< Tonon-kiran'i Solomona 3 >

1 Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian’ ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.
By night on my bed, I sought him whom my soul loves. I sought him, but I did not find him.
2 Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian’ ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
I will get up now, and go about the city; in the streets and in the squares I will seek him whom my soul loves. I sought him, but I did not find him.
3 Hitan’ ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ ny fanahiko iny?
The watchmen who go about the city found me; "Have you seen him whom my soul loves?"
4 Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian’ ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’ ineny, dia any amin’ ny efi-tranon’ ilay niteraka ahy.
I had scarcely passed from them, when I found him whom my soul loves. I held him, and would not let him go, until I had brought him into my mother's house, into the chamber of her who conceived me.
5 Mampianiana anareo amin’ ny gazela na amin’ ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
I adjure you, daughters of Jerusalem, by the gazelles, or by the does of the field, that you not stir up, nor awaken love, until it so desires.
6 Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin’ ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin’ ny vovoka manitra samy hafa entin’ ny mpandranto?
Who is this who comes up from the wilderness like pillars of smoke, perfumed with myrrh and frankincense, with all spices of the merchant?
7 Indro ny filanjan’ i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin’ ny lehilahy mahery amin’ ny Isiraely, no manotrona azy.
Look, it is Solomon's carriage. Sixty mighty men are around it, of the mighty men of Israel.
8 An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin’ ny alina.
They all handle the sword, and are expert in war. Every man has his sword on his thigh, because of fear in the night.
9 Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka tamin’ ny hazo avy any Libanona:
King Solomon made himself a carriage of the wood of Lebanon.
10 Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin’ ny fanomezam-pitiavana avy tamin’ ny zanakavavin’ i Jerosalema.
He made its pillars of silver, its bottom of gold, its seat of purple, its midst being paved with love, from the daughters of Jerusalem.
11 Mivoaha, ry zanakavavin’ i Ziona, ka mijere an’ i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin’ ny andro nampakarany vady, dia tamin’ ny andro nifalian’ ny fony.
Go forth, you daughters of Zion, and see king Solomon, with the crown with which his mother has crowned him, in the day of his weddings, in the day of the gladness of his heart.

< Tonon-kiran'i Solomona 3 >