< Zakaria 9 >

1 Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany ― Fa ny mason’ i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin’ ny firenena rehetra amin’ ny Isiraely ―
This is the burden of the word of the LORD against the land of Hadrach and Damascus its resting place— for the eyes of men and of all the tribes of Israel are upon the LORD —
2 Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
and also against Hamath, which borders it, as well as Tyre and Sidon, though they are very shrewd.
3 Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
Tyre has built herself a fortress; she has heaped up silver like dust, and gold like the dirt of the streets.
4 Indro, hofoanan’ ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin’ ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon’ ny afo.
Behold, the Lord will impoverish her and cast her wealth into the sea, and she will be consumed by fire.
5 Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
Ashkelon will see and fear; Gaza will writhe in agony, as will Ekron, for her hope will wither. There will cease to be a king in Gaza, and Ashkelon will be uninhabited.
6 Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan’ ny Filistina.
A mixed race will occupy Ashdod, and I will cut off the pride of the Philistines.
7 Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan’ ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an’ Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin’ ny firenen’ i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
I will remove the blood from their mouths and the abominations from between their teeth. Then they too will become a remnant for our God; they will become like a clan in Judah, and Ekron will be like the Jebusites.
8 Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan’ ny masoko.
But I will camp around My house because of an army, because of those who march to and fro, and never again will an oppressor overrun My people, for now I keep watch with My own eyes.
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
Rejoice greatly, O Daughter of Zion! Shout in triumph, O Daughter of Jerusalem! See, your King comes to you, righteous and victorious, humble and riding on a donkey, on a colt, the foal of a donkey.
10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin’ ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina Ary hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
And I will cut off the chariot from Ephraim and the horse from Jerusalem, and the bow of war will be broken. Then He will proclaim peace to the nations. His dominion will extend from sea to sea, and from the Euphrates to the ends of the earth.
11 Ny aminao koa, noho ny ran’ ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
As for you, because of the blood of My covenant, I will release your prisoners from the waterless pit.
12 Miverena ho amin’ ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
Return to your stronghold, O prisoners of hope; even today I declare that I will restore to you double.
13 Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
For I will bend Judah as My bow and fit it with Ephraim. I will rouse your sons, O Zion, against the sons of Greece. I will make you like the sword of a mighty man.
14 Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin’ ny tafio-drivotra any atsimo.
Then the LORD will appear over them, and His arrow will go forth like lightning. The Lord GOD will sound the ram’s horn and advance in the whirlwinds of the south.
15 Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’ antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ ny alitara.
The LORD of Hosts will shield them. They will destroy and conquer with slingstones; they will drink and roar as with wine. And they will be filled like sprinkling bowls, drenched like the corners of the altar.
16 Ary hovonjen’ i Jehovah Andriamaniny ireny amin’ izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin’ ny taniny ireny.
On that day the LORD their God will save them as the flock of His people; for like jewels in a crown they will sparkle over His land.
17 Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy.
How lovely they will be, and how beautiful! Grain will make the young men flourish, and new wine, the young women.

< Zakaria 9 >