< Zakaria 4 >

1 Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
Ndipo malaika aliyekuwa akiongea nami akageuka na kuniamsha kama mtu aamshwavyo usingizini.
2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ ny isan’ ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
Akaniuliza, “Unaona nini?” Nikasema, “Ninaona kinara cha taa kimetengenezwa kwa dhahabu tupu, na bakuli juu yake. Kina taa saba juu yake na mirija mmoja kwa kila taa.
3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo ankavanan’ ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.
Kando yake kuna mizeituni miwili, mmoja upande wa kulia na mwingine upande wa kushoto.”
4 Dia niteny tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
Kisha nikamwiliza tena na malaika aliyeongea nami. “Mambo haya yanamaana gani, bwana wangu?”
5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
Naye akanijibu na kusema, Haujui mambo haya yanamaanisha nini?” Nikasema, “ndiyo sijui bwana wangu.”
6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’ i Jehovah amin’ i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Hivyo akaniambia, “Hili ni neno la Yahwe kwa Zerubabeli: lisemalo siyo kwa uwezo wala kwa nguvu, lakini ni kwa Roho wangu, asema Yahwe wa majeshi.
7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’ i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
U nini wewe, mlima mrefu? Mbele ya Zerubabeli utakuwa tambarare, naye ataondoa jiwe la juu kwa kelele ya 'Neema! Neema kwake!”
8 Dia tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Neno la Yahwe likanijia kusema,
9 Ny tànan’ i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
“Mikono ya Zerubabeli imeweka misingi ya nyumba hii nayo itaimaliza. Ndipo mtakapojua kuwa Yahwe wa majeshi amenituma kwenu.
10 Fa iza no nanamavo ny andron’ ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan’ i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason’ i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra
Ni nani aliyedharau siku ya mambo madogo? Watu hawa wataona jiwe la kupimia mkononi mwa Zerubabeli, nao watafurahi. (Taa saba ni macho ya Yahwe yanayozunguka duniani mwote.)”
11 Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
Ndipo nilipomwuliza malaika, Mizeituni hii miwili isimamayo upande wa kushoto na kulia wa kinara cha taa ni nini?”
12 Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon’ oliva roa eo amin’ ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
Nikauliza kwa mara nyingine tena, “Haya matawi mawili ya mizeituni kando ya mirija miwili ya dhahabu iliyo na mafuta ya dhahabu yanatiririka kutoka ndani yake?
13 Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.
Naye akaniambia, “Hauvijui vitu hivi ni nini?” Nami nikasema, “Hapana, bwana wangu.”
14 Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
Akasema, “Hawa ni wana wa mafuta mabichi ya mizeituni wasimamao mbele ya Bwana wa dunia yote.”

< Zakaria 4 >