< Romerne 13 >

1 Kvar mann skal vera lydug mot dei fyresette styremagter. For det finst ikkje styremagt utan av Gud, men dei som finst, deim hev Gud skipa,
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’ Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’ Andriamanitra.
2 so den som set seg imot styremagti, han stend imot Guds skipnad; men den som stend imot, skal få sin dom.
Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’ Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
3 For dei styrande er ikkje til rædsla for den gode gjerning, men for den vonde. Vil du sleppa å ræddast styremagti? Gjer det som godt er, so skal du få ros av henne;
Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
4 for ho er Guds tenar, deg til gode. Men gjer du det som vondt er, so ræddast! for ho ber ikkje sverdet for inkje; ho er Guds tenar, ein hemnar til refsing yver den som gjer det som vondt er.
fa mpanompon’ Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora’ fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’ Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’ izay manao ratsy.
5 Difor er det naudsynleg å vera lydug, ikkje berre for refsingi skuld, men og for samvitet.
Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
6 Difor legg de og skatt, for dei er Guds tenarar, som just tek vare på dette.
Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’ Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
7 Gjev då alle det de er deim skuldige: skatt til den som skatt skal hava, toll til den som toll skal hava, age til den som age skal hava, æra til den som æra skal hava.
Mandoava amin’ izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’ izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’ izay tokony handoavana fadin-tseranana’ tahotra ho an’ izay tokony hatahorana, haja ho an’ izay tokony hohajaina.
8 Ver ingen noko skuldige, utan det å elska kvarandre! for den som elskar den andre, hev uppfyllt lovi.
Aza avela hisy tsy voaloa na amin’ iza na amin’ iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
9 For ordi: «Du skal ikkje gjera hor, du skal ikkje slå i hel, du skal ikkje stela, du skal ikkje lysta, » og kva anna bodord det kann vera, det samlar seg til eitt i dette: «Du skal elska næsten din som deg sjølv.»
Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’ olona, mbamin’ izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’ izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
10 Kjærleiken gjer ikkje næsten noko vondt; difor er kjærleiken uppfylling av lovi.
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
11 Og dette lyt me gjera, sidan me kjenner tidi, at timen er komen då me skal vakna or svevnen; for frelsa er oss næmare no enn då me tok ved trui.
Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ ny andro vao ninoantsika.
12 Det lid med natti, og det stundar mot dag; lat oss då leggja verki frå myrkret av, og taka våpni til ljoset på!
Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ ny mazava.
13 Lat oss ferdasta sømeleg som um dagen, ikkje i svir og drykk, ikkje i utukt og lauslivnad, ikkje i kiv og ovund,
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ ny andro; tsy amin’ ny filalaovan-dratsy, na amin’ ny fahamamoana, tsy amin’ ny fijangajangana, na amin’ ny fijejojejoana, tsy amin’ ny fifandirana, na amin’ ny fialonana.
14 men iklæd dykk Herren Jesus Kristus, og hav ikkje soleis umsut for kjøtet, at det vekkjer lyster!
Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ ny nofo hahatanteraka ny filany.

< Romerne 13 >