< Zakaria 11 >

1 Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ ny afo ny sederanao
Open your doors, Lebanon, that the fire may devour your cedars.
2 Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
Wail, fir tree, for the cedar has fallen, because the stately ones are destroyed. Wail, you oaks of Bashan, for the strong forest has come down.
3 Injay! fidradradradran’ ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron’ ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana
A voice of the wailing of the shepherds. For their glory is destroyed: a voice of the roaring of young lions. For the pride of the Jordan is ruined.
4 Izao no lazain’ i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
Thus says YHWH my God: "Feed the flock of slaughter.
5 dia ireo vonoin’ ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy
Their buyers slaughter them, and go unpunished. Those who sell them say, 'Blessed be YHWH, for I am rich;' and their own shepherds do not pity them.
6 Fa tsy hiantra ny mponina amin’ ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan’ ny namany sy samy ho eo an-tanan’ ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin’ ny tànany Aho.
For I will no more pity the inhabitants of the land," says YHWH; "but, look, I will deliver the men everyone into his neighbor's hand, and into the hand of his king. They will strike the land, and out of their hand I will not deliver them."
7 Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
So I fed the flock of slaughter, especially the oppressed of the flock. I took for myself two staffs. The one I called "Favor," and the other I called "Union," and I fed the flock.
8 Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin’ ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny.
I cut off the three shepherds in one month; for my soul was weary of them, and their soul also loathed me.
9 Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ ny namany avy.
Then I said, "I will not feed you. That which dies, let it die; and that which is to be cut off, let it be cut off; and let those who are left eat each other's flesh."
10 Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ ny firenena rehetra.
I took my staff Favor, and cut it apart, that I might break my covenant that I had made with all the peoples.
11 Ary tapaka tamin’ izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin’ i Jehovah izany.
It was broken in that day; and thus the poor of the flock that listened to me knew that it was the word of YHWH.
12 Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
I said to them, "If you think it best, give me my wages; and if not, keep them." So they weighed for my wages thirty pieces of silver.
13 Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin’ ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin’ ny mpanefy tanimanga tao an-tranon’ i Jehovah.
YHWH said to me, "Throw it to the potter, the handsome price that I was valued at by them." I took the thirty pieces of silver, and threw them to the potter, in the house of YHWH.
14 Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian’ i Joda sy Isiraely.
Then I cut apart my other staff, even Union, that I might break the brotherhood between Judah and Israel.
15 Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ ny mpiandry ondry adala.
YHWH said to me, "Take for yourself yet again the equipment of a foolish shepherd.
16 Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
For, look, I will raise up a shepherd in the land, who will not visit those who are cut off, neither will seek those who are scattered, nor heal that which is broken, nor feed that which is sound; but he will eat the flesh of the fat sheep, and will tear their hoofs in pieces.
17 Lozan’ ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.
Woe to the worthless shepherd who leaves the flock. The sword will be on his arm, and on his right eye. His arm will be completely withered, and his right eye will be totally blinded."

< Zakaria 11 >