< Titosy 3 >

1 Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ ny asa tsara rehetra,
Remind them to be in subjection to rulers and to authorities, to be obedient, to be ready for every good work,
2 tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ ny olona rehetra.
to speak evil of no one, not to be contentious, to be gentle, showing all humility towards all men.
3 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
For we were also once foolish, disobedient, deceived, serving various lusts and pleasures, living in malice and envy, hateful, and hating one another.
4 Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
But when the kindness of God our Saviour and his love towards mankind appeared,
5 dia tsy avy tamin’ ny asa amin’ ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ ny fanasan’ ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ ny Fanahy Masìna,
not by works of righteousness which we did ourselves, but according to his mercy, he saved us through the washing of regeneration and renewing by the Holy Spirit,
6 Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
whom he poured out on us richly through Jesus Christ our Saviour;
7 mba hohamarinina amin’ ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
that being justified by his grace, we might be made heirs according to the hope of eternal life. (aiōnios g166)
8 Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’ izay efa mino an’ Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
This saying is faithful, and concerning these things I desire that you insist confidently, so that those who have believed God may be careful to maintain good works. These things are good and profitable to men;
9 Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
but shun foolish questionings, genealogies, strife, and disputes about the law; for they are unprofitable and vain.
10 Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
Avoid a factious man after a first and second warning,
11 satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
knowing that such a one is perverted and sinful, being self-condemned.
12 Rehefa maniraka an’ i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
When I send Artemas to you, or Tychicus, be diligent to come to me to Nicopolis, for I have determined to winter there.
13 Mazotoa hamoaka an’ i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
Send Zenas the lawyer and Apollos on their journey speedily, that nothing may be lacking for them.
14 Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
Let our people also learn to maintain good works to meet necessary needs, that they may not be unfruitful.
15 Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin’ ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
All who are with me greet you. Greet those who love us in faith. Grace be with you all. Amen.

< Titosy 3 >