< 2 Krønikebok 35 >

1 Josia heldt påskehelg for Herren i Jerusalem, og dei slagta påskelambet på den fjortande dagen i fyrste månaden.
Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an’ i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany.
2 Han sette prestarne til det dei skulde taka vare på, og styrkte deim til tenesta i Herrens hus.
Ary Josia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny anjara-raharahany avy ka namporisika azy hanao ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.
3 Og han sagde til levitarne, som lærde heile Israel, og som var vigde til Herren: «Set den heilage kista i det huset som Salomo bygde, son åt David, Israels konge; det tarv ikkje bera henne på herdarne. Ten difor Herren, dykkar Gud, og Israel, folket hans!
Ary hoy izy tamin’ ny Levita izay mpampianatra ny Isiraely rehetra sady efa masìna ho an’ i Jehovah: Apetraho ao an-trano nataon’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, ny fiara masìna; fa izao dia efa tsy milanja azy intsony ianareo; koa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny Isiraely olony;
4 Gjer dykk ferdige etter ættgreinerne dykkar, i skifti dykkar, so som David, Israels konge, hev fyreskrive, og etter fyreskrifti åt Salomo, son hans.
ary samia miomana araka ny fianakavianareo avy ianareo, dia araka ny antokonareo, araka ny voasoratr’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, sy araka ny voasoratr’ i Solomona zanany koa.
5 Og statt i heilagdomen etter flokkarne av ættgreinerne åt brørne dykkar, lækfolket, soleis at det hvert eit skift av ei levit-ættgrein for kvar.
Ary mitsangàna eo amin’ ny fitoerana masìna araka ny fizaran’ ny fianakavian’ ny rahalahinareo amin’ ny vahoaka sy araka ny fizaran’ ny fianakavian’ ny Levita.
6 Og slagta so påskelambi og helga dykk og laga det til for brørne dykkar, so det gjer etter Herrens ord ved Moses!»
Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an’ ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Mosesy.
7 Josia gav tretti tusund stykke småfe til ålmugen, lamb og kid, alt saman til påskeoffer for alle deim som fanst der, og tri tusund stykke storfe; dette var av eigedomen åt kongen.
Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen’ i losia zanak’ ondry sy zanak’ osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin’ ny fananan’ ny mpanjaka ireo.
8 Og hovdingarne hans gav friviljugt til folket, til prestarne og levitarne; Hilkia og Zakarja og Jehiel, som var dei øvste i Guds hus, gav prestarne tvo tusund seks hundrad lamb og kid til påskeoffer, og tri hundrad stykke storfe.
Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ ny olona sy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra, nanome ondry aman’ osy enin-jato amby roa arivo ho an’ ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
9 Konanja og Semaja og Netanel, brørne hans, og Hasabja og Je’iel og Jozabad, levitfyrstane, gav levitarne fem tusund lamb og kid til påskeoffer og fem hundrad stykke storfe.
Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben’ ny Levita, nanome ondry aman’ osy dimy arivo ho an’ ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
10 Soleis fekk dei tenesta i fast skikk, og prestarne stod på sin stad og levitarne etter sine skift, so som kongen hadde bode.
Koa dia vonona ny zavatra; ary ny mpisorona nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy, ary ny Levita araka ny antokony avy, araka ny didin’ ny mpanjaka.
11 Dei slagta påskelambi, og prestarne skvette blodet som dei fekk av deim, og levitarne flådde dyri.
Dia novonoin’ ny olona ny Paska, ary natopin’ ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran’ ny Levita kosa.
12 So skilde dei frå brennofferi og gav deim til dei ymse ættgrein-flokkarne av ålmugen, so dei kunde ofra til Herren, som det er fyreskrive i Moseboki; og sameleis med storfeet.
Dia natokany ny fanatitra dorana homen’ ny olona araka ny fizaran’ ny fianakaviany, mba hateriny ho an’ i Jehovah araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy. Ary toy izany koa tamin’ ny omby.
13 Påskelambi steikte dei i elden, som fyreskrive var, og offerstykki koka dei i grytor, kjelar og skålar og skunda seg med deim til ålmugen.
Ary ny Paska natsatsika tamin’ ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masìna kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin’ ny olona rehetra izany.
14 So laga dei åt seg sjølve og prestarne; for prestarne, Arons-sønerne, hadde arbeid like til um natti med å ofra brennofferi og feittstykki, og difor laga levitarne til åt seg sjølve og prestarne, Arons-sønerne.
Ary rehefa afaka izany, dia nanamboatra io an’ ny tenany sy ny mpisorona izy; fa ny mpisorona, taranak’ i Arona, nanatitra ny fanatitra dorana sy ny saborany mandra-pahalin’ ny andro; fa ny Levita kosa nanamboatra ny Paska ho an’ ny tenany sy ny mpisorona, taranak’ i Arona.
15 Songarane, Asafs-sønerne, stod på plassen sin, som David, Asaf, Heman og Jedutun, sjåaren åt kongen, hadde bode, og dørvaktarane ved kvar sin port; dei turvte ikkje ganga ifrå tenesta; for levitarne, brørne deira, laga til åt deim.
Ary ny mpihira, taranak’ i Asafa, nitoetra teo amin’ ny fitoerany, araka ny didin’ i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan’ ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
16 Soleis sette dei heile tenesta for Herren fast skikk på den dagen, med di dei heldt påskehelg og ofra brennoffer på Herrens altar, so som kong Josia hadde bode.
Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an’ i Jehovah amin’ ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah araka ny tenin’ i Josia mpanjaka.
17 Og dei Israels-borni som var tilstades, heldt den gongen påskehelgi og søtebrødhelg i sju dagar.
Ary ny Zanak’ isiraely izay vory teo dia nitandrina ny paska fahizay sy ny andro firavoravoana hafitoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira.
18 Ei sovori påskehelg som denne var det ikkje halde i Israel sidan profeten Samuels dagar, og ingen av Israels-kongarne hadde halde ei sovori påskehelg som den Josia og prestarne og levitarne og dei Juda- og Israels-mennerne som var til stades, og Jerusalems-buarne høgtida.
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ ny Isiraely na dia hatramin’ ny andron’ i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’ i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
19 Denne påskehelgi vart haldi i det attande styringsåret åt Josia.
Tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia no nitandremana izany Paska izany.
20 Etter alt dette, då Josias hadde fenge i stand huset, drog egyptarkongen Neko upp og vilde strida ved Karkemis ved Frat, og Josia drog ut imot honom.
Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin’ i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan’ i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron’ i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
21 Men han skikka sendebod til honom og sagde: «Kva hev eg med deg å gjera, Juda-konge? Det er ikkje imot deg eg kjem i dag, men mot ervefienden min; og Gud hev sagt at eg skal skunda meg. Haldt upp med å tråssa Gud som er med meg, so han ikkje skal tyna deg!»
Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’ ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin’ ny fahavaloko, sady nasain’ Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an’ Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
22 Men Josia snudde ikkje ifrå honom, men klædde seg ut og vilde gjeva seg i strid med honom, han høyrde ikkje på Nekos ord ifrå Guds munn. Og det kom til strid på Megiddosletta.
Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin’ i Neko, izay nampilazain’ Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin’ ny lohasahan’ i Megido.
23 Då råka bogeskyttarane kong Josia, og kongen sagde til tenarane: «Før meg burt! for eg er hardt såra.»
Ary ny mpandefa tsipìka nahavoa an’ i Josia mpanjaka; dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpanompony: Ento miala eto aho; fa voa mafy aho.
24 Tenarane hans bar honom då burt ifrå vogni og køyrde honom på den andre vogni hans og førde honom til Jerusalem, og der døydde han. Dei gravlagde honom i graverne åt federne hans, og heile Juda og Jerusalem syrgde yver Josia.
Dia nesorin’ ny mpanompony tamin’ izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin’ ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an’ i Josia.
25 Jeremia song ein syrgjesong um Josia, og alle songarane og songmøyarne tala i syrgjesongarne sine um Josia, som dei gjer den dag i dag; det vart fast skikk i Israel å syngja desse kvædi, og dei finst uppskrivne millom Syrgjesongarne.
Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an’ i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an’ i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin’ ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny fihirana fisaonana izany.
26 Det som elles er å fortelja um Josia og dei gudlege gjerningarne som han gjorde etter det som er fyreskrive i Herrens lov,
Ary ny tantaran’ i Josia sisa mbamin’ ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah,
27 og soga hans frå fyrst til sist, det er uppskrive i boki um Israels- og Juda-kongarne.
dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany.

< 2 Krønikebok 35 >