< Zakaria 4 >

1 Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
Then the messenger who talked with me came again and woke me, as someone who is woken from sleep.
2 Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin’ ny isan’ ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
He said to me, “What do you see?” I said, “I see a candlestick, all of gold, with a bowl on its top, and seven lamps on it. There are seven pipes to each of the lamps, which are on its top,
3 ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo ankavanan’ ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.
and two olive trees next to it, one on the right side of the bowl, and the other on its left side.”
4 Dia niteny tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
I said to the messenger who talked with me, “What are these, my lord?”
5 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
Then the messenger who talked with me answered, “Don’t you know what these are?” And I said. “No, my lord.”
6 Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’ i Jehovah amin’ i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
He said to me, “This is the message of the Lord regarding Zerubbabel: Not by might, nor by power, but by my spirit, says the Lord of hosts,
7 Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho tonga tany lemaka eo anoloan’ i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!
will I make the great mountain before Zerubbabel a plain. He will bring forth the top stones with shoutings of, ‘Grace, grace, to it.’”
8 Dia tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Moreover this message of the Lord came to me:
9 Ny tànan’ i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
The hands of Zerubbabel have laid the foundation of this house. His hands will also finish it. Then you will know that the Lord of hosts has sent me to you.
10 Fa iza no nanamavo ny andron’ ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan’ i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason’ i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra
For who has despised the day of small things? They will rejoice, and will see the plumb line in the hand of Zerubbabel. (The seven lamps are the eyes of the Lord that search all around the world.)
11 Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo ankavanan’ ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
Again I asked, “What are these two olive trees on the right side of the candlestick and on its left side?”
12 Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon’ oliva roa eo amin’ ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
Again, “What are these two branches of the olive trees, which are pouring out the golden oil through the two golden pipes?”
13 Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.
He answered me, “Don’t you now what these are?” And I said, “No, my lord.”
14 Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
Then he explained, “They are the two anointed ones who attend the Lord of all the earth.”

< Zakaria 4 >