< دوم تواریخ 24 >

و یوآش هفت ساله بود که پادشاه شد وچهل سال در اورشلیم سلطنت نمود واسم مادرش ظبیه بئرشبعی بود. ۱ 1
Fito taona no niainan’ i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
و یوآش درتمامی روزهای یهویاداع کاهن، آنچه را که در نظرخداوند راست بود، به عمل می‌آورد. ۲ 2
Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Joiada mpisorona.
ویهویاداع دو زن برایش گرفت و او پسران ودختران تولید نمود. ۳ 3
Ary nangalan’ i Joiada vady roa Joasy, dia niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
و بعد از آن، یوآش اراده کرد که خانه خداوند را تعمیر نماید. ۴ 4
Ary nony afaka izany, dia mby ao am-pon i Joasy ny hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
و کاهنان و لاویان راجمع کرده، به ایشان گفت: «به شهرهای یهودابیرون روید و از تمامی اسرائیل نقره برای تعمیر خانه خدای خود، سال به سال جمع کنید، و دراین کار تعجیل نمایید.» اما لاویان تعجیل ننمودند. ۵ 5
Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin’ ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon’ Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
پس پادشاه، یهویاداع رئیس (کهنه ) راخوانده، وی را گفت: «چرا از لاویان بازخواست نکردی که جزیه‌ای را که موسی بنده خداوند وجماعت اسرائیل به جهت خیمه شهادت قرارداده‌اند، از یهودا و اورشلیم بیاورند؟» ۶ 6
Ary ny mpanjaka dia nampaka an’ i Joiada, lohany tamin’ ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah sy ny fiangonan’ ny Isiraely ho ao amin’ ny tabernakelin’ ny vavolombelona?
زیرا که پسران عتلیای خبیثه، خانه خدا را خراب کرده، وتمامی موقوفات خانه خداوند را صرف بعلیم کرده بودند. ۷ 7
Fa ny zanak’ i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon’ Andriamanitra; ary ny zavatra masìna rehetra tao an-tranon’ i Jehovah koa dia efa nateriny ho an’ ireo Bala.
و پادشاه امر فرمود که صندوقی بسازند و آن را بیرون دروازه خانه خداوند بگذارند. ۸ 8
Ary nasain’ ny mpanjaka nanao vata anankiray izy, dia napetrany teo ivelan’ ny vavahadin’ ny tranon’ i Jehovah izany.
و دریهودا و اورشلیم ندا دردادند که جزیه‌ای را که موسی بنده خدا در بیابان بر اسرائیل قرار داده بودبرای خداوند بیاورند. ۹ 9
Ary nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’ i Jehovah ny hetra izay nasain’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, haloan’ ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
و جمیع سروران وتمامی قوم آن را به شادمانی آورده، در صندوق انداختند تا پر شد. ۱۰ 10
Dia faly ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra, ka dia nitondra izany ary nandatsaka azy tao amin’ ny vata ambara-pahatapiny.
و چون صندوق به‌دست لاویان، نزد وکلای پادشاه آورده می‌شد و ایشان می‌دیدند که نقره بسیار هست آنگاه کاتب پادشاه و وکیل رئیس کهنه آمده، صندوق را خالی می‌کردند و آن را برداشته، باز به‌جایش می‌گذاشتند. و روز به روز چنین کرده، نقره بسیارجمع کردند. ۱۱ 11
Ary tamin’ izay andro nitondran’ ny Levita ny vata ho any amin’ ny toniany voatendrin’ ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin’ ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.
و پادشاه و یهویاداع آن را به آنانی که در کار خدمت خانه خداوند مشغول بودنددادند، و ایشان بنایان و نجاران به جهت تعمیرخانه خداوند و آهنگران و مسگران برای مرمت خانه خداوند اجیر نمودند. ۱۲ 12
Ary nomen’ ny mpanjaka sy Joiada ho an’ izay nanao ny raharahan’ ny tranon’ i Jehovah ny vola, ka nanakaraman’ ireo mpipai-bato sy mpandrafitra ary mpanefy vy sy varahina mba hanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
پس عمله‌ها به‌کارپرداختند و کار از دست ایشان به انجام رسید وخانه خدا را به حالت اولش برپا داشته، آن رامحکم ساختند. ۱۳ 13
Dia nanao ny mpiasa, ka vita tsara ny asa; ary namboariny ho toy ny teo aloha ny tranon’ Andriamanitra ka nataony mafy.
و چون آن را تمام کرده بودند، بقیه نقره را نزد پادشاه و یهویاداع آوردند و از آن برای خانه خداوند اسباب یعنی آلات خدمت وآلات قربانی‌ها و قاشقها و ظروف طلا و نقره ساختند، و در تمامی روزهای یهویاداع، قربانی های سوختنی دائم در خانه خداوندمی گذرانیدند. ۱۴ 14
Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ ny tranon’ i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon’ i Jehovah mandrakariva izy tamin’ ny andron’ i Joiada rehetra.
اما یهویاداع پیر و سالخورده شده، بمرد وحین وفاتش صد و سی ساله بود. ۱۵ 15
Fa tratrantitra sy ela niainana Joiada vao maty: telo-polo amby zato taona izy vao maty.
و او را درشهر داود با پادشاهان دفن کردند، زیرا که دراسرائیل هم برای خدا و هم برای خانه او نیکویی کرده بود. ۱۶ 16
Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida tao amin’ ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ ny Isiraely ary tamin’ Andriamanitra sy ny tranony koa.
و بعد از وفات یهویاداع، سروران یهوداآمدند و پادشاه را تعظیم نمودند و پادشاه در آن وقت به ایشان گوش گرفت. ۱۷ 17
Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan’ ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka.
و ایشان خانه یهوه خدای پدران خود را ترک کرده، اشیریم و بتها راعبادت نمودند، و به‌سبب این عصیان ایشان، خشم بر یهودا و اورشلیم افروخته شد. ۱۸ 18
Ary nandao ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.
و اوانبیاء نزد ایشان فرستاد تا ایشان را به سوی یهوه برگردانند و ایشان آنها را شهادت دادند، اما ایشان گوش نگرفتند. ۱۹ 19
Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
پس روح خدا زکریا ابن یهویاداع کاهن راملبس ساخت و او بالای قوم ایستاده، به ایشان گفت: «خدا چنین می‌فرماید: شما چرا از اوامریهوه تجاوز می‌نمایید؟ پس کامیاب نخواهیدشد. چونکه خداوند را ترک نموده‌اید، او شما راترک نموده است.» ۲۰ 20
Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
و ایشان بر او توطئه نموده، او را به حکم پادشاه در صحن خانه خداوندسنگسار کردند. ۲۱ 21
Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin’ ny kianjan’ ny tranon’ i Jehovah araka ny tenin’ ny mpanjaka.
پس یوآش پادشاه احسانی را که پدرش یهویاداع، به وی نموده بود، بیاد نیاورد، بلکه پسرش را به قتل رسانید. و چون او می‌مرد، گفت: «خداوند این را ببیند و بازخواست نماید.» ۲۲ 22
Toy izany no tsy nahatsiarovan’ i Joasy mpanjaka ny soa nataon’ i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
و در وقت تحویل سال، لشکر ارامیان به ضد وی برآمده، به یهودا و اورشلیم داخل شده، جمیع سروران قوم را از میان قوم هلاک ساختند، و تمامی غنیمت ایشان را نزد پادشاه دمشق فرستادند. ۲۳ 23
Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan’ i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ ny olona, ary nampitondrainy ho any amin’ ny mpanjakan’ i Damaskosy ny babo rehetra.
زیرا که لشکر ارام با جمعیت کمی آمدند و خداوند لشکر بسیار عظیمی به‌دست ایشان تسلیم نمود، چونکه یهوه خدای پدران خود را ترک کرده بودند، پس بر یوآش قصاص نمودند. ۲۴ 24
Fa vitsy ny miaramilan’ ny Syriana izay tonga teo, nefa Jehovah nanolotra miaramila maro ho eo an-tànany noho ny nahafoizany an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan’ ireo ny famaliana an’ i Joasy.
و چون از نزد او رفتند (زیرا که او را درمرضهای سخت واگذاشتند)، بندگانش به‌سبب خون پسران یهویاداع کاهن، براو فتنه انگیخته، اورا بر بسترش کشتند. و چون مرد، او را در شهرداود دفن کردند، اما او را در مقبره پادشاهان دفن نکردند. ۲۵ 25
Ary nony nilaozany tamin’ ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran’ ny zanak’ i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.
و آنانی که بر او فتنه انگیختند، اینانند: زاباد، پسر شمعه عمونیه و یهوزاباد، پسرشمریت موآبیه. ۲۶ 26
Ary izao no niodina taminy: Zabada, zanak’ i Simata Amonita, sy Jozabada, zanak’ i Simrita Moabita.
و اما حکایت پسرانش وعظمت وحی که بر او نازل شد و تعمیر خانه خدا، اینک در مدرس تواریخ پادشاهان مکتوب است، و پسرش امصیا در جایش پادشاه شد. ۲۷ 27
Ary ny amin’ ny zanany sy ny hamafin’ ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon’ Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

< دوم تواریخ 24 >