< Lioka 3 >

1 Tamy taom-paha folo-lime-ambi’ ty naha mpanjaka i Tiberio Kaisara, ie niragova e Iehodà t’i Pontio Pilato naho mpifeleke e Galilia t’i Heroda, naho mpifeleke e Itoria miharo am-pari’ i Trakonitisy t’i Filipo rahalahi’e, naho mpifeleke e Abilena t’i Lisania
Ary tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
2 vaho tami’ty naha-talèm-pisoroñe i Anasy naho i Kaiafa, le nivotrake amy Jaona ana’ i Zakaria am-babangoañe añe ty saontsin’ Añahare.
ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe, ― dia tonga tamin’ i Jaona, zanak’ i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’ Andriamanitra.
3 Nitsitsihe’e i tane fiaria’ i saka Iordaneiy nitalily ty filiporam-pisolohoañe ho ami’ty fañahàn-kakeo;
Ary nankany amin’ ny tany rehetra any amoron’ i Jordana izy nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka;
4 ie pinatetse amy boken-tsara’ Isaia mpitokiy ty ti-hoe: Ty fiarañànaña’ i mikoike am-patram-bey añey: Hajario ty lala’ i Talè, Avantaño o oloñolo’eo,
araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tenin’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
5 Lembefañe ze hene goledoñe, aketrake ze atao vohitse naho tamboho, ho vantañeñe o mikelokelokeo, naho fonga hareneñe o lalañe tomoantoañeo;
Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
6 Vaho ho oni’ ze kila nofotse ty fandrombahan’ Añahare.
Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra.
7 Le hoe re tamy lahialeñe nivovotse mb’ ama’e mb’eo halipotsey: O ry Tariran-dapetake! Ia ty nanoro anahareo hibotitsike amy haviñerañe mitotokey?
Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8 Ampiboaho vokatse mañeva soloho; le ko mamototse mitsakore an-troke ao ty hoe, Rae’ay t’i Abraàme. Itaroñako te mahafitroatse anake ho a i Abraàme amo vato retoañe t’i Andrianañahare.
Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
9 Fa ampoto-katae eo henaneo i fekoñey; le ho firaeñe vaho hafetsak’ añ’afo ao ze hatae tsy mamoa voa soa.
Ary, indro, efa mipetraka ao amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
10 Aa hoe ty ontane’ i lahialeñey ama’e: Ino ty hanoe’ay?
Ary ny vahoaka nanontany an’ i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
11 Hoe ty natoi’e: Ze aman-tsaroñe roe, soa re te handiva ami’ty tsy ama’e; le hoe zay ka ze manañe mahakama.
Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
12 Pok’eo ka o mpamory vili-lohao halipotse, nanao ama’e ty hoe: O Mpañoke, ino ty hanoe’ay?
Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
13 Le hoe re tam’iereo: Ko mangalake mandikoatse ty linily ho anahareo.
Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
14 Le hoe ty ontane’ o lahin-defoñeo: Izahay ka! Ino ty hanoe’ay? Le hoe re tam’iereo: Ko misenge hery ama’ ondaty, le ko manao talily vìlañe, vaho mimoneña amo karama’areoo.
Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin’ olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ ny karamanareo.
15 Amy fitamà’ ondatioy, le hene niereñere i Jaona añ’arofo te hera ie i Norizañey, ke tsy ie,
Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’ i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
16 le hoe ty natoi’ i Jaona am’iareo iaby: Toe alìpoko an-drano ao nahareo, fa homb’eo ty maozatse te amako; tsy mañeva ahy ty hañaha o tomin-kana’eo. Ie ty handipotse anahareo an-Tio Masiñe naho añ-Afo.
dia namaly Jaona ka nanao tamin’ izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin’ ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
17 Am-pità’e ty tsikelo’e, le hahoro’e an-tihy famofohañe ao o vokatseo vaho hatonto’e an-driha o mahakamao, fa ho sodora’e añ’afo tsy hay vonoeñe ty kafo’e.
eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy azo vonoina.
18 Mbe maro ty fañosihañe nanoe’e te nitaroñe am’ondatio.
Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin’ ny olona.
19 Aa ie nitrevoke i Heroda mpanjaka ty amy Herodiasie valin-drahalahi’e naho ze fonga sata raty nanoe’ i Heroda,
Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin’ i Jaona noho ny amin’ i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20 le mbore nahili’e am-balabey ao t’i Jaona, ho tovo’ iaby rezay.
dia nanidy an’ i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’ izany rehetra izany koa.
21 Ie fonga nalipotse ondatio, nilipotse ka t’Iesoà, niloloke naho nisokake i likerañey
Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
22 vaho nizotso ama’e am-batañe manahake ty deho i Arofo Masiñey, le hoe ty fiarañanañañe hirik’andindìñe ao: Anako rehe, kokoako; Ihe ro mahafale ahiko.
ary ny Fanahy Masìna nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
23 Va’e telopolo taoñe t’Iesoà te namototse i fitoloña’ey; ie natao ana’ Iosefe, toe ana’ i Hely,
Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’ i Josefa, izay zanak’ i Hely,
24 ana’ i Matate, ana’ i Levy, ana’ i Melky, ana’ Ianà, ana’ Iosefe,
zanak’ i Matata, zanak’ i Levy, zanak’ i Melky, zanak’ i Janay, zanak’ i Josefa,
25 ana’ i Matatìase, ana’ i Amose, ana’ i Naome, ana’ i Esly, ana’ i Nangay,
zanak’ i Matitia, zanak’ i Amosa, zanak’ i Nahoma, zanak’ i Esly, zanak’ i Nagay,
26 ana’ i Maàte, ana’ i Matatìase, ana’ i Semey, ana’ Iosefe, ana’ Iodase,
zanak’ i Mata, zanak’ i Matatia, zanak’ i Semey, zanak’ i Joseka, zanak’ i Joda,
27 ana’ Ioanase, ana’ i Resà, ana’ i Zorobabele, ana’ i Salatiele, ana’ i Nery,
zanak’ i Joanana, zanak’ i Resa, zanak’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, zanak’ i Nery,
28 ana’ i Melky, ana’ i Ady, ana’ i Kosame, ana’ i Elmaodame, ana’ i Ere,
zanak’ i Melky, zanak’ i Ady, zanak’ i Kosama, zanak’ i Elmadama, zanak’ i Era,
29 ana’ Iosè, ana’ i Eliezere, ana’ Ioreime, ana’ i Matate, ana’ i Levy,
zanak’ i Jesosy, zanak’ i Eliezera, zanak’ i Joreima, zanak’ i Matata, zanak’ i Levy,
30 ana’ i Someone, ana’ Iodase, ana’ Iosefe, ana’ Ionane, ana’ i Eliakime,
zanak’ i Simeona, zanak’ i Joda, zanak’ i Josefa, zanak’ i Jonama, zanak’ i Eliakima,
31 ana’ i Melease, ana’ i Mainane, ana’ i Matatae, ana’ i Natane, ana’ i Davide,
zanak’ i Melea, zanak’ i Mena, zanak’ i Matata, zanak’ i Natana, zanak’ i Davida,
32 ana’ Iesày, ana’ i Obede, ana’ i Boze, ana’ i Salmone, ana’ i Naasone,
zanak’ i Jese, zanak’ i Obeda, zanak’ i Boaza, zanak’ i Salmona, zanak’ i Nahasona,
33 ana’ i Aminadabe, ana’ i Arame, ana’ i Esrome, ana’ i Farese, ana’ Iodase,
zanak’ i Aminadaba, zanak’ i Arny, zanak’ i Hezrona, zanak’ i Fareza, zanak’ i Joda,
34 ana’ Iakobe, ana’ Isaake, ana’ i Abraàme, ana’ i Tera, ana’ i Nakore,
zanak’ i Jakoba, zanak’ isaka, zanak’ i Abrahama, zanak’ i Tera, zanak’ i Nahora,
35 ana’ i Saroke, ana’ i Ragao, ana’ i Paleke, ana’ i Evre, ana’ i Salà,
zanak’ i Seroga, zanak’ i Reo, zanak’ i Palega, zanak’ i Ebera, zanak’ i Sela,
36 ana’ i Arfaksade, ana’ i Seme, ana’ i Noe, ana’ i Lameke,
zanak’ i Kenana, zanak’ i Arpaksada, zanak’ i Sema, zanak’ i Noa, zanak’ i Lameka,
37 ana’ i Matosalà, ana’ i Enoke, ana’ Iàrede, ana’ i Malelaele, ana’ i Kainane,
zanak’ i Metosela, zanak’ i Enoka, zanak’ i Jareda, zanak’ i Mahalalila, zanak’ i Kenana,
38 ana’ i Enose, ana’ i Sete ana’ i Dame, anak’ Andrianañahare.
zanak’ i Enosa, zanak’ i Seta, zanak’ i Adama, zanak’ Andriamanitra.

< Lioka 3 >