< Zakaria 5 >

1 Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina. 2 Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. 3 Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa. 4 Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka hiditra ao an-tranon’ ny mpangalatra sy ao an-tranon’ izay mianian-tsy tò amin’ ny anarako ary hitoetra ao amin’ ny tranony ka handevona azy mbamin’ ny hazony sy ny vatony. 5 Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io. 6 Dia hoy izaho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana’ mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin’ ny tany rehetra 7 (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin’ ny vata famarana. 8 Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin’ ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan’ io ny vato firaka. 9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ny vata famarana. 10 Dia hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ ireto ny vata famarana. 11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin’ ny fipetrahany izy.

< Zakaria 5 >