< 2 Korintierne 8 >

1 Me kunngjer dykk, brør, den Guds nåde som er gjeven i kyrkjelydarne i Makedonia,
Ary ampahafantarinay anareo, ry rahalahy, ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena tao amin’ ny fiangonana any Makedonia;
2 at endå dei var hardt røynde med trengsla, so hev deira rike gleda og deira djupe fatigdom i yverfullt mål verka hjå deim ein rikdom på ærleg kjærleik.
fa tamin’ ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ ny hafaliany, ary ny hamafin’ ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony.
3 For dei var viljuge etter si råd, det vitnar eg, ja yver si råd, av eigen hug,
Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany,
4 so dei inderleg bad oss um lov til å få vera med i hjelpi til dei heilage;
sady nangataka mafy taminay koa izy mba havelanay hikambana amin’ izany fanompoana ho an’ ny olona masìna izany;
5 og dei gav ikkje berre soleis som me vona, men seg sjølve gav dei fyrst til Herren og so til oss ved Guds vilje,
ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ ny Tompo aloha, dia ho anay koa noho ny sitrapon’ Andriamanitra;
6 so at me bad Titus, at liksom han fyrr hadde byrja, so skulde han og fullenda hjå dykk ogso dette kjærleiksverket.
ka dia nangataka an’ i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
7 Men liksom de er rike i alle måtar, på tru og tale og kunnskap og all umhug og på kjærleik som de hev vekt hjå oss, so vert no og rike i dette kjærleiksverket!
Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao.
8 Ikkje som eit påbod segjer eg dette, men ved ihugen hjå dei andre vil eg og røyna sanningi av dykkar kjærleik.
Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan’ ny fitiavanareo koa.
9 For de kjenner vår Herre Jesu Kristi nåde, at han for dykkar skuld vart fatig, då han var rik, so de ved hans fatigdom skulde verta rike.
Fa fantatrareo ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
10 Og eg segjer mi meining um dette; for det er til gagn for dykk, som fyreåt, alt frå i fjor, byrja ikkje berre å verka, men og å vilja.
Ary dia ambarako izay hevitro ny amin’ izany, fa mahatsara anareo izany, satria tsy ny fanaovana ihany, fa ny fikasana koa aza dia efa natombokareo teo alohan’ ny sasany hatry ny taon-itsy.
11 Men fullfør no og verket, so liksom hugen var til å vilja, soleis og fullføringi kann verta etter utkoma.
Ataovy tanteraka ary izany, ka tahaka ny nahazotoanareo fony nikasa, dia aoka ho tahaka izany koa ny hahatanterahanareo azy araka izay ananareo.
12 For er hugen der, so er han vellika etter det som han hev, ikkje etter det som han ikkje hev.
Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.
13 For det er ikkje for di at det skal vera lette for andre og trengsla for dykk, men at det skal vera jamnad:
Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin’ ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany,
14 dykkar yvermål vert til hjelp for deira trong i den noverande tid, at og deira yvermål kann verta til hjelp for dykkar trong, so det vert jamnad,
fa ny mba hisy fitoviana, ka amin’ izao ankehitriny izao ny haben’ ny harenareo no hahafaka ny alahelon’ ireo, ary ny haben’ ny haren’ ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana,
15 som de stend skrive: «Den som sanka mykje, fekk ikkje yverfyllt, og den som sanka lite, leid ingen skort.»
araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy.
16 Men Gud vere takk, som inngav den same umhug for dykk i Titus’ hjarta!
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’ i Titosy ho anareo mitovy amin’ ny ahy.
17 for han tok gjerne imot mi påminning, ja, han er endå so ihuga at han fer sjølvminnt ut til dykk.
Fa nanaiky ny fangatahanay ihany izy, nefa nazoto rahateo, ka sitrapony ihany no nandehanany nankany aminareo.
18 Og me sender og med honom den broren som hev ros hjå alle kyrkjelydarne for sitt arbeid i evangeliet,
Ary ilay rahalahy izay nalaza amin’ ny filazantsara any amin’ ny fiangonana rehetra no nirahinay hiaraka aminy;
19 ja, ikkje berre det, men han er og av kyrkjelydarne utvald til vår fylgjesmann med denne kjærleiksgåva, som er framkomi ved vår tenesta, til å fremja Herrens eigi æra og vårt framtak,
ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ ny fahazotoanay.
20 då me vil vara oss for at nokon skal lasta oss for noko som vedkjem denne rike gåva, som er framkomi ved vår tenesta,
Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’ izao harena be angoninay izao;
21 og me legg vinn på det som godt er, ikkje berre for Herren, men og for menneskje.
fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ ny Tompo ihany, fa eny imason’ ny olona koa.
22 Og me sender med deim vår bror, som me ofte på mange måtar hev funne ihuga, men no mykje meir ihuga ved si store tiltru til dykk.
Ary nirahinay niaraka tamin’ ireo ilay rahalahinay izay efa hitanay mazoto matetika amin’ ny zavatra maro; fa ankehitriny mazoto kokoa izy noho ny haben’ ny fahatokiany anareo.
23 Anten det då er tale um Titus, so er han min lagsmann og medarbeidar hjå dykk, eller um våre brør, so er dei sendemenner frå kyrkjelydarne, Kristi æra.
Raha ny amin’ i Titosy, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho anareo; ary ireo rahalahinay, dia iraky ny fiangonana izy sady voninahitr’ i Kristy.
24 Syn deim då sanningi av dykkar kjærleik og av vår ros yver dykk, og det for augo på kyrkjelydarne!
Koa amin’ izany asehoy aminy eo imason’ ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.

< 2 Korintierne 8 >