< Tonon-kiran'i Solomona 7 >

1 Endrey! mahate-hijery ny famindran’ ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak’ andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon’ ny tanan’ ny mahay zavatra. 2 Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina. 3 Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora. 4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin’ ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an’ i Damaskosy. 5 Ny lohanao dia tahaka an’ i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ ny volo olioly ny mpanjaka! 6 Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin’ izao zava-mahafinaritra rehetra izao! 7 Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony. 8 Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ ny poma, 9 Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ ny malalako sady miditra misononoka amin’ ny molotry ny matory. 10 An’ ny malalako aho, sady manina ahy izy. 11 Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika. 12 Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongabendanitra any no hanehoako ny fitiavako anao. 13 Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.

< Tonon-kiran'i Solomona 7 >