< Kenehi 16 >

1 Na kahore a Harai, te wahine a Aperama, i whai tamariki mana; na he pononga wahine tana, no Ihipa, ko Hakara tona ingoa.
Ary Saray, vadin’ i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
2 Na ka mea a Harai ki a Aperama, Nana, kua tutakina nei ahau e Ihowa kei whanau tamariki: mau e haere ki roto, ki taku pononga; mana pea ahau e tu ai. A ka whakarongo a Aperama ki te reo o Harai.
Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin’ ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken’ i Abrama ny tenin’ i Saray.
3 Na ka tango a Harai, wahine a Aperama i a Hakara, i te wahine o Ihipa, i tana pononga, i te takanga o nga tau kotahi tekau o te nohoanga o Aperama i te whenua o Kanaana, a homai ana e ia ki a Aperama, ki tana tane, hei wahine mana.
Ary rehefa nonina folo taona teo amin’ ny tany Kanana Abrama, dia nalain’ i Saray, vadin’ i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an’ i Abrama vadiny mba hovadiny.
4 Na ka haere ia ki roto, ki a Hakara, a ka hapu ia: a, no tona kitenga kua hapu ia, ka iti tona rangatira wahine ki tana titiro.
Dia nivady tamin’ i Hagara izy, ka nanan’ anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
5 Na ka mea a Harai ki a Aperama, Hei runga i a koe tenei tutu ki ahau: i hoatu e ahau taku pononga wahine ki tou uma; a, no tona kitenga kua hapu ia, ka iti ahau ki tana titiro iho: ma Ihowa e whakariterite taku korero me tau hoki.
Ary hoy Saray tamin’ i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan’ anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao.
6 Na ka mea a Aperama ki a Harai, Ha, kei tou ringa ano tau pononga; mau e mea ki a ia te mea e pai ana ki tau titiro iho. Na ka whakatupu kino a Harai i a ia, a rere ana ia i tona aroaro.
Ary hoy Abrama tamin’ i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin’ i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
7 A ka kitea ia e te anahera a te Atua i tetahi puna wai i te koraha, i te puna i te huarahi ki Huru,
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nahita azy teo anilan’ ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan’ ilay loharano eo amin’ ny lalana mankany Sora.
8 Ka mea, E Hakara, e te pononga a Harai, i haere mai koe i hea? e anga ana hoki koe ko hea? a ka mea ia, E rere ana ahau i a Harai, i toku rangatira.
Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin’ i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan’ i Saray tompovaviko aho.
9 Na ka mea te anahera a Ihowa ki a ia, Hoki atu ki tou rangatira, kia whakaririka hoki koe i raro i ona ringa.
Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Miverena any amin’ ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
10 Ka mea ano te anahera a Ihowa ki a ia, Ka whakanuia rawatia e ahau tou uri, a e kore e taea te tatau, i te tini hoki.
Ary hoy koa Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
11 I mea ano te anahera a Ihowa ki a ia, Nana, e hapu ana koe, a ka whanau he tama, me hua e koe tona ingoa ko Ihimaera; mo Ihowa i whakarongo ki tau tangi.
Ary hoy indray Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Indro, manan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
12 A ka rite ia ki te kaihe mohoao i waenganui o te tangata; ka ara tona ringa ki te katoa, me te ringa o te katoa ki a ia; a ka noho ia i te aroaro o ona teina katoa.
Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin’ ny rahalahiny rehetra izy.
13 Na ka huaina e ia te ingoa o Ihowa i korero nei ki a ia, He Atua koe e kite ana: i mea hoki ia, I titiro ranei ahau i koeni ki muri i toku kaititiro mai?
Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana?
14 Koia i huaina ai taua puna ko Peererahairoi; na, kei waenganui i Karehe, i Perere.
Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan’ i Kadesy sy Bareda izany.
15 Na ka whanau te tama a Hakara raua ko Aperama: a huaina ana e Aperama te ingoa o tana tama, i whanau nei i a Hakara, ko Ihimaera.
Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin’ i Abrama; ary ny anaran’ ny zanany izay naterany dia nataon’ i Abrama hoe Isimaela.
16 Na e waru tekau ma ono nga tau o Aperama i te whanautanga o Ihimaera tama a Hakara raua ko Aperama.
Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an’ Isimaela taminy.

< Kenehi 16 >