< دوم تواریخ 11 >

و چون رحبعام وارد اورشلیم شد، صدو هشتاد هزار نفر برگزیده جنگ آزموده را از خاندان یهودا و بنیامین جمع کرد تا بااسرائیل مقاتله نموده، سلطنت را به رحبعام برگرداند. ۱ 1
Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak’ i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin’ ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
اما کلام خداوند بر شمعیا مرد خدانازل شده، گفت: ۲ 2
Kanjo kosa ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Semaia, lehilahin’ Andriamanitra, ka nanao hoe:
«به رحبعام بن سلیمان پادشاه یهودا و به تمامی اسرائیلیان که در یهودا و بنیامین می‌باشند خطاب کرده، بگو: ۳ 3
Mitenena amin-dRehoboama, zanak’ i Solomona, mpanjakan’ ny Joda, sy amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny Joda sy ny Benjamina hoe:
خداوند چنین می‌گوید: برمیایید و با برادران خود جنگ منمایید. هرکس به خانه خود برگردد زیرا که این امر از جانب من شده است.» و ایشان کلام خداوندرا شنیدند و از رفتن به ضد یربعام برگشتند. ۴ 4
Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’ i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an’ i Jeroboama.
و رحبعام در اورشلیم ساکن شد و شهرهای حصاردار در یهودا ساخت. ۵ 5
Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.
پس بیت لحم و عیتام و تقوع ۶ 6
Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa
و بیت صور و سوکو و عدلام، ۷ 7
sy Beti-zora sy Soko sy Adolama
وجت و مریشه و زیف، ۸ 8
sy Gata sy Maresa sy Zifa
و ادورایم و لاکیش وعزیقه، ۹ 9
sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka
و صرعه و ایلون و حبرون را بنا کرد که شهرهای حصاردار در یهودا و بنیامین می‌باشند. ۱۰ 10
sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin’ ny Joda sy ny Benjamina.
و حصارها را محکم ساخت و در آنها سرداران و انبارهای ماکولات و روغن و شراب گذاشت. ۱۱ 11
Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
و در هر شهری سپرها و نیزه‌ها گذاشته، آنها رابسیار محکم گردانید، پس یهودا و بنیامین با اوماندند. ۱۲ 12
Ary tamin’ ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.
و کاهنان و لاویانی که در تمامی اسرائیل بودند از همه حدود خود نزد او جمع شدند. ۱۳ 13
Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin’ ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin’ ny fari-taniny avy.
زیراکه لاویان اراضی شهرها و املاک خود راترک کرده، به یهودا و اورشلیم آمدند چونکه یربعام و پسرانش ایشان را از کهانت یهوه اخراج کرده بودند. ۱۴ 14
Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’ i Jehovah,
و او برای خود به جهت مکان های بلند و دیوها و گوساله هایی که ساخته بود کاهنان معین کرد. ۱۵ 15
fa nanendry mpisorona ho amin’ ny fitoerana avo sy ho an’ ny Seïrima ary ho an’ ny ombilahy kely izay nataony).
و بعد از ایشان آنانی که دلهای خودرا به طلب یهوه خدای اسرائیل مشغول ساخته بودند از تمامی اسباط اسرائیل به اورشلیم آمدندتا برای یهوه خدای پدران خود قربانی بگذرانند. ۱۶ 16
Ary na iza na iza tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
پس سلطنت یهودا را مستحکم ساختند ورحبعام بن سلیمان را سه سال تقویت کردند، زیراکه سه سال به طریق داود و سلیمان سلوک نمودند. ۱۷ 17
Ka dia nampahery ny fanjakan’ ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak’ i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Davida sy Solomona telo taona izy.
و رحبعام محله دختر یریموت بن داود وابیحایل دختر الیاب بن یسی را به زنی گرفت. ۱۸ 18
Ary Rehoboama naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ i Jerimota, zanak’ i Davida, sy Abihaila, zanakavavin’ i Eliaba, zanak’ i Jese, ho vadiny,
واو برای وی پسران یعنی یعوش و شمریا و زهم رازایید. ۱۹ 19
izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.
و بعد از او معکه دختر ابشالوم را گرفت و او برای وی ابیا و عتای و زبزا و شلومیت رازایید. ۲۰ 20
Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, izay niteraka an’ i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.
و رحبعام، معکه دختر ابشالوم را از جمیع زنان و متعه های خود زیاده دوست می‌داشت، زیرا که هجده زن و شصت متعه گرفته بود و بیست و هشت پسر و شصت دختر تولیدنمود. ۲۱ 21
Ary Rehoboama tia an’ Imaka, zanakavavin’ i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin’ ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).
و رحبعام ابیا پسر معکه را در میان برادرانش سرور و رئیس ساخت، زیراکه می‌خواست او را به پادشاهی نصب نماید. ۲۲ 22
Ary Abia, zanakalahin’ Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.
وعاقلانه رفتار نموده، همه پسران خود را درتمامی بلاد یهودا و بنیامین در جمیع شهرهای حصاردار متفرق ساخت، و برای ایشان آذوقه بسیار قرار داد و زنان بسیار خواست. ۲۳ 23
Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin’ ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.

< دوم تواریخ 11 >