< Zakaria 2 >

1 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.
내가 또 눈을 들어 본즉 한 사람이 척량줄을 그 손에 잡았기로
2 Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’ i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.
네가 어디로 가느냐 물은즉 내게 대답하되 예루살렘을 척량하여 그 장광을 보고자 하노라 할 때에
3 Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy
내게 말하는 천사가 나가매 다른 천사가 나와서 그를 맞으며
4 ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin’ io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan’ ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
이르되 너는 달려가서 그 소년에게 고하여 이르기를 예루살렘에 사람이 거하리니 그 가운데 사람과 육축이 많으므로 그것이 성곽없는 촌락과 같으리라
5 Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.
여호와의 말씀에 내가 그 사면에서 불 성곽이 되며 그 가운데서 영광이 되리라
6 He! he! mandosira avy any amin’ ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.
여호와의 말씀에 내가 너를 하늘의 사방 바람 같이 흩어지게 하였거니와 이제 너희는 북방 땅에서 도망할지니라 나 여호와의 말이니라
7 He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.
바벨론 성에 거하는 시온아 이제 너는 피할지니라
8 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.
만군의 여호와께서 이같이 말씀하시되 너희를 노략한 열국으로 영광을 위하여 나를 보내셨나니 무릇 너희를 범하는 자는 그의 눈동자를 범하는 것이라
9 Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin’ ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy.
내가 손을 그들 위에 움직인즉 그들이 자기를 섬기던 자에게 노략거리가 되리라 하셨나니 너희가 만군의 여호와께서 나를 보내신 줄 알리라
10 Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.
여호와의 말씀에 시온의 딸아 노래하고 기뻐하라 이는 내가 임하여 네 가운데 거할 것임이니라
11 Ary firenena maro no hanaiky ho an’ i Jehovah amin’ izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
그 날에 많은 나라가 여호와께 속하여 내 백성이 될 것이요 나는 네 가운데 거하리라 네가 만군의 여호와께서 나를 네게 보내신 줄 알리라
12 Ary Jehovah hanana an’ i Joda ho anjarany ao amin’ ny tany masìna ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.
여호와께서 장차 유다를 취하여 거룩한 땅에서 자기 소유를 삼으시고 다시 예루살렘을 택하시리니
13 Mangìna eo anatrehan’ i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin’ ny fitoerany masìna Izy.
무릇 혈기 있는 자들이 여호와 앞에서 잠잠할 것은 여호와께서 그 성소에서 일어나심이니라 하라 하더라

< Zakaria 2 >