 20
Fa hoy Gehazy, zatovon’ i Elisa, lehilahin’ Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namàna Syriana ity ka tsy nandray tamin’ ny tànany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.
پس جیحزی از عقب نعمان شتافت و چون نعمان او را دید که از عقبش می‌دود از ارابه خودبه استقبالش فرود آمد و گفت: «آیا سلامتی است؟» ۲۱ 21
Ka dia lasa Gehazy nanaraka an’ i Namàna Ary nony tazan’ i Namàna avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin’ ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?
او گفت: «سلامتی است. آقایم مرافرستاده، می‌گوید: اینک الان دو جوان از پسران انبیا از کوهستان افرایم نزد من آمده‌اند، تمنا اینکه یک وزنه نقره و دو دست لباس به ایشان بدهی.» ۲۲ 22
Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.
نعمان گفت: «مرحمت فرموده، دو وزنه بگیر.» پس بر او ابرام نمود تا او دو وزنه نقره را در دوکیسه با دو دست لباس بست و بر دو خادم خودنهاد تا پیش او بردند. ۲۳ 23
Ary hoy Namàna: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin’ ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.
و چون به عوفل رسید، آنها را از دست ایشان گرفته، در خانه گذاشت و آن اشخاص را مرخص کرده، رفتند. ۲۴ 24
Fa nony tonga tao amin’ ny havoana izy, dia nalainy teny an-tànany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.
و او داخل شده، به حضور آقای خودایستاد و الیشع وی را گفت: «ای جیحزی از کجامی آیی؟» گفت: «بنده ات جایی نرفته بود.» ۲۵ 25
Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan’ ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.
الیشع وی را گفت: «آیا دل من همراه تو نرفت هنگامی که آن مرد از ارابه خود به استقبال توبرگشت؟ آیا این وقت، وقت گرفتن نقره و گرفتن لباس و باغات زیتون و تاکستانها و گله هاو رمه هاو غلامان و کنیزان است؟ ۲۶ 26
Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin’ ilay nihodina niala tamin’ ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin’ oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman’ osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?
پس برص نعمان به تو و به ذریت تو تا به ابد خواهد چسبید.» و ازحضور وی مبروص مثل برف بیرون رفت. ۲۷ 27
Koa ny habokan’ i Namàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala.

< دوم پادشاهان 5 >